Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahay Mandanjalanja ve Ianao?

Mahay Mandanjalanja ve Ianao?

Mahay Mandanjalanja ve Ianao?

I JEHOVAH no mahay mandanjalanja indrindra. “Tanteraka ny asany” ary tsy hentitra loatra izy rehefa mampihatra ny rariny, satria ampiarahiny amin’ny famindram-po foana izany. (Deoteronomia 32:4) Miorina amin’ny toro lalana foana ny fitiavany, satria manaraka lalàna lavorary izy rehefa manao zavatra. (Salamo 89:14; 103:13, 14) Noforonina mba hahay handanjalanja amin’ny lafiny rehetra ny ray aman-drenintsika voalohany. Tsy nirona hanao zavatra tafahoatra izy ireo. Lasa nisy ‘tsiny’ na tsy lavorary anefa izy ireo rehefa nanota, ka tsy nahay nandanjalanja intsony.—Deoteronomia 32:5.

Aoka hatao hoe mandeha fiara na mitaingina bisikileta ianao, ka misy simba ny kodiarany. Azo antoka fa manasarotra ny dia izany ary mety hampidi-doza. Mila amboarina ilay simba mba tsy hitatra, na mba tsy ho vaky ilay kodiarana. Tsy lavorary koa isika ka mora manao zavatra tsy mety. Raha tsy ahitsintsika anefa izany, dia mety hanasarotra ny fiainantsika, ary mety hampidi-doza mihitsy.

Mety ho tafahoatra koa ny zavatra ataontsika na dia tsara aza. Notakin’ny Lalàn’i Mosesy, ohatra, ny hanisian’ny Israelita mikiramborambo teo amin’ny morontongotr’akanjony. Nankatò izany ireo Fariseo tamin’ny andron’i Jesosy. Te hiavaka anefa izy ireo ka ‘nataony lava kokoa’ ny azy. Te hiseho ho masina kokoa noho ny hafa mantsy izy ireo.—Matio 23:5; Nomery 15:38-40.

Manao izay azony atao koa ny olona sasany ankehitriny mba hisarihana ny sain’ny hafa, na dia mety hanafintohina aza izany. Rehefa manao izany izy ireo, dia toy ny mitalaho hoe: “Mba jereo aho, fa izaho ange mba olona ihany e!” Toy izany no ataon’ny Kristianina, raha tafahoatra loatra ny fomba fitafiny sy ny fihetsiny ary ny zavatra ataony. Tsy hahita fahafaham-po anefa izy raha manao izany.

Fahaiza-mandanjalanja eo amin’ny asa

Mahatonga ny fiainantsika hahafinaritra ny asa tsara, na iza isika na iza, ary na aiza na aiza misy antsika. Natao hahita fahafaham-po amin’ny asa toy izany isika. (Genesisy 2:15) Milaza mantsy ny Baiboly fa ratsy ny hakamoana. Hoy ny apostoly Paoly: “Raha misy tsy mety miasa, dia aoka izy tsy hihinana.” (2 Tesalonianina 3:10) Tsy vitan’ny hoe lasa mahantra sy tsy afa-po amin’ny fiainana ny olona kamo miasa, fa tsy mahazo sitraka amin’Andriamanitra koa.

Mifanohitra tanteraka amin’izany kosa ny olona maro, satria adalan’asa na andevozin’ny asa. Miala ao an-trano vao maraim-be izy ireo, ary tsy mody raha tsy alim-be. Mety hihevitra izy ireo fa tena hahasoa ny ankohonany izany. Tena mampijaly ny fianakaviany anefa ny fitiavana asa tafahoatra toy izany. Manao asa fanampiny mandritra ny ora maro, ohatra, ny lehilahy iray, ka hoy ny vadiny: “Tiako kokoa noho ireto fanaka mirenty rehetra ato an-trano ireto, ny mahita ny vadiko miaraka aminay mianakavy.” Hoy i Solomona Mpanjaka noho ny zavatra niainany: “Nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon’ny tànako sy ny fisasarana izay nisasarako, ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany.” (Mpitoriteny 2:11) Tokony hisaintsaina lalina an’izany teny izany ireo mifidy ny hiasa be loatra.

Sady tsy tokony ho kamo miasa àry isika, no tsy tokony ho adalan’asa. Tsara ny mazoto miasa, nefa koa tokony hotadidintsika fa tsy ho sambatra isika ary mety hamoy zavatra maro, raha lasa andevozin’ny asa.—Mpitoriteny 4:5, 6.

Fahaiza-mandanjalanja eo amin’ny fialam-boly

Hoy ny Baiboly momba ny androntsika: ‘Ny olona ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra.’ (2 Timoty 3:2, 4) Anisan’ny fomba mahomby ampiasain’i Satana ny fikatsahana fahafinaretana, mba hampialana ny olona amin’Andriamanitra. Lasa manaram-po amin’ny fialam-boly ny olona ankehitriny, anisan’izany ny fanaovana fanatanjahan-tena manaitaitra na mampidi-doza. Mitombo isa hatrany ny karazana fialam-boly toy izany sy ny olona manao azy ireny. Nahoana izy ireny no be mpitia? Mitady zavatra mampientanentana kokoa ny olona maro, rehefa tsy afa-po amin’ny fiainana. Mitaky zavatra mampidi-doza kokoa anefa izany. Manalavitra ny fanatanjahan-tena mampidi-doza ny Kristianina mahatoky. Manaja ny aina izay fanomezan’Andriamanitra mantsy izy ireo, sady manaja an’ilay Mpanome aina.—Salamo 36:9.

Taiza no napetrak’Andriamanitra ireo mpivady voalohany, rehefa avy noforoniny? Tao amin’ny Saha Edena, izay midika hoe “Fahafinaretana” na “Fahafaham-po”, araka ny teny hebreo tany am-boalohany. (Genesisy 2:8) Asehon’izany fa tian’i Jehovah hahita fahafinaretana sy fahafaham-po ny olombelona.

Tena nahay nandanjalanja teo amin’ny resaka fialam-boly i Jesosy, ary nanome modely ho antsika. Ny hanao ny sitrapon’i Jehovah no tena nimasoany, ary niaina nifanaraka tamin’ny lalàna sy ny toro lalan’Andriamanitra foana izy. Nanokana fotoana ho an’ireo nila fanampiana izy, na dia efa reraka aza. (Matio 14:13, 14) Nanaiky anefa i Jesosy rehefa nisy nanasa azy hisakafo. Niala hetaheta sy niala sasatra koa izy indraindray. Fantany tsara fa hanakiana azy amin’izany ny fahavalony. Nampangain’izy ireo hoe “olona tenda an-kanina sy mpiboboka divay” izy. (Lioka 7:34; 10:38; 11:37) Fantatr’i Jesosy anefa fa afaka mifalifaly ny olona, na dia mahafoy tena ho an’Andriamanitra aza.

Hendry àry isika raha tsy tafahoatra loatra ny fialam-boly ataontsika. Tsy ho sambatra mihitsy isika, raha ny fahafinaretana sy ny fialam-boly no tena mandany ny fotoanantsika. Mety ho lasa tsirambina mantsy ny zava-dehibe kokoa, anisan’izany ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Tsy mety koa anefa raha tsy miala voly mihitsy isika, na koa manakiana an’ireo manao izany araka ny antonony.—Mpitoriteny 2:24; 3:1-4.

Ho sambatra ianao raha mahay mandanjalanja

Hoy i Jakoba mpianatra: ‘Manao fahadisoana imbetsaka isika rehetra.’ (Jakoba 3:2) Mety ho tsapantsika izany rehefa miezaka tsy hanao zavatra tafahoatra isika. Inona no hanampy antsika hahay handanjalanja foana? Tokony handini-tena amin’ny saina tsy miangatra isika, ka hamantatra ny toetra tsarantsika sy ny fahalementsika. Tsy mora ny manao izany. Mety hanao zavatra tafahoatra mantsy isika, nefa tsy hahatsapa izany akory. Hendry àry isika raha mifandray tsara amin’ny Kristianina matotra, ary manaraka ny torohevitra voalanjalanja omeny. (Galatianina 6:1) Azontsika atao ny mangataka torohevitra ara-baiboly amin’ny namana mahatoky, na anti-panahy za-draharaha eo anivon’ny fiangonana. Toy ny “fitaratra” ireny torohevitra ireny sy ireo andinin-teny hafa efa fantatsika, ka manampy antsika hahita raha tena mahay mandanjalanja isika eo anatrehan’i Jehovah.—Jakoba 1:22-25.

Soa ihany fa tsy voatery manao zavatra tafahoatra foana isika eo amin’ny fiainana. Hahay handanjalanja sy ho sambatra isika, raha miezaka mafy sy mahazo ny fanampian’i Jehovah. Hihatsara ny fifandraisantsika amin’ireo mpiray finoana amintsika, ary ho ohatra tsara kokoa ho an’ny olona itoriantsika isika. Ary ny tena zava-dehibe indrindra, dia ny hoe hanahaka kokoa an’i Jehovah, ilay Andriamanitra be fitiavana sy mahay mandanjalanja isika.—Efesianina 5:1.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 28]

©Greg Epperson/age fotostock