Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Tsy Mampiasa Lakroa?

Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Tsy Mampiasa Lakroa?

Manontany ny Mpamaky

Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Tsy Mampiasa Lakroa?

Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa maty i Jesosy Kristy, mba hanome ny ainy ho vidim-panavotana. Ho afaka hiaina mandrakizay izay rehetra maneho finoana azy, noho izany. (Matio 20:28; Jaona 3:16) Tsy mino anefa izy ireo hoe teo amin’ny lakroa i Jesosy no maty, araka ny hita matetika amin’ny sary. Ny inoan’izy ireo kosa dia hoe teo ambony tsato-kazo mahitsy izy no maty.

Efa nampiasa lakroa ny olona tany Mezopotamia, 2 000 taona talohan’i Kristy. Efa nandravaka ny harambato tany Skandinavia aza ny sarina lakroa, tokotokony ho 3 000 taona talohan’ny nahaterahan’i Jesosy. Nampiasa lakroa ireny olona tsy Kristianina ireny mba “hiarovan-tena sy hahatonga ny olona iray ho tsara vintana”, hoy i Sven Achen mpahay tantara danoà, tao amin’ny boky nosoratany. Tsy mahagaga raha nilaza toy izao ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (anglisy): “Samy nampiasa lakroa na ny olona talohan’ny andro kristianina na ireo tsy Kristianina. Misy ifandraisany amin’ireo zavatra eny amin’ny lanitra na eny amin’ny natiora, ny dikan’izy ireny.” Nahoana àry ny Eglizy no nifidy ny lakroa ho ny zavatra masina indrindra?

Hoy i W. Vine, manam-pahaizana britanika: ‘Nekena ho anisan’ny fiangonana ny mpanompo sampy tamin’ny taona 250 tany ho any, ary mbola navela hampiasa ny ankamaroan’ny sary sy ny sampiny izy ireo. Nampiasa lakroa ny Eglizy nanomboka teo.’—Diksionerani Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao (anglisy).

Nilaza koa i Vine fa “tsato-kazo mahitsy” no tiana holazaina amin’ilay teny nadika hoe lakroa, fa “tsy toy ny ampiasain’ny fivavahana maro.” Mitovy amin’izany koa ny nolazain’ny Baiboly iray navoakan’ny Oniversiten’i Oxford. Hoy izy io: ‘Asehon’ny porofo fa novonoina teo amin’ny tsato-kazo mahitsy ny Tompo, fa tsy teo amin’ny tsato-kazo misy hazo mitsivalana.’ Hita avy amin’izany fa nanaraka fombafomba tsy araka ny Baiboly ny fivavahana maro.

Hoy ihany i Achen: “Azo inoana fa tsy nampiasa lakroa ny Kristianina, 200 taona taorian’ny nahafatesan’i Jesosy.” Nilaza koa izy fa tamin’ny Kristianina voalohany, dia “midika hoe fahafatesana na haratsiam-panahy” ny tsato-kazo fanantonana olona, “toy ny iheveran’ny olona atỳ aoriana ny fitaovana fanapahan-doha, na seza elektrika” famonoana olona.

Ny tena zava-dehibe kokoa anefa dia hoe na inona na inona fitaovana nampiasaina mba hamonoana an’i Jesosy, dia tsy tokony hampiasain’ny Kristianina amin’ny fivavahana izany. Mandidy antsika ny Baiboly hoe: “Mandosira ny fanompoan-tsampy.” (1 Korintianina 10:14) Ny tena marika ahafantarana ny mpanara-dia an’i Jesosy, dia ny ‘fifankatiavana.’ I Jesosy mihitsy no nilaza izany ao amin’ny Jaona 13:35.

Toa an’ireo Kristianina voalohany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy manaraka ambokony ny fanaon’ny olona, fa miezaka manaraka izay voalazan’ny Baiboly. (Romanina 3:4; Kolosianina 2:8) Izany no antony tsy ampiasany lakroa.  

[Sary, pejy 22]

Mpanjaka asyrianina mpanompo sampy miambozona lakroa, taona 800 t.k. tany ho any

[Sary nahazoan-dalana]

Photograph taken by courtesy of the British Museum