Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaha ho Lasa Zanak’Andriamanitra

Miezaha ho Lasa Zanak’Andriamanitra

Miezaha ho Lasa Zanak’Andriamanitra

FIANAKAVIANA koreanina maro no tafasaraka, nanomboka tamin’ny Adin’i Korea. Nanisy fandaharana hanampiana azy ireo hahita ny havany ny televiziona tany, 30 taona teo ho eo taorian’izay. Inona no vokany? Olona maherin’ny 11 000 no nihaona indray tamin’ny havany, ka nitomany sy nikiakiaka ary nifamihina. Hoy ny Gazetin’i Korea: “Mbola tsy nisy mihitsy hatramin’izay ny Koreanina tonga dia niara-nandatsa-ranomaso be toy izany, noho ny fifaliany.”

Tany Brezila indray, dia nisy zazakely antsoina hoe Cézar natao takalon’ny trosa tsy voaloa. Nahita ny reniny niteraka azy izy, folo taona teo ho eo tatỳ aoriana. Faly erỳ izy, ka nilaozany ireo ray aman-dreny nanangana azy, na dia nanan-karena aza. Lasa kosa izy niara-nipetraka tamin’ny reniny.

Faly tokoa àry ny mpianakavy tafasaraka na very, rehefa tafahaona indray! Milaza ny Baiboly fa tafasaraka tamin’ny fianakavian’Andriamanitra ny olombelona. Resahiny koa hoe faly izy ireo izao fa tafaray. Inona no nahatonga izany, ary ahoana no ahafahanao miara-mifaly amin’izy ireo?

Nahoana no tafasaraka ny fianakavian’Andriamanitra?

Hoy ny mpanao salamo momba an’i Jehovah, Andriamanitra Mpamorona: “Ao aminao no misy loharanon’aina.” (Salamo 36:9) Rain’ny fianakaviana lehibe misy an’ireo zavaboary manan-tsaina sy mahatoky i Jehovah. Anisan’izy io ny zanany any an-danitra na ny anjely, sy ny zanany eto an-tany na ny olombelona.

Nikomy i Adama, zanak’Andriamanitra voalohany teto an-tany, araka ny voalazan’ny lahatsoratra teo aloha. Mampalahelo fa tafasaraka tamin’ilay Rainy sady Mpamorona be fitiavana ny olombelona taorian’izay. (Lioka 3:38) Noho ilay fikomian’i Adama mantsy, dia tsy afaka ny hahazo ilay tombontsoa ho anisan’ny zanak’Andriamanitra izy sy ny taranany. Noresahin’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy mpanompony ny vokatr’ilay zava-nitranga. Hoy izy: “Efa nasian-dratsy Izy; tsy [zanak’Andriamanitra] ireny—tsininy izany.” Nampisaraka ny olona tamin’ilay Andriamanitra masina sy tonga lafatra amin’ny lafiny rehetra ny ‘tsiny’ na ny ota. (Deoteronomia 32:4, 5; Isaia 6:3) Toy ny very sy tsy manan-dray àry ny olombelona.—Efesianina 2:12.

Manamafy izany ny Baiboly, rehefa miantso an’ireo tsy anisan’ny fianakavian’Andriamanitra hoe “fahavalo.” (Romanina 5:8, 10) Tafasaraka amin’Andriamanitra ny olombelona, ka mijaly eo ambany fitondrana henjana ataon’i Satana sy ny vokatra mahafatin’ny ota nolovana mbamin’ny tsy fahalavorariana. (Romanina 5:12; 1 Jaona 5:19) Afaka ny ho anisan’ny fianakavian’Andriamanitra ve ny olona mpanota? Afaka ny ho tonga tena zanak’Andriamanitra, toa an’i Adama sy Eva tamin’izy mbola tsy nanota ve ny zavaboary tsy lavorary?

Fanangonana ny zanany

Nanao zavatra tamim-pitiavana i Jehovah, mba hahasoa an’ireo olona tsy lavorary tia azy. (1 Korintianina 2:9) Hoy ny apostoly Paoly: “Nampihavanin’Andriamanitra taminy tamin’ny alalan’i Kristy izao tontolo izao, ka tsy nisainy ny helok’izy ireo.” (2 Korintianina 5:19) Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha fa nomen’i Jehovah Andriamanitra i Jesosy Kristy, mba ho vidim-panavotana noho ny fahotantsika. (Matio 20:28; Jaona 3:16) Nankasitraka izany ny apostoly Jaona, ka nanoratra hoe: “Eritrereto ange ny fitiavana nasehon’ny Ray antsika e, ka niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra!” (1 Jaona 3:1) Afaka ny ho anisan’ny fianakavian’i Jehovah indray àry ny olombelona mankatò.

Tena hahafinaritra fa ho tafaray eo ambany fiahian’ny Rainy any an-danitra ny olona rehetra voangona ho anisan’ny fianakaviany. Mariho anefa fa lazain’ny Baiboly hoe misy antokony roa izy ireo. Izao no vakintsika ao: “Araka izay mahafinaritra [an’Andriamanitra] ... no nahatonga azy hikasa hanangana fitantanan-draharaha, rehefa tapitra tanteraka ny fotoana voatondro. Ary izany dia ny fanangonana indray ao amin’i Kristy ny zava-drehetra, na ny zavatra any an-danitra na ny eto an-tany.” (Efesianina 1:9, 10) Nahoana Andriamanitra no mitantana ny zava-drehetra amin’izany fomba izany?

Mampirindra tsara ny fianakaviany ny fomba nandaminan’i Jehovah ny zanany ho antokony roa. Tsy mahagaga izany, satria tena lehibe ny fianakavian’Andriamanitra, ka azo oharina amin’ny firenena iray. Tsy maintsy misy olona vitsivitsy fidina ho mpitondra ao amin’ny firenena iray, mba ho tan-dalàna ny vahoaka ary hilamina ny fiainany. Mazava ho azy fa tsy misy fitondran’olombelona afaka mitondra ny tena fandriampahalemana. Nanangana fanjakana tonga lafatra hitondra ny fianakaviany anefa Andriamanitra. Ireo zanany nofidiny ho anisan’ilay Fanjakana any an-danitra àry no ao amin’ilay antokony voalohany, na ny “zavatra any an-danitra.” “Ho mpanjaka hitondra ny tany” izy ireo.—Apokalypsy 5:10.

Zanany eto an-tany

Angonin’i Jehovah koa ny ‘zavatra eto an-tany’, na ireo olona an-tapitrisany ho lasa zanany eto an-tany. Ray tsara fanahy izy, ka mampianatra azy ireo haneho fitiavana toa azy. Miray saina tsara izy ireo amin’izay, na dia avy amin’ny firenena maro aza. Asaina ‘hihavana amin’Andriamanitra’ izao, na dia ny olona mahery setra, tia tena, ratsy fitondran-tena, ary tsy mankatò azy aza.—2 Korintianina 5:20.

Ahoana kosa ny amin’ireo tsy manaiky ny fanasan’Andriamanitra mba hihavana aminy sy ho tonga zanany? Handray fepetra hentitra momba azy ireny i Jehovah, mba hisian’ny filaminana sy ny firaisan-tsaina foana eo anivon’ny fianakaviany. Ho avy ny “andro fitsarana sy fandringanana an’ireo tsy matahotra an’Andriamanitra.” (2 Petera 3:7) Hesorin’Andriamanitra tsy ho eto an-tany intsony ny mpikomy. Hahatsiaro ho maivamaivana erỳ ny olombelona mpankatò!—Salamo 37:10, 11.

Hisy fiadanana mandritra ny arivo taona aorian’izay. Haverina tsikelikely ho amin’ilay fiainana lavorary nafoin’i Adama ny olona rehetra maneho fankasitrahana ny fitiavan’Andriamanitra. Na ny maty aza dia hatsangana. (Jaona 5:28, 29; Apokalypsy 20:6; 21:3, 4) Hotanterahin’Andriamanitra ity fampanantenany ity amin’izay fotoana izay: “Hafahana koa amin’ny fanandevozan’ny fahalovana ny [olombelona], ka hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.”—Romanina 8:21.

Miezaha mba ho tafaray amin’ilay Rainao

Tsy maintsy nanao zavatra i Cézar sy ireo Koreanina an’arivony voaresaka terỳ am-piandohana, vao tafaray indray tamin’ny havany. Tsy maintsy nandray anjara tamin’ilay fandaharan’ny televiziona ireo Koreanina ireo. I Cézar kosa tsy maintsy nandao an’ireo olona nanangana azy. Mety hila ny hanao zavatra koa ianao, mba hihavananao indray amin’i Jehovah, ilay Rainao any an-danitra, sy hahatonga anao ho anisan’ny fianakaviany. Inona no tokony hataonao?

Manatanjaka ny finoantsika an’Andriamanitra sy ny fampanantenany ny zavatra resahin’ny Teniny. Tsy maintsy mianatra azy io àry ianao, raha te hanatona an’ilay Rainao. Hianatra hatoky ianao amin’izay, fa mahasoa anao izay ampanaovin’Andriamanitra anao. Ilainao koa ny manaiky ny fanitsiana sy fananarana avy amin’Andriamanitra, satria hoy ny Baiboly: “Mitondra anareo toy ny zanaka Andriamanitra. Fa iza moa no zanaka tsy faizin-drainy?”—Hebreo 12:7.

Hanova tanteraka ny fomba fiainanao ny fanaovana ireo dingana ireo. Hoy ny Baiboly: “Hohavaozina kosa ianareo eo amin’ny hery mibaiko ny sainareo, ka mba hitafy ny toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny tena fahitsiana sy fahatokiana.” (Efesianina 4:23, 24) Araho koa ny tenin’ny apostoly Petera manao hoe: “Zanaka mankatò ianareo, ka aza manaiky intsony hotarihin’ny fanirianareo taloha tamin’ny tsy fahalalanareo.”—1 Petera 1:14.

Tadiavo ny tena fianakavianao

Vao mainka tena faly i Cézar rehefa nahalala fa manana rahalahy sy anabavy koa izy. Rehefa manatona an’ilay Rainao any an-danitra koa ianao, dia ho hitanao fa manana rahalahy sy anabavy maro eo anivon’ny fiangonana kristianina ianao. Ho hitanao fa mety ho lasa akaiky kokoa anao noho ny tena fianakavianao aza izy ireny.—Asan’ny Apostoly 28:14, 15; Hebreo 10:24, 25.

Asaina koa àry ianao mba hiezaka ho tafaray amin’ilay tena Rainao sy ireo tena rahalahy sy anabavinao. Ho faly be ianao, toa an’i Cézar sy ireo Koreanina an’arivony, izay faly tokoa rehefa tafahaona tamin’ny havany indray.

[Sary, pejy 8]

Cézar tamin’izy 19 taona, miaraka amin-dreniny

[Sary, pejy 10]

Manaova zavatra mba hanatonana an’Andriamanitra