Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hita Amin’ny Kintana ny Herin’Andriamanitra

Hita Amin’ny Kintana ny Herin’Andriamanitra

Hita Amin’ny Kintana ny Herin’Andriamanitra

“Asandrato ny masonareo, ka mijere; iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy noho ny haben’ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.”—ISAIA 40:26.

KINTANA salasalany ny masoandro, nefa avo 330 000 heny noho ny lanjan’ny tany ny lanjany. Kely kokoa noho ny masoandro ny ankamaroan’ireo kintana tsy lavitra ny tany. Lehibe noho ny masoandro anefa ny kintana hafa, ary avo 27 heny noho ny lanjan’ny masoandro ny kely indrindra aminy. Anisan’izany ny V382 Cygni.

Manao ahoana ny habetsaky ny angovo vokarin’ny masoandro? Tsy maintsy ho afo mahamay be vao ho re any amin’ny 15 kilaometatra ny hafanany. Tokotokony ho any amin’ny 150 tapitrisa kilaometatra miala amin’ny tany no misy ny masoandro, kanefa mbola mampitsovaka ny hoditsika izy io rehefa migaingaina ny andro. Mahavariana fa tokony ho ny ampaha 1 000 tapitrisa monja amin’ny angovo vokarin’izy io no tonga etỳ an-tany. Ampy hahavelona ny zavamananaina eto an-tany anefa izany.

Milaza ny mpahay siansa fa afaka mamatsy angovo ho an’ny planeta 31 tapitrisa tapitrisa mitovy habe amin’ny tany, ny masoandro. Milaza ny sampan-draharaha iray mandinika ny atmosfera, fa raha azo angonina ny angovo vokarin’izy io ao anatin’ny iray segondra, dia “hanana angovo hampiasaina ao anatin’ny sivy tapitrisa taona” i Etazonia.

Avy amin’ireo ataoma be dia be potika ao amin’ny atin’ny masoandro ny angovo vokarin’ny masoandro. Makadiry be ny masoandro ary matevina be ny atiny. Mila an-tapitrisany taona ny angovo avy ao amin’ny atin’ny masoandro vao tafavoaka etỳ ivelany. Hoy ihany ilay sampan-draharaha: “Raha tsy mamokatra angovo intsony ny Masoandro manomboka androany, dia afaka 50 tapitrisa taona atỳ aoriana vao ho re etỳ amin’ny Tany ny vokatr’izany!”

Diniho izao: Rehefa tsy semban-drahona ny lanitra amin’ny alina, dia mahita kintana an’arivony ianao. Samy mamoaka angovo be dia be izy ireny, toy ny masoandro ihany. Milaza anefa ny mpahay siansa fa misy kintana an’arivony tapitrisa tapitrisa eo amin’izao rehetra izao.

Ahoana no nampisy an’ireny kintana ireny? Mihevitra ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa nipoitra tampoka izao rehetra izao, tokony ho 14 000 tapitrisa taona lasa izay. Mbola tsy fantatr’izy ireo ny antony nahatonga izany. Tsotra anefa ny fanazavan’ny Baiboly. Hoy izy io: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.” (Genesisy 1:1) Tena ‘be hery’ tokoa Ilay namorona ny kintana, dia ireo zavaboary goavam-be mamokatra angovo.—Isaia 40:26.

Fomba ampiasan’Andriamanitra ny heriny

Manatanjaka an’ireo manao ny sitrapony i Jehovah Andriamanitra. Anisan’izy ireny ny apostoly Paoly, izay nampiasa ny heriny tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Tsy natanjaka noho ny olona rehetra izy, kanefa nahavita asa tsara na dia teo aza ny fanoherana nahery vaika. Nahoana? Niaiky izy fa ny “hery fanampiny” avy amin’Andriamanitra no nahavitany izany.—2 Korintianina 4:7-9.

Mampiasa ny heriny koa i Jehovah mba handringanana an’ireo minia mandika ny fitsipiny. Nanonona ny fandringanana an’i Sodoma sy Gomora sy ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa i Jesosy Kristy, mba hampisehoana fa ny ratsy fanahy ihany no aringan’i Jehovah. Naminany koa izy fa hampiasa ny heriny indray i Jehovah amin’ny hoavy tsy ho ela, mba handringanana an’ireo tsy miraharaha ny fitsipiny.—Matio 24:3, 37-39; Lioka 17:26-30.

Inona no vokatr’izany eo aminao?

Rehefa avy nisaintsaina ny herin’Andriamanitra hita eo amin’ny kintana ianao, dia mety hitovy fihetseham-po amin’i Davida Mpanjaka, izay nilaza hoe: “Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsan-tànanao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak’olombelona, no amangianao azy?”—Salamo 8:3, 4.

Mahatonga antsika hanetry tena tokoa ny fahafantarana fa tena bitika isika raha mitaha amin’izao rehetra izao midadasika. Tsy tokony hahatsiaro ho tsy afa-manoatra anefa isika, na dia bitika toy izany aza. Nasain’i Jehovah nanoratra ireto teny mampahery ireto i Isaia mpaminany: “Mampahatanjaka ny reraka [Andriamanitra], ary izay kely hery dia omeny hery be. Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy; fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa; elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; handeha izy, nefa tsy ho reraka.”—Isaia 40:29-31.

Raha maniry hanao ny sitrapon’Andriamanitra ianao, dia matokia fa hanome anao ny fanahiny masina izy mba hampahatanjaka anao. Mila mangataka azy io anefa ianao. (Lioka 11:13) Noho ny fanampian’Andriamanitra, dia afaka miaritra izay fitsapana rehetra mety hitranga ianao, sady hahazo hery hanaovana ny tsara.—Filipianina 4:13.

[Teny notsongaina, pejy 7]

Hahazo hery hanaovana ny tsara ianao, noho ny fanampian’Andriamanitra

[Sary, pejy 7]

Ambony havia: Vahindanitra Mitambolimbolina; efajoro ambany: Vahindanitra Andromède; efajoro afovoany: Antokon-kintana Pléiades; havanana: Gazy sy vovoka ao amin’ny antokon-kintana Orion

[Sary, pejy 7]

Avo 330 000 heny noho ny lanjan’ny tany ny lanjan’ny masoandro

[Sary nahazoan-dalana, pejy 7]

Pléiades: NASA, ESA and AURA/Caltech; sary hafa rehetra: National Optical Astronomy Observatories