Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Loza Nitranga Tany Amin’ny Nosy Salomon

Loza Nitranga Tany Amin’ny Nosy Salomon

Loza Nitranga Tany Amin’ny Nosy Salomon

Tamin’ny alatsinainy 2 Aprily 2007, dia nisy horohoron-tany 8,1 amin’ny maridrefy Richter tany amin’ny Nosy Salomon, any avaratratsinanan’i Aostralia. Nahatratra folo metatra ny onja namely an’ireo nosy tany amin’ny Faritany Andrefana, minitra vitsy taorian’izay. Olona 52 no maty, ary 6 000 no tsy nanan-kialofana.

Ny tao Gizo no tena voa mafy, satria 45 kilaometatra monja avy eo ny foiben’ilay horohoron-tany. Tanàna amoron-tsiraka eo amin’ny Nosy Ghizo izy io, ary misy mponina 7 000 eo ho eo. Hankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy, fanao isan-taona, ireo Vavolombelon’i Jehovah vitsivitsy tao, ny harivan’io. (1 Korintianina 11:23-26) Tsara ny andro tamin’ny voalohany, ary tony ny ranomasina. Nihovotrovotra tampoka anefa ny tany, tamin’ny 7.39 maraina.

Horohoron-tany!

Nikarakara sakafo maraina i Ron Parkinson, anti-panahin’ny fiangonana, sy Dorothy vadiny, rehefa nihovotrovotra ny tany. Hoy i Ron: “Nihetsiketsika hoatran’ny hazo ny tranonay, fa tsy nirodana. Mafy be ny feon’ilay horohoron-tany. Nianjera daholo ny vilia sy vilany, ny piano, ary ny fanaka hafa. Saika tsy tafavoaka ny trano izahay. Tsy nanao kapa i Dorothy, ka nanitsaka vakin-tavoahangy.”

Nivoaka ny trano haingana koa i Tony sy Christine Shaw, mpivady misionera. Hoy i Christine: “Nihovotrovotra be ny tany ka nianjera aho, ary tsy tafatsangana. Betsaka ny trano lasan’ny rano. Nofaohin’ny onja ngezabe izy ireny, ka niongotra hatramin’ny fototra. Niezaka mafy nivoy lakana ny olona sasany, mba hitadiavana an’izay tsy maty. Feno entana nitsinkafona anefa ny rano. Nihovotrovotra be indray ny tany avy eo, ary nitohy foana izany nandritra ny dimy andro. Tena nampahatahotra ilay izy!”

Tsunami!

Mipetraka ao amin’ny Nosy Sepo Hite, enina kilaometatra eo ho eo avy ao Gizo, i Patson Baea. Nanao ahoana izy mianakavy tamin’ilay horohoron-tany?

Hoy i Patson: “Nihazakazaka nanaraka ny torapasika aho, mba hamonjy an’i Naomi vadiko sy ny zanakay efatra. Nianjera izy ireo, saingy tsy naninona. Nangovitra be ireo zanakay, ary nisy aza nitomany. Nanambitamby azy ireo haingana izahay mivady.”

“Lasa hafahafa be ny ranomasina. Fantatro àry fa hisy tsunami, ka ho difotra ilay nosy kelinay. Notandindomin-doza koa i Evalyn reniko, izay tao amin’ny nosy kely teo akaiky. Nasaiko niakatra haingana tao amin’ilay lakanay misy maotera àry ny vady aman-janako, ary lasa naka an’i Neny izahay.”

“Vao nandeha kely izahay dia nisy onja be nandalo tao ambanin’ny lakanay. Nahery be ny ranomasina. Tonga tany amin’i Neny izahay, nefa taitra sy natahotra loatra izy, ka tsy sahy niditra tao anaty rano. Nilomano naka azy àry i Naomi sy Jeremy, zanakay 15 taona. Vao tonga izy ireo dia nalefako faran’izay mafy ny lakana, ho eny afovoan-drano.”

“Nisintona tsy toy ny mahazatra ny ranomasina, ka hita hatramin’ireo vato harana nanodidina. Nisy onja faran’izay ngeza avy eo nandifotra an’ireo nosy. Niongotra hatramin’ny fotony ny tranom-bahininay, ka potika tanteraka. Nidiran’ny rano koa ny tranonay, ary entana maro no simba. Rehefa nihena ny rano dia nalainay ny Baiboly sy fihirananay, ary nankany Gizo izahay.”

Feno olona maty sy trano rava ny morontsiraka. Ny faritra andrefan’ny Nosy Ghizo no tena potika. Tanàna 13, fara fahakeliny, no rava tanteraka, satria nandalovan’ny onja 5 metatra!

Olona 22 tamin’io alina io no nankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy, tao amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Gizo. Soa ihany fa tsy nisy naratra mafy izy ireo. Hoy i Ron, voalaza terỳ aloha: “Tapaka ny herinaratra ary simba ny jiro solitany. Jiro kely mandeha pila àry no nanaovan’ny Rahalahy Shaw lahateny. Nihira mafy ho fisaorana an’i Jehovah izahay na dia maizina aza, ary nisy nanao feo faharoa sy fahatelo ary beso.”

Tonga ny fanampiana

Nandefa fanampiana haingana ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Honiara renivohitra, raha vao nandre an’ilay loza. Nantsoina an-telefaonina ireo Vavolombelona tany amin’ny toerana tratran’ny loza, ka fantatra fa tsy naninona ny ankamaroany. Nisy olona mendri-pitokisana koa nirahina hijery ny anabavy iray tany amin’ny Nosy Choiseul. Hita izy ary tsy niharan-doza. Nandefasana vola tany Gizo, mba hividianana fanampiana vonjimaika.

Nandeha tamin’izay fiaramanidina voalohany ny solontenan’ny sampana, ka tonga tany Gizo ny alakamisy. Hoy i Craig Tucker, anisan’ny Komitin’ny Sampana: “Nitondra baoritra maro feno fanampiana izahay. Tsy maintsy navela anefa ny entan’ny mpandeha sasany, satria tsy zakan’ny fiaramanidina. Soa ihany fa tsy nisy najanona ny anay. Ny fanampiana nentinay no anisan’ny tonga voalohany tany. Nisy entana tonga tamin’ny sambo koa, roa andro tatỳ aoriana.”

Nandeha lakana nandritra ny adiny roa i Tony Shaw sy Patson Baea ary ny namany, mba hanampy an’ireo Vavolombelona tao amin’ny Nosy Ranongga. Mirefy 32 kilaometatra ny lavan’izy io, ary 8 kilaometatra ny sakany. Tafasondrotra roa metatra mahery ilay nosy, noho ilay horohoron-tany! Nihetsika tampoka àry ny rano nanodidina azy io, ka izay no nahatonga an’ilay tsunami.

Hoy i Tony: “Faly be ireo rahalahy rehefa nahita anay. Tsy nisy naratra izy ireo, ary natory teny an-tokotany satria mbola nihovotrovotra ny tany. Ny lakanay no tonga voalohany nitondra fanampiana. Niara-nivavaka izahay ka nisaotra an’i Jehovah, rehefa hody.”

Hoy i Patson: “Niverina tany Ranongga izahay, andro vitsivitsy tatỳ aoriana. Nitondra fanampiana indray izahay, sady nitady an’ilay fianakaviana Vavolombelona tany amin’ny faran’ilay nosy. Hitanay ihany izy ireo, nilasy tany anaty ala lavitra be. Matthew Itu no anaran’ilay raim-pianakaviana. Faly be izy ireo hoe tsy hadinonay, ka latsa-dranomaso mihitsy! Simban’ilay horohoron-tany ny tranony sy ny zavatra maro tao an-tanàna. Ny hahazo Baiboly anefa no tena nahamaika azy ireo, satria tsy hita ny azy.”

Nidera ny Vavolombelona ny olona

Voamariky ny olona ny fifankatiavan’ireo Kristianina ireo. Hoy i Craig Tucker: “Nisy mpanao gazety nanakiana an’ireo mpikarakara ny fanampiana vonjy rano vaky. Tena gaga anefa izy rehefa fantany fa nanome sakafo, labasy, ary entana ho an’ny mpiara-mivavaka aminy ny Vavolombelon’i Jehovah, andro vitsy monja taorian’ilay loza.” Hoy koa i Patson: “Nidera antsika ny olona tao Ranongga, satria vetivety dia tonga ny fanampiana nentintsika. Nitaraina kosa izy ireo hoe tsy mba manampy azy ny mpiara-mivavaka aminy.” Hoy ny vehivavy iray: “Vetivety dia tonga ny fanampian’ny fikambananareo!”

Niezaka nanampy olon-kafa koa ny Vavolombelona. Hoy, ohatra, i Christine Shaw: “Nisy mpivady nitorianay vao haingana hitanay tao amin’ilay hopitaly vonjimaika tao Gizo. Naratra izy ireo sady tena nikorontan-tsaina. Votsotra teny amin’ilay vehivavy mantsy ny zafikeliny, tamin’ilay tsunami, ka maty an-drano. Nody haingana izahay naka sakafo sy akanjo ho azy ireo. Tena nankasitrahan’izy ireo izany.”

Tsy fanampiana mivaingana ihany anefa no ilain’ny tra-boina. Tena mila fampiononana koa izy ireo, ary ao amin’ny Baiboly ihany no misy an’izany. Hoy i Ron: “Misy mpitondra fivavahana milaza fa sazy avy amin’Andriamanitra ilay loza, satria nanota ny olona. Nasehonay avy tao amin’ny Baiboly anefa, fa tsy avy amin’Andriamanitra mihitsy ny zava-dratsy. Maro no nisaotra anay satria nampionona azy izany.”—2 Korintianina 1:3, 4; Jakoba 1:13. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 24 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Fa dia Nahoana Loatra?”, ao amin’ny Mifohaza! Novambra 2006, pejy 3-9. An-jatony tamin’io gazety io no nozaraina tany Gizo, taorian’ilay loza.

[Kisary/Sarintany, pejy 13]

(Jereo ny gazety)

Choiseul

Ghizo

Gizo

Ranongga

HONIARA

AOSTRALIA

[Sary, pejy 15]

Ry Baea mianakavy, ao anatin’ilay lakana misy maotera

[Sary, pejy 15]

Ravan’ny tsunami i Gizo

[Sary, pejy 15]

Ity Efitrano Fanjakana ity sisa no trano tsy rava tao Lale, any amin’ny Nosy Ranongga