Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kely Sisa ve dia Tsy Hisy Intsony ny Tany?

Kely Sisa ve dia Tsy Hisy Intsony ny Tany?

Kely Sisa ve dia Tsy Hisy Intsony ny Tany?

Ahoana ny hevitrao,

a) hihatsara

b) hitovy amin’izao ihany

d) hiharatsy kokoa

ve ny fiainana eto an-tany, amin’ny hoavy tsy ho ela?

MIEZAKA ny ho be fanantenana hatrany ve ianao rehefa mieritreritra ny hoavy? Maro ny soa raisina avy amin’izany. Nasehon’ny fikarohana fa mahay kokoa sady salama kokoa ny olona be fanantenana. Hita tamin’ny fandinihana iray, naharitra fotoana lavalava ihany, fa tsy atahorana loatra ho voan’ny aretim-po ny olona be fanantenana, raha oharina amin’ny olona tsy mahita afa-tsy zavatra ratsy. Mifanaraka amin’izany ny voalazan’ny Baiboly, efa an-jatony taona maro lasa izay, manao hoe: “Ny fo ravoravo, fanafody mandaitra tokoa; fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana.”—Ohabolana 17:22, Fandikan-teny Katolika.

Sarotra amin’ny olona maro anefa ny ho falifaly sy ho be fanantenana foana, rehefa mandinika ny voalazan’ny mpahay siansa momba ny hoavin’ny tany izy. Diniho ireto fambara loza tao amin’ny filazam-baovao ireto.

Tandindomin-doza ny tany

Namoaka filazana ny Ivon-toeram-pikarohana Momba ny Tontolo Iainana any Stockholm tamin’ny 2002. Nampitandrina izy io fa raha tsy manova ny fanaony ny olona miezaka hampandroso ny toe-karena, dia azo inoana fa “hisy zava-mitranga hanova tanteraka ny toetrandro sy ny tontolo iainana.” Voalaza koa fa mahatonga ny olona tsy ho afa-bela amin’ny “olana mahakasika ny fiaraha-monina sy ny tontolo iainana ary ny fandriampahalemana” ny fahantrana eran-tany sy ny tsy fitovian-jo maharitra, ary ny fampiasana be loatra ny harena voajanahary.

Nisy fikarohana lalina momba ny tontolo iainana natao nandritra ny efa-taona. Manam-pahaizana maherin’ny 1 360 avy amin’ny firenena 95 no nandray anjara tamin’izy io. Tamin’ny 2005 no navoakan’ny Firenena Mikambana ny vokatr’ilay fikarohana, ary nahitana izao fampitandremana tsy miolakolaka izao: “Miantehitra be loatra amin’ny natiora ny olona amin’ireo zavatra ataony, hany ka tsy azo antoka intsony raha mbola hahavita hamelona ny taranaka fara mandimby ny tontolo iainana.” Voalaza tao koa fa misy “fiovana goavana ilaina hatao eo amin’ny paikady harahina sy ny rafitra hajoro ary ny fahazaran’ny olona”, raha te hisoroka loza isika. “Mbola tsy natomboka anefa ireo fiovana ireo.”

Nanisy resaka momba ny hevitra mihamahazo vahana eo amin’ireo mpikaroka i Anna Tibaijuka, talen’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana Momba ny Toeram-ponenana. Hoy izy: “Hoavy mampihorohoro no miandry antsika, raha mbola mitohy izao fanaontsika izao.”

Antony mahabe fanantenana

Mino koa ny Vavolombelon’i Jehovah, mpamoaka an’ity gazety ity, fa tsy ho ela dia hisy fiovana lehibe eto an-tany. Resy lahatra anefa izy ireo fa tsy hitondra hoavy mampihorohoro izany zavatra hitranga izany. Vao mainka kosa aza izany hitondra toe-piainana lavorary mbola tsy nisy hatramin’izay. Nahoana izy ireo no be fanantenana toy izany? Satria mino ny fampanantenana ao amin’ny Baiboly izy ireo. Izao ny iray amin’izany: “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; handinika ny fonenany hianao, fa tsy ho hita izy. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.”—Salamo 37:10, 11.

Nofinofy fotsiny ve izany? Alohan’ny hamaliana io fanontaniana io, dia diniho tsara izao: Efa nolazain’ny Baiboly an’arivony taona mialoha, ny maro amin’ireo olana lehibe mianjady amin’ny tany sy ny olombelona. Vakio ireo andinin-teny voatonona ao amin’ny lahatsoratra manaraka, ary ampitahao amin’ny zava-mitranga eran-tany. Raha manao izany ianao, dia vao mainka hatoky fa marina ny voalazan’ny Baiboly momba ny hoavy.