Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misy ‘Mahasaraka Antsika Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra’ Ve?

Misy ‘Mahasaraka Antsika Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra’ Ve?

Manatòna An’Andriamanitra

Misy ‘Mahasaraka Antsika Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra’ Ve?

Romanina 8:38, 39

MILA fitiavana isika rehetra. Faly erỳ isika rehefa mahatsapa fa tian’ny mpianakavintsika sy ny namantsika. Mampalahelo anefa fa mora rava ny fifankatiavan’olombelona. Mety handratra ny fontsika, na handao antsika, na hanilika antsika mihitsy aza ny olona tiantsika. Tsy miova mihitsy kosa ny fitiavan’i Jehovah Andriamanitra ny mpanompony. Mahafinaritra ny fomba ilazan’ny Romanina 8:38, 39 an’izany.

Hoy ny apostoly Paoly ao: “Matoky aho fa ... tsy hisy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra.” Nampiasa ilay teny hoe “antsika” izy, mba hampisehoana fa tsy ny tenany ihany no resahiny fa ny mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika rehetra koa. Nanamafy ny teniny izy, ka nitanisa zavatra maromaro tsy hahasakana an’i Jehovah tsy ho tia ny mpanompony.

“Na fahafatesana, na fiainana.” Tian’i Jehovah foana ny mpanompony na maty aza. Tsy hadinony mihitsy izy ireny, ary hatsangany amin’ny maty ao amin’ilay tontolo vaovao ho avy, izay hanjakan’ny fahamarinana. (Jaona 5:28, 29; Apokalypsy 21:3, 4) Tsy miova ny fitiavany ny mpanompony tsy mivadika, na inona na inona mihatra amin’izy ireo eto amin’ity tontolo ity.

“Na anjely, na fitondram-panjakana.” Mora miova ny olona rehefa mandresy lahatra azy ny olona mahery noho izy na ny manam-pahefana. Tsy mba toy izany anefa i Jehovah. Tsy maharesy lahatra azy tsy ho tia ny mpanompony ny anjely mahery, toa an’i Satana. (Apokalypsy 12:10) Mety hotoherin’ny fitondram-panjakana koa ny tena Kristianina, nefa tsy hampiova ny fitiavan’Andriamanitra azy ireo izany.—1 Korintianina 4:13.

“Na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy.” Tsy lefin’ny fotoana ny fitiavan’Andriamanitra. Na inona na inona mety hitranga amin’ny mpanompony, na ankehitriny na amin’ny hoavy, dia tsy hahasakana an’Andriamanitra tsy ho tia azy ireo.

“Na hery.” Niresaka momba ny “anjely” sy ny “fitondram-panjakana” i Paoly tetsy aloha. “Hery” kosa no resahiny eto. Manana heviny maro ilay teny grika ampiasainy eo. Na inona na inona anefa tena heviny, dia azo antoka fa tsy misy hery, na any an-danitra na eto an-tany, mahasakana an’i Jehovah tsy ho tia ny vahoakany.

“Na ny ambony, na ny ambany.” Tian’i Jehovah foana ny vahoakany, na mandeha tsara ny fiainan’izy ireo na tsia.

“Na zavaboary hafa.” Manondro ny zavaboary rehetra izany. Te hilaza i Paoly fa tsy misy na inona na inona mihitsy mahasakana an’i Jehovah tsy ho tia ny mpanompony tsy mivadika.

Mety hiova na hihena ny fitiavan’olombelona. Tsy miova kosa fa ho mandrakizay ny fitiavan’Andriamanitra an’ireo mino sy matoky azy. Azo antoka fa mandrisika antsika hanatona kokoa an’i Jehovah ny fahafantarana izany, sady manosika antsika hanao araka izay fara herintsika mba hampisehoana ny fitiavantsika azy.