Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nandray Lesona avy Tamin’ny Fahadisoany Izy

Nandray Lesona avy Tamin’ny Fahadisoany Izy

Tahafo ny Finoan’izy Ireo

Nandray Lesona avy Tamin’ny Fahadisoany Izy

NISY tabataba be tamin’izay, ary tian’i Jona hijanona ilay izy. Nifofofofo mantsy ny tafio-drivotra, ka nikopaka mafy ireo lay. Nandona mafy ny sisin-tsambo koa ireo onja avo be, ka nidridroka nila hitresaka ny hazo rehetra tamin’ilay sambo. Tsy ireo loatra anefa no tena tian’i Jona hijanona, fa ny antsoantson’ireo tantsambo, izay niady mafy mba tsy hampilentika an’ilay sambo. Fantany mantsy fa ho faty daholo ireo tantsambo ireo noho ny nataony!

Inona no nahatonga an’i Jona hahita loza toy izany? Nanao fahadisoana lehibe tamin’i Jehovah Andriamaniny izy. Fa inona no nataony? Simba tanteraka ve ny fifandraisany tamin’i Jehovah? Ianaran-javatra maro ny valin’ireo. Fantatsika avy amin’ny tantaran’i Jona, ohatra, fa mety hanao fahadisoana na dia ny olona tena manam-pinoana aza, nefa afaka manonitra an’izany izy.

Mpaminany avy any Galilia

Ny zavatra tsy nety nataon’i Jona mazàna no tsaroan’ny olona. Nisy fotoana mantsy tsy nankatoavany, ary mafy loha mihitsy aza izy. Misy zavatra maro tokony ho fantatsika koa anefa momba azy. Tadidio fa nofidin’i Jehovah Andriamanitra ho mpaminany izy. Tsy ho nifidy azy hiantsoroka an’io andraikitra mavesatra io mihitsy i Jehovah, raha tsy azo nitokisana izy na olona tsy marina.

Ahafantaran-javatra kely momba an’i Jona ny 2 Mpanjaka 14:25. Avy any Gata-hefera izy. Efatra kilaometatra avy eo amin’izy io i Nazareta, ilay tanàna nahabe an’i Jesosy Kristy, 800 taona teo ho eo taorian’ny andron’i Jona. * Naminany nandritra ny fotoana nanjakan’i Jeroboama II, mpanjakan’ny foko folon’ny Israely i Jona. Efa ela no maty i Elia mpaminany, ary i Elisa mpandimby azy koa maty tamin’ny fotoana nanjakan’ny rain’i Jeroboama. Nampiasa an’ireo mpaminany ireo hanafoana ny fivavahana tamin’i Bala i Jehovah, nefa nanompo sampy indray ny Israelita. “Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana” koa ilay mpanjaka nitondra tamin’ny andron’i Jona. (2 Mpanjaka 14:24) Tsy hoe mora na nahafinaritra àry ny asan’i Jona. Novitainy tsara anefa izany.

Nisy zava-dehibe nitranga anefa teo amin’ny fiainan’i Jona, indray andro. Nirahin’i Jehovah hanao asa iray izy, ary noheveriny fa tena sarotra ilay izy. Fa inona no nasain’i Jehovah nataony?

“Mandehana mankany Ninive”

Hoy i Jehovah tamin’i Jona: “Mandehana mankany Ninive, ilay tanàna lehibe, ary ambarao ny fanamelohana azy, fa tafakatra eto anatrehako ny faharatsiany.” (Jona 1:2) Ara-dalàna raha somary nampahatahotra izany, satria 800 kilaometatra any atsinanan’i Gata-hefera no nisy an’i Ninive. Dia an-tongotra iray volana eo ho eo izany. Tsy misy dikany anefa izany raha oharina amin’ilay asa. Nasaina nilaza ny didim-pitsaran’i Jehovah tany Ninive mantsy izy, nefa nalaza ho nahery setra sy loza be ireo Asyrianina tany. Ny vahoakan’Andriamanitra aza moa zara raha nihaino an’i Jona, ka mainka fa ireo mpanompo sampy ireo! Hahavita ny asa nanendrena azy ve io mpanompon’i Jehovah io? Irery mantsy izy, nefa i Ninive sady lehibe no nantsoina hoe “tanàna mpandatsa-dra.”—Nahoma 3:1, 7.

Asa aloha raha tonga tao an-tsain’i Jona izany na tsia. Fantatsika kosa fa nandositra izy. Nasain’i Jehovah nankany atsinanana izy, nefa niankandrefana tany amin’izay farany azony naleha. Nankany Jopa, tanàna nisy seranan-tsambo izy, ary nahita sambo iray ho any Tarsisy. Misy manam-pahaizana milaza fa tany Espaina no nisy an’i Tarsisy. Raha izany no izy, dia nankany amin’ny 3 500 kilaometatra avy eo Ninive i Jona. Mety ho naharitra herintaona ny diany nankany amin’ny faran’ny Ranomasina Lehibe (Mediterane ankehitriny). Tapa-kevitra tsy hanao ny asa nanirahan’i Jehovah azy i Jona!

Saro-tahotra àry ve i Jona? Tsy tokony ho maika hitsara azy isika. Ho hitantsika mantsy fa tena be herim-po izy. Tsy lavorary toa antsika anefa izy, ka nanana kileman-toetra maro. (Salamo 51:5) Iza amintsika no mbola tsy natahotra mihitsy?

Mety hoheverintsika indraindray fa mangataka zavatra toa sarotra amintsika na tsy ho vitantsika mihitsy Andriamanitra. Mety hampahatahotra antsika mihitsy aza ny mitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra, nefa izany no takina amin’ny Kristianina. (Matio 24:14) Mora ny manadino an’ity fahamarinana lehibe nolazain’i Jesosy ity: ‘Hain’Andriamanitra ny zava-drehetra.’ (Marka 10:27) Manadino an’io koa isika indraindray, sa tsy izany? Mety ho azontsika àry hoe nahoana i Jona no nandositra. Inona anefa no vokany rehefa nandositra izy?

Nahitsin’i Jehovah ilay mpaminaniny

Eritrereto hoe iny i Jona miditra ao amin’ilay sambo, angamba sambo fenisianina. Mailaka erỳ ilay kapiteny sy ireo tantsambo hafa mitondra an’ilay sambo mivoaka ny seranana, ary mandinika azy ireo i Jona. Nihalavitra tsikelikely ny morontsiraka, ary tsy tazana intsony. Mety ho nihevitra àry i Jona fa afa-doza. Niova tampoka anefa ny toetrandro.

Nisy tafio-drivotra mafy, ka lasa nahery be ny ranomasina. Avo be ny onja, ka toy ny bitika kely na dia ireo sambo lehibe ankehitriny aza. Hafiriana ilay sambo hazo mora potika no hahatanty ireo onja avo be ireo? Asa raha fantatr’i Jona ilay nosoratany tatỳ aoriana hoe i Jehovah no “nampifofofofo rivotra mahery teny an-dranomasina.” Tsy fantatsika izany. Nanomboka niantso vonjy tamin’ireo andriamaniny anefa ireo tantsambo, ary fantatr’i Jona fa tsy afaka manampy ny andriamani-diso. Hoy i Jona: “Koa nila ho vaky ilay sambo.” (Jona 1:4; Levitikosy 19:4) Ho sahy hivavaka amin’ilay Andriamanitra efa nandosirany ve izy?

Tsy nisy azon’i Jona natao, ka lasa izy natory tany amin’ny lakalin-tsambo. Renoka tanteraka izy tao. * Tazan’ilay kapiteny izy, ka nofohaziny ary nasainy nivavaka tamin’ny andriamaniny koa. Nino ireo tantsambo fa hafahafa ilay tafio-drivotra. Nanao antsapaka àry izy ireo, mba hahitana hoe iza taminy no nahatonga izany. Afaka tsirairay ireo tantsambo, ka azo inoana fa natahotra be i Jona. Tsy ela dia hita ny marina. I Jehovah no nahatonga ilay tafio-drivotra, ary izy koa no nitarika ilay antsapaka mba hanondro an’i Jona!—Jona 1:5-7.

Notantarain’i Jona tamin’ireo tantsambo ny zava-drehetra. Mpanompon’i Jehovah, ilay Andriamanitra mahery indrindra izy. Nandositra an’io Andriamaniny io izy, ary nampahatezitra azy. Izany no nahatonga azy rehetra hiharan-doza. Hitan’i Jona fa nihorohoro ireo tantsambo. Nanontany izy ireo hoe inona no hataony amin’i Jona, mba hanavotana azy rehetra sy ilay sambo. Inona no nolazain’i Jona? Tora-kovitra angamba izy nieritreritra hoe halatsaka ao amin’ilay ranomasina, izay sady nangatsiaka no nisamboaravoara. Dia ho sahiny ve ny hamela an’ireo olona ireo ho faty, nefa fantany fa azony navotana izy ireo? Hoy àry izy: “Batao aho ka atsipazo any an-dranomasina, dia ho tony ny rano. Fantatro mantsy fa noho ny amiko no mahatonga izao tafio-drivotra be arahin’oram-baratra izao.”—Jona 1:12.

Tsy tenin’olona saron-tahotra mihitsy izany! Tsy maintsy ho nahafaly an’i Jehovah ny herim-po sy fahafoizan-tenan’i Jona, tamin’io fotoan-tsarotra io. Hitantsika amin’izany fa tena nanam-pinoana izy. Afaka manahaka azy koa isika ankehitriny, ka izay hahasoa ny hafa aloha no hotadiavintsika. (Jaona 13:34, 35) Manolo-tena hanampy ny olona ve isika raha mila fanampiana ara-nofo na ara-pihetseham-po na ara-panahy izy? Tena mampifaly an’i Jehovah isika, raha manao izany!

Nanohina ny fon’ireo tantsambo koa angamba ny herim-pon’i Jona, satria tsy tonga dia nanaiky izy ireo. Nanao izay ho afany aloha izy ireo mba hiadiana tamin’ilay tafio-drivotra, fa tsy nahomby. Vao mainka nihanahery ilay tafio-drivotra. Tsy afa-nanoatra intsony izy ireo tamin’ny farany. Nangataka famindram-po tamin’i Jehovah Andriamanitr’i Jona àry izy ireo. Nobatainy i Jona avy eo, ary natsipiny tany an-dranomasina.—Jona 1:13-15.

Namindrana fo i Jona ka novonjena

Latsaka tao amin’ireo onja misamboaravoara i Jona. Niady mafy nandritra ny fotoana kelikely angamba izy mba tsy hilentika. Tazany avy tao amin’ireo roatra sy piti-drano fa nanalavitra tsikelikely ilay sambo. Nianjera tany aminy anefa ireo onja mahery, ary nandentika azy. Nilentika izy, dia nilentika ihany, ka tsapany fa tsy nisy azo nantenaina intsony.

Nohazavain’i Jona tatỳ aoriana izay tsapany tamin’io fotoana io. Nisy sary nitamberina vetivety tao an-tsainy. Nalahelo izy fa tsy hahita ny tempoly tsara tarehin’i Jehovah any Jerosalema intsony. Toy ny hoe tafidina hatrany amin’ny fanambanin’ny ranomasina sy tany amin’ny fototr’ireo tendrombohitra izy, ary nisaringotra taminy ny ahidrano. Toa ilay ranomasina no ho fasan’i Jona.—Jona 2:2-6.

Tampoka teo anefa dia nisy zavatra nihetsika teo akaiky teo! Ngeza be sy maintimainty ilay izy, ary mananaina. Nihaodihaody tsy lavitra teo aloha ilay izy, ary nivily tampoka tany amin’i Jona. Nisy vava ngeza be nisokatra ka nitelina an’i Jona!

Izay vao tena ho faty i Jona! Nisy zava-nahagaga anefa. Mbola velona izy! Tsy voatsako izy, na levona toy ny sakafo, na sempotra. Tsy maty izy, na dia efa tao amin’ilay tokony ho lasa fasany aza. Talanjona tamin’izay nitranga i Jona. Azony antoka mantsy fa i Jehovah, ilay Andriamaniny no ‘nandefa trondro ngezabe iray hitelina azy.’ *Jona 1:17.

Nihisatra be ny fotoana, tao amin’ilay haizim-pito mbola tsy nisy toy izany. Nanam-potoana hisaintsainana sy hivavahana tamin’i Jehovah i Jona tao. Ianaran-javatra ilay vavaka nataony, izay voasoratra manontolo ao amin’ny Jona toko faharoa. Hitantsika ao fa nahay tsara ny Soratra Masina izy, satria matetika izy no nanonona ny Salamo. Misy toetra tsarany hafa koa hita ao amin’ilay vavaka, dia ny fankasitrahana. Hoy i Jona: “Izaho kosa hanolotra fisaorana ho anao sady hanao sorona ho anao. Izay voady nataoko dia hefaiko. Avy amin’i Jehovah ny famonjena.”—Jona 2:9.

Nianaran’i Jona fa afaka mamonjy izay tiany i Jehovah, na iza izy na iza, na aiza na aiza misy azy, ary na rahoviana na rahoviana. Hitan’i Jehovah sy novonjeny ilay mpanompony, na dia “tao an-kibon’ilay trondro” aza. (Jona 1:17) I Jehovah irery no afaka miaro ny olona iray tsy ho faty sy ho salama ao an-kibon’ny trondro ngezabe iray, mandritra ny telo andro sy telo alina. Tsara ny hitadidiantsika fa i Jehovah no ‘ilay Andriamanitra iankinan’ny aintsika.’ (Daniela 5:23) Tsy ho niaina isika sady tsy ho nisy raha tsy i Jehovah. Mankasitraka azy ve isika? Tsy tokony hankatò azy àry ve isika, raha izany?

Ahoana ny amin’i Jona? Nahay nankasitraka an’i Jehovah ve izy, ka nankatò azy? Eny! Nanatona ny morontsiraka ilay trondro rehefa afaka telo andro sy telo alina, ary “naloany teo amin’ny tany maina i Jona.” (Jona 2:10) Eritrereto ange e! Tsy nila nilomano akory i Jona, mba hanatonana ny morontsiraka. Marina aloha fa tsy maintsy nitady lalana izy, satria tsy hainy hoe taiza no nisy azy. Tsy ela anefa dia ho hita raha tena nankasitraka tokoa izy. Hoy ny Jona 3:1, 2: “Ary tonga fanindroany tamin’i Jona ny tenin’i Jehovah hoe: ‘Mitsangàna, ka mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe, ary torio aminy ny fanamelohana holazaiko aminao.’ ” Inona no nataony?

Tsy nisalasala izy. Hoy ny Baiboly: “Dia nitsangana i Jona ka nankany Ninive, araka ny tenin’i Jehovah.” (Jona 3:3) Nankatò àry izy. Tena nandray lesona avy tamin’ny fahadisoany izy. Tokony hanahaka an’i Jona koa isika amin’izany lafiny izany. Mpanota avokoa isika rehetra, ka manao fahadisoana. (Romanina 3:23) Tsy te hiezaka intsony ve anefa isika rehefa nanao fahadisoana, sa mandray lesona avy amin’izany, ka miezaka manompo sy mankatò an’Andriamanitra?

Namaly soa an’i Jona ve i Jehovah, noho izy nankatò? Eny. Reny tatỳ aoriana, fa tsy nisy naninona ireo tantsambo. Nitsahatra avy hatrany mantsy ilay tafio-drivotra, rehefa nanaiky hatsipy tany anaty rano i Jona. “Natahotra mafy an’i Jehovah” ireo tantsambo ka nanao sorona ho Azy, fa tsy ho an’ireo andriamani-diso.—Jona 1:15, 16.

Nahazo valisoa lehibe kokoa noho izany anefa izy, tatỳ aoriana. Io fotoana nijanonan’i Jona tao amin’ilay trondro be io no nalain’i Jesosy ho ohatra, mba hilazana mialoha ny fotoana hijanonany ao am-pasana. (Matio 12:38-40) Ho faly tokoa i Jona handre an’izany, rehefa hatsangana amin’ny maty eto an-tany izy! (Jaona 5:28, 29) Maniry hitahy anao koa i Jehovah. Handray lesona avy amin’ny fahadisoanao ve ianao, toa an’i Jona, ka hankatò sady hahafoy tena ho an’ny hafa?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Mariho fa avy any amin’ny faritr’i Galilia i Jona. Niteny an’avona toy izao momba an’i Jesosy mantsy ny Fariseo: “Diniho dia ho hitanao fa tsy misy mpaminany avy any Galilia.” (Jaona 7:52) Mpandika teny sy mpikaroka maro no mihevitra fa filazana ankapobeny no nataon’ny Fariseo tamin’ny hoe ‘mbola tsy nisy mpaminany mihitsy avy ao amin’ny tanàna kelin’i Galilia.’ Tsy nahalala ny tantara sy ny faminaniana àry ireo Fariseo.—Isaia 9:1, 2.

^ feh. 17 Milaza ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo fa natory be i Jona, ary niesona mihitsy aza. Tsy tokony hihevitra anefa isika hoe tsy niraharaha ny hafa izy, rehefa lasa natory. Tokony hotsaroantsika kosa fa te hatory ny olona indraindray, rehefa kivy. “Rendremana noho ny alahelo”, ohatra, i Petera sy Jakoba ary Jaona, tao amin’ny zaridainan’i Getsemane, nandritra ilay fotoana nangidy indrindra tamin’i Jesosy.—Lioka 22:45.

^ feh. 25 Rehefa nadika ho amin’ny teny grika ilay teny hebreo hoe “trondro”, dia natao hoe “biby goavam-be any an-dranomasina.” Tsy fantatra mazava hoe inona io hazandrano io. Voamarika anefa fa misy antsantsa lehibe afaka mitelina olona iray manontolo, ao amin’ny Ranomasina Mediterane. Mbola misy karazana antsantsa lehibe noho izany aza any amin’ny ranomasina hafa, ka mahatratra 15 metatra na mihoatra!

[Efajoro/Sary, pejy 29]

Misy Mitsikera ny Bokin’i Jona

▪ Tena nitranga ve izay rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’i Jona? Efa notsikeraina hatramin’ny ela io boky io. Misy mitsikera koa ny Baiboly ankehitriny, ary matetika ny bokin’i Jona no heverina fa angano, na tantara noforonina. Nilaza ny mpanoratra iray tamin’ny taonjato faha-19, fa nisy mpitondra fivavahana niteny hoe: ‘Fanoharana hafahafa ny tantaran’i Jona sy ilay trondro be. Nipetraka tao amin’ny hotely iray nantsoina hoe Trozona izy. Tsy nahaloa ny saran’ny hotely intsony izy, ka voaroaka. Izany no dikan’ilay hoe “natelin’ny” trozona izy ary avy eo “naloany”!’ Te hilaza ireo mpitsikera ny Baiboly fa tsy nisy mihitsy izany Jona izany. Toa ry zareo indray no te hitelina an’i Jona!

Nahoana no maro no tsy mino ny bokin’i Jona? Satria miresaka fahagagana izy io. Mpitsikera maro no manizingizina fa tsy hitranga mihitsy ny fahagagana. Marina ve izany? Apetraho aminao izao fanontaniana izao: ‘Inoako ve ireo teny voalohany ao amin’ny Baiboly?’ Izao no voalaza ao: “Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.” (Genesisy 1:1) Olona misaina tsara an-tapitrisany eran-tany no manaiky an’io fahamarinana tsotra io. Sarotra kokoa anefa ny fahagagana ao ambadik’ireo teny ireo, raha oharina amin’ny fahagagana hafa rehetra ao amin’ny Baiboly.

Diniho izao: Inona amin’izay voalaza ao amin’ny bokin’i Jona no sarotra amin’Ilay namorona ny lanitra feno kintana sy ireo zava-miaina mahatalanjona etỳ an-tany? Ny mamorona tafio-drivotra ve? Sa ny maniraka trondro be mba hitelina olona? Sa ny mibaiko an’io trondro io mba handoa an’ilay olona indray? Tsotra kely izany ho an’Ilay manana hery tsy voafetra.—Isaia 40:26.

Misy zava-mahagaga indraindray, na dia tsy avy amin’Andriamanitra aza. Voalaza, ohatra, fa nianjera avy teny ambony sambo ny tantsambo iray, tamin’ny 1758, ary latsaka tao amin’ny Ranomasina Mediterane. Natelin’ny antsantsa izy avy eo. Notifirina tamin’ny tafondro anefa ilay antsantsa, ka voa, ary naloany ilay tantsambo. Velona izy nivoaka tao, fa naratra kely fotsiny. Mety hilaza isika hoe miavaka na mahavariana io tantara io, fa tsy fahagagana. Tsy mahavita mihoatra noho izany ve Andriamanitra raha mampiasa ny heriny?

Misy koa manizingizina fa tsy misy olona afaka mijanona ao anaty trondro mandritra ny telo andro, ka tsy ho sempotra. Kinga saina anefa ny olona, ka afaka namorona fitaovana misy rivotra ahafahana miaina elaela ao anaty rano. Tsy afaka mampiasa ny heriny tsy manam-petra koa ve Andriamanitra, mba hahavelona an’i Jona sy tsy hahasempotra azy mandritra ny telo andro? Hoy ny anjelin’i Jehovah tamin’i Maria, renin’i Jesosy: ‘Tsy hisy tsy ho tanteraka izay lazain’Andriamanitra.’—Lioka 1:37.

Inona koa no manaporofo fa marina ny bokin’i Jona? Resahin’i Jona amin’ny an-tsipiriany sy araka ny marina tsara ny momba ilay sambo sy ireo tantsambo. Hitantsika ao amin’ny Jona 1:5, ohatra, fa nanipy entana tany an-dranomasina ireo tantsambo, mba hanamaivanana azy io. Milaza ireo mpahay tantara fahiny sy ny lalàn’ny raby jiosy fa fanaon’ny tantsambo izany, rehefa ratsy ny toetrandro. Hamarinin’ny tantara sy ny zavatra hita tany ambanin’ny tany koa fa marina izay nolazain’i Jona momba an’i Ninive. Izao anefa no porofo lehibe indrindra: Niresaka momba ireo telo andro nijanonan’i Jona tao an-kibon’ilay trondro be i Jesosy, mba hilazana mialoha ny fotoana hijanonany ao am-pasana. (Matio 12:38-40) I Jesosy mihitsy àry no nanaporofo fa marina ny tantaran’i Jona.

‘Tsy hisy tsy ho tanteraka izay lazain’Andriamanitra.’—LIOKA 1:37

[Sary, pejy 26]

Nasain’i Jona nanipy azy tany an-dranomasina ireo tantsambo