Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Faly Izahay Manasa Anao

Faly Izahay Manasa Anao

EFA nandalo teo akaikin’ny Efitranon’ny Fanjakan’Andriamanitra, ivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah angamba ianao. Mety ho nanontany ianao hoe inona no atao ao. Fantatrao ve fa azon’ny rehetra atrehina ny fivoriana isan-kerinandro ataon’izy ireo? Horaisina tsara ianao raha tonga ao.

Mety hanontany anefa ianao hoe: Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no miara-mivory? Inona no ataony amin’izany? Inona no nolazain’ireo tsy Vavolombelon’i Jehovah efa nanatrika an’ireny fivoriana ireny?

“Vorio ny vahoaka”

Efa nisy hatry ny ela ny olona niara-nivory mba hivavaka amin’Andriamanitra sy hianatra momba azy. Nilazana toy izao ny Israelita, efa ho 3 500 taona lasa izay: “Vorio ny vahoaka, dia ny lehilahy sy ny vehivavy sy ny ankizy madinika ary ny vahiny monina ao an-tanànanao, mba hihainoany sy hianarany, satria tokony hatahotra an’i Jehovah Andriamanitrareo izy, ary tokony hitandrina mba hanaraka an’izay rehetra voalazan’ity lalàna ity.” (Deoteronomia 31:12) Nampianarina hanompo an’i Jehovah sy hankatò azy àry ny olon-dehibe sy ny ankizy, teo amin’ny Israely.

Rehefa niforona ny fiangonana kristianina, taonjato maro tatỳ aoriana, dia mbola zava-dehibe tamin’ny fivavahana marina ihany ny fivoriana. Hoy ny apostoly Paoly: “Aoka koa isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, toy ny sasany izay efa zatra tsy mivory, fa hifampahery kosa.” (Hebreo 10:24, 25) Mifankatia kokoa ny mpianakavy rehefa miara-manao zavatra. Toy izany koa fa mifankatia kokoa ireo mpanompon’Andriamanitra, rehefa miara-mivory.

Manahaka an’ireo ohatra ao amin’ny Soratra Masina ireo ny Vavolombelon’i Jehovah, ka miara-mivory in-droa isan-kerinandro any amin’ny Efitrano Fanjakana. Manampy ny mpanatrika hahafantatra sy hankasitraka ary hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly ny fivoriana. Saiky mitovy daholo ny fandaharam-pivoriana eran-tany. Samy manana ny zava-kendreny ny fivoriana tsirairay. ‘Mifampahery’ ny mpanatrika rehefa mifampiresaka aloha sy aorian’ny fivoriana. (Romanina 1:12) Inona no atao mandritra ny fivoriana tsirairay?

Lahateny ara-baiboly

Misy lahateny ara-baiboly ho an’ny besinimaro isaky ny faran’ny herinandro. Izy io mazàna no fivoriana voalohany atrehin’ny olona. Matetika i Jesosy Kristy no nanao lahateny ho an’ny besinimaro. Anisan’izany ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. (Matio 5:1; 7:28, 29) Nandaha-teny tamin’ireo Atenianina koa ny apostoly Paoly. (Asan’ny Apostoly 17:22-34) Manahaka an’i Jesosy sy Paoly ny Vavolombelon’i Jehovah ka manao lahateny ho an’ny rehetra, anisan’izany ireo sambany vao manatrika fivoriana.

Atomboka amin’ny hira avy ao amin’ilay boky hoe Mihirà Fiderana ho An’i Jehovah * ilay fivoriana. Afaka mitsangana sy mihira izay te hanao izany. Misy vavaka fohy avy eo, ary manao lahateny maharitra 30 minitra ny mpandahateny mahay iray. (Jereo ilay efajoro hoe “ Lahateny Mahasoa ho An’ny Besinimaro.”) Ny Baiboly no hazavainy mandritra izany. Matetika izy no manasa ny mpanatrika hijery ireo andinin-teny sy hanaraka ny famakiana izany. Azonao entina àry ny Baibolinao, na mangataha Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray, alohan’ny fivoriana.

Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana

Misy Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana aorian’ny lahateny ho an’ny besinimaro, any amin’ny ankamaroan’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Loha hevitra ara-baiboly iray no iaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny, mandritra ny adiny iray. Mandrisika ny mpanatrika io fivoriana io, mba hanahaka an’ireo Berianina tamin’ny andron’i Paoly. “Nazoto nandray ny teny [mantsy] izy ireo, ka nandinika tsara ny Soratra Masina.”—Asan’ny Apostoly 17:11.

Atomboka amin’ny hira ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Efa ao amin’ilay gazety hianarana ny fanazavana hodinihina sy ny fanontaniana. Azonao angatahina amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay gazety. Ireto misy loha hevitra efa nodinihina: “Ry Ray Aman-dreny, Tezao Amim-pitiavana ny Zanakareo”, “Aza Mamaly Ratsy ny Ratsy”, “Inona no Porofo fa Hifarana Tsy ho Ela ny Fijaliana Rehetra?” Marina fa misy fanontaniana sy valiny amin’ilay fianarana. Tsy terena hanome valin-teny anefa ny mpanatrika. Ireo efa namaky mialoha an’ilay lahatsoratra sy ny andinin-teny ao anatiny mazàna no mamaly. Faranana amin’ny hira sy vavaka ilay fivoriana.—Matio 26:30; Efesianina 5:19.

Fianarana Baiboly Ataon’ny Fiangonana

Misy fivoriana iray hafa koa ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny Efitrano Fanjakana, isan-kerinandro. Amin’ny hariva izy io no atao. Maharitra adiny roa latsaka fahefany ilay izy, ary misy fizarana telo. Ny Fianarana Baiboly Ataon’ny Fiangonana no fizarana voalohany, izay maharitra 25 minitra. Manampy ny mpanatrika izy io, mba hahafantaran’izy ireo tsara kokoa ny Baiboly, hanitsiany ny eritreriny sy ny toe-tsainy, ary hanatsarany ny toetrany. (2 Timoty 3:16, 17) Misy fanontaniana sy valiny izy io, toy ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana ihany. Tsy terena hanome valin-teny koa ny mpanatrika. Boky na bokikely navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah no ianarana amin’izany.

Nahoana izy ireo no mampiasa boky ara-baiboly? Satria tsy ampy fotsiny ny mamaky ny Tenin’Andriamanitra. Na taloha aza, dia ‘novelabelarina sy nohazavaina ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra’, ary natao “azon’ny olona tsara izay novakina.” (Nehemia 8:8) Tsy ela izay, dia ireo boky manazava ny Isaia sy Daniela ary Apokalypsy no nodinihina. Nanjary azon’ny mpanatrika ny hevitr’ireo faminaniana ireo.

Sekolin’ny Fanompoana

Ny Sekolin’ny Fanompoana no fizarana faharoa. Maharitra 30 minitra izy io, ary natao hanampiana ny Kristianina “hahay hampianatra.” (2 Timoty 4:2) Efa mba nanontany anao momba an’Andriamanitra na ny Baiboly ve ny zanakao na ny namanao, ary tsy hitanao izay havaly azy? Mampianatra anao hamaly fanontaniana sarotra amin’ny alalan’ny Baiboly ny Sekolin’ny Fanompoana. Afaka milaza toa an’i Isaia mpaminany àry isika hoe: “I Jehovah Tompo Fara Tampony no nanome ahy ny lelan’ny efa nampianarina, mba hahafantarako izay tokony holazaina amin’ny olona reraka.”—Isaia 50:4.

Misy ampahany amin’ny Baiboly efa nasaina novakin’ny mpanatrika nandritra ny herinandro. Lahateny mifandray amin’izany no anombohana ny Sekolin’ny Fanompoana. Asaina milaza vetivety izay nahasoa azy tao amin’ireo toko novakina ny mpanatrika, aorian’ilay lahateny. Rehefa vita ilay dinidinika, dia mamelabelatra ny loha hevitra efa nomena azy, ireo mpianatra nisoratra anarana tamin’ilay sekoly.

Famakiana Baiboly na fampisehoana fomba fampianatra foto-kevitra ara-baiboly no asaina ataon’ireo mpianatra eny amin’ny lampihazo. Midera ny zavatra tsara nataon’ny mpianatra ny mpanome torohevitra mahay, aorian’ny anjara tsirairay. Avy ao amin’ilay boky Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ny toroheviny. Lazainy mitokana amin’ilay mpianatra kosa izay tokony hohatsarainy, aorian’ny fivoriana.

Tsy natao ho an’ireo mpianatra ihany io sekoly io fa natao koa ho an’ny mpanatrika rehetra, izay te hahay hiteny sy hamaky teny tsara ary hahay hampianatra. Aorian’io fandaharana io, dia misy hira iray mifandray amin’ny andinin-teny mampiditra ny Fivoriana momba ny Fanompoana.

Fivoriana Momba ny Fanompoana

Ny Fivoriana Momba ny Fanompoana no fizarana farany. Mety ho lahateny, fampisehoana, fanadinadinana, na fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika izy io. Natao hampiofanana ny mpanatrika hahay hampianatra Baiboly izy io. Namory ny mpianany i Jesosy ary nanome azy toromarika tamin’ny an-tsipiriany, talohan’ny nanirahany azy hitory. (Lioka 10:1-16) Nahita vokatra izy ireo, rehefa nampiofanina tsara toy izany. Notantarain’izy ireo an’i Jesosy izay nitranga, tatỳ aoriana. (Lioka 10:17) Matetika koa ireo mpianatr’i Jesosy no nifampitantara ny zavatra hitany teny amin’ny fanompoana.—Asan’ny Apostoly 4:23; 15:4.

Maharitra 35 minitra ny Fivoriana Momba ny Fanompoana. Hita ao amin’ilay gazetikely mivoaka isam-bolana hoe Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ny fandaharana amin’izy io. Ireto misy loha hevitra efa nodinihina: “Fianakaviana Miara-manompo An’i Jehovah”, “Nahoana Isika no Miverimberina?”, “Tahafo i Kristy Rehefa Manompo.” Faranana amin’ny hira ilay fandaharana, ary misy solontena iray asaina mivavaka.

Inona no nolazain’ireo olona tonga nivory?

Iezahan’ny fiangonana raisina tsara ny olona. Nahare zavatra ratsy maro momba ny Vavolombelon’i Jehovah, ohatra, i Andrew. Gaga anefa izy rehefa nivory voalohany, satria noraisina tsara. Hoy izy: “Tena nahafinaritra tany. Sariaka sy tsara fanahy tamiko ny olona.” Hoy koa i Ashel, tovovavy any Kanada: “Tena nahaliana ilay fivoriana sady mora azo!”

Nalaza ho nahery setra i José, any Brezila. Nasaina hivory tany amin’ny Efitrano Fanjakana anefa izy. Hoy izy: “Nandray tsara ahy ny olona tany, na dia fantany aza ny toetrako.” Izao koa no tsaroan’i Atsushi, any Japon: “Tsoriko fa somary tsy azoko ny aiko, tamin’izaho nivory voalohany niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hitako anefa fa tsy olona hafahafa ry zareo. Nataon’izy ireo izay tsy hahasaikatra ahy.”

Horaisina tsara koa ianao

Hita avy amin’ireo teny ireo, fa handray soa ianao raha manatrika fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana. Hianatra momba an’i Jehovah Andriamanitra ianao, ary hampianatra anao ‘hahita soa’ izy, amin’ny alalan’ireo toromarika ara-baiboly omeny any am-pivoriana.—Isaia 48:17.

Tsy misy vidim-pidirana na fanantazan-drakitra ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Te hanatrika fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana ve ianao? Faly izahay mandray anao.

^ feh. 10 Boky navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah daholo no voaresaka ato amin’ity lahatsoratra ity.