Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampianaro ny Zanakao

Nifidy ny Hanao ny Tsara i Josia

Nifidy ny Hanao ny Tsara i Josia

SAROTRA ve ny manao ny tsara, araka ny hevitrao? *... Raha eny, dia tsy ianao irery no mihevitra toy izany. Sarotra ny manao ny tsara na dia amin’ny olon-dehibe aza. Andeha hojerentsika hoe nahoana no sarotra tamin’i Josia ny nanao ny tsara. Fantatrao ve i Josia?...

Zanak’i Amona, mpanjakan’ny Joda i Josia. Vao 16 taona i Amona no niteraka azy. Ratsy fanahy i Amona, toa an’i Manase rainy ihany. Mpanjaka tena ratsy fanahy nandritra ny taona maro i Manase. Nosamborin’ny Asyrianina izy, tatỳ aoriana, ka nentiny ho babo tany an-tany lavitra, tany Babylona. Nifona tamin’i Jehovah anefa izy tany am-pigadrana, ka navelan’i Jehovah ny helony.

Nody tany Jerosalema i Manase rehefa nafahana, ka lasa mpanjaka indray. Nanao zavatra avy hatrany izy mba hanitsiana ireo zava-dratsy nataony taloha, ary nampiany hanompo an’i Jehovah ny vahoaka. Tsy maintsy ho nalahelo be izy rehefa tsy nanao ny tsara toa azy i Amona zanany. Tamin’izany fotoana izany no teraka i Josia. Tsy lazain’ny Baiboly raha nifanerasera matetika i Manase sy Josia zafikeliny na tsia. Mety ho nanampy an’i Josia hanompo an’i Jehovah ve anefa izy, araka ny hevitrao?...

Vao enin-taona i Josia, dia maty i Manase ary i Amona rainy no lasa mpanjaka. Novonoin’ny mpanompony anefa i Amona raha vao nanjaka roa taona monja. Valo taona àry i Josia dia efa lasa mpanjakan’ny Joda. (2 Tantara, toko 33) Inona izao no hataon’i Josia? Hifidy ny hanao ratsy toa an’i Amona rainy ve izy, sa hanao ny tsara toa an’i Manase dadabeny?...

Nifidy ny hanompo an’i Jehovah i Josia na dia mbola kely aza. Olona tia an’i Jehovah àry no nankatoaviny fa tsy ireo naman’ny dadany. Vao valo taona izy, nefa fantany fa tsara ny mihaino ny olona tia an’i Jehovah. (2 Tantara 34:1, 2) Tianao ve ny hahafantatra an’ireo olona nanoro hevitra an’i Josia sy nanome ohatra tsara ho azy?...

Anisan’ny ohatra tsara ho an’i Josia i Zefania mpaminany. Havan-dry Josia izy satria taranak’i Hezekia, mpanjaka tsara fanahy. Dadan’i Manase io Hezekia io. Nosoratan’i Zefania nandritra ireo taona voalohandohany nanjakan’i Josia ilay boky ao amin’ny Baiboly mitondra ny anarany. Nampitandrina i Zefania fa hisy loza hanjo an’izay tsy mifidy ny hanao ny tsara. Tena nihaino tsara an’izany fampitandremana izany i Josia.

Efa renao koa angamba ny momba an’i Jeremia. Ankizy niara-lehibe izy sy Josia. Nomen’i Jehovah fanahy masina i Jeremia, tatỳ aoriana, ka afaka nanoratra an’ilay boky ao amin’ny Baiboly mitondra ny anarany. Nanaovan’i Jeremia hira fisaonana i Josia rehefa maty an’ady, satria nalahelo mafy azy izy. (2 Tantara 35:25) Azo antoka fa nifampahery izy roa lahy mba tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy!

Ahoana no mety ho nanampian’i Zefania sy Jeremia an’i Josia hanao ny tsara?

Inona àry no azonao ianarana avy amin’i Josia?... Raha tsy manompo an’i Jehovah toy ny dadan’i Josia ny dadanao, misy olon-kafa afaka manampy anao hianatra momba an’Andriamanitra ve? Mety ho ny mamanao izany, na ny dadabenao, na ny bebenao, na ny havanao hafa. Na koa mety hisy mpanompon’i Jehovah asain’ny mamanao hiara-mianatra ny Baiboly aminao.

Na ahoana na ahoana, dia tadidio fa mbola kely i Josia nefa efa fantany fa olona manompo an’i Jehovah no tokony ho namany. Enga anie ianao ka hifidy ny hanao ny tsara toa an’i Josia!

^ feh. 3 Raha mamaky miaraka amin’ny ankizy ianao, dia tokony hiato sy hampirisika azy hilaza ny heviny, rehefa mahita teboka telo toy ity.