Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manontany ny Mpamaky

Afaka Mahalala an’Andriamanitra Daholo ve ny Olona?

Afaka Mahalala an’Andriamanitra Daholo ve ny Olona?

Hoy i Jesosy, rehefa nisy nanontany hoe inona no didy lehibe indrindra: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.” (Matio 22:37) Mila mahalala tsara ny marina momba an’Andriamanitra ny olona iray vao afaka ny ho tia azy. (Jaona 17:3) Ho afaka hanana izany fahalalana izany ve anefa ny rehetra?

Ny Baiboly no tena manampy antsika hahalala an’Andriamanitra. (2 Timoty 3:16) Mipetraka any amin’ny faritra mora ahazoana Baiboly ny olona maro, ary matetika no misy manasa azy hianatra Baiboly mba hahalalany ny marina momba an’Andriamanitra. (Matio 28:19) Misy koa manana ray aman-dreny kristianina be fitiavana, mampita izany fahalalana izany aminy isan’andro.—Deoteronomia 6:6, 7; Efesianina 6:4.

Tsy mahafinaritra toy izany anefa ny toe-javatra iainan’ny olona sasany. Misy manana ray aman-dreny mahery setra, izay tsy mba mampiseho fitiavana amin-janany. (2 Timoty 3:1-5) Mety ho sarotra amin’izy ireny ny mihevitra an’Andriamanitra ho toy ny ray be fitiavana. Maro koa no tsy nahita fianarana firy, ka sarotra aminy ny mamaky Baiboly. Ny hafa kosa jamban’ny fampianaran’ny fivavahan-diso, na tsy afaka mianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly satria tsy azo atao izany ao amin’ny faritra misy azy na tsy mamela azy hanao izany ny fianakaviany. (2 Korintianina 4:4) Tsy afaka ny hahalala an’Andriamanitra sy ho tia azy ve ny olona toy ireo?

Niaiky i Jesosy fa tsy mora amin’ny olona sasany ny ho tia sy hankatò an’Andriamanitra noho ny toe-javatra atrehiny. (Matio 19:23, 24) Nampahatsiahy ny mpianany anefa izy hoe na dia toa tsy azo resena aza ny vato misakana sasany, “Andriamanitra” kosa ‘mahay ny zava-drehetra.’—Matio 19:25, 26.

Eritrereto ireto zavatra ireto: Nataon’i Jehovah Andriamanitra izay hahatonga ny Baiboly ho ny boky miely indrindra. Milaza koa ny Baiboly fa hotorina “maneran-tany” ny vaovao tsara momba an’Andriamanitra sy ny fikasany ho an’ny tany. (Matio 24:14) Mitory an’io vaovao tsara io any amin’ny tany maherin’ny 230 izao ny Vavolombelon’i Jehovah, ary mamoaka boky sy gazety ara-baiboly amin’ny fiteny 500 mahery. Afaka miana-javatra betsaka momba an’Andriamanitra koa anefa na dia ireo tsy afaka mamaky Baiboly aza. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fandinihana ny zavaboary noforonin’Andriamanitra.—Romanina 1:20.

Hoy koa ny Tenin’Andriamanitra: “Mandinika ny fo rehetra i Jehovah, ary hitany avokoa ny eritreritra sy ny faniriana. Raha mitady azy ianao, dia hataony izay hahitanao azy.” (1 Tantara 28:9) Tsy nilaza i Jehovah hoe hitovy tanteraka ny fomba ahafantaran’ny olona azy. Manome toky anefa izy fa tsy maintsy hahafantatra azy ny olona tso-po rehetra. Mampanantena aza izy fa ho afaka hahalala momba azy izay olona tsy nahafantatra azy fony fahavelony, rehefa hatsangana amin’ny maty ao amin’ny tontolo vaovao sy marina.—Asan’ny Apostoly 24:15.