Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tsy Mandainga ny Tantara”

“Tsy Mandainga ny Tantara”

Namoaka ilay hajia etsy ankavanana ny Paositra any Estonia, tamin’ny 14 Jona 2007, sady nanao an’izao fanambarana izao: “Natao ho fahatsiarovana an’ireo Estonianina be dia be novonoina tamin’ny andron’i Staline ity hajia ity.” An’aliny mantsy ny Estonianina noterena hiala amin’ny taniny teo anelanelan’ny 1941 sy 1951.

FOMBA fiteny any Estonia sy any an-tany hafa ny hoe: “Tsy mandainga ny tantara.” Midika izy io fa tsy azo ovana ny lasa, fa azo atao kosa ny maka lesona avy amin’izany. Nandinika ny lasa i Solomona Mpanjaka tany Israely fahiny, ka izao no hitany: “Nanjakazaka tamin’ny namany ny olona ka nampiditra loza taminy.”—Mpitoriteny 8:9.

Tena marina mihitsy izany, raha jerena izay nitranga tany Estonia sy tany amin’ny tany sasany any Eoropa Atsinanana, am-polony taona lasa izay. Nampijaly olona tsy manan-tsiny be dia be ny fanjakana tany. Notereny fotsiny izao izy ireo hiala tany amin’ny taniny dia hifindra monina any amin’ny tany lavitra be tsy fantany akory. Ny sasany indray nogadrainy mba hanao asa an-terivozona.

Milaza ny mpahay tantara any Estonia fa 46 000 mahery ny olona noterena hiala tany, teo anelanelan’ny 1941 sy 1951. Maro no natao an’izany noho ny antoko politika nisy azy. Ny an’ny sasany indray noho ny firenena niaviany na ny fari-piainany. Ny an’ny Vavolombelon’i Jehovah kosa noho ny fivavahany.

Nenjehina ny mpanompon’i Jehovah

Hoy i Aigi Rahi-Tamm, mpahay tantara, tao amin’ny tatitra navoakan’ny Oniversite any Tartu, tamin’ny 2004: “Nisy Vavolombelon’i Jehovah nosamborina tamin’ny 1948 ka hatramin’ny 1951. Nosamborina koa izay nifandraindray tamin’izy ireo ka 72 no fitambarany. Betsaka lavitra noho izany anefa no noroahin’ny fanjakana hiala amin’ny taniny, tamin’ny 1 Aprily 1951. Tsy tany Estonia sy Letonia ary Litoania ihany izany no nitranga, fa tany Moldavia sy Ukraine andrefana ary Biélorussie koa.”

Maro ny zava-dratsy natao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Estonia talohan’ny 1951. Nosamborina izy ireo, notrerotreronina, nalaina am-bavany, ary nogadraina. Tian’ny mpitondra hofoanana tanteraka ny Vavolombelon’i Jehovah tany Estonia, ka izany no tena antony nandroahana azy ireo.

Misy soratra hoe 1 Aprily 1951 eo amin’ilay hajia voalaza teo aloha. Misy tarehimarika hoe 382 koa eo. Io no isan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny zanak’izy ireo noroahina tamin’io daty io. Anisan’izy io koa ny havany sy mpiray tanàna taminy sasany tsy Vavolombelon’i Jehovah. Nanerana ilay tany manontolo no nisy fisamborana tamin’io andro io. Nafatratra tao anatina vagao fitondrana biby izay voasambotra ny alin’io, na antitra izany na tanora, ary nalefa nankany Siberia avy eo.

Ella Toom

Vavolombelon’i Jehovah i Ella Toom * ary 25 taona izy tamin’izany. Hoy izy: “Nampitahorin’ilay miaramila aho ary norarany tsy hitory intsony.” Tsaroan’i Ella fa nanontaniana an’izao daholo izay voasambotra rehetra tamin’izany: “Mbola te ho velona ve ianao sa te ho faty any Siberia miaraka amin’ny Andriamanitrao?” Mbola sahy nandeha nitory ny vaovao tsara foana anefa i Ella. Nalefa tany Siberia àry izy ary nafindrafindra toby fiasana an-terivozona nandritra ny enin-taona latsaka kely.

An-jatony no noterena hiala tany amin’ny taniny nefa tsy notsaraina akory. Anisan’ireny i Hiisi Lember, tanora Vavolombelon’i Jehovah. Izao no notantarainy momba izay nitranga tamin’ny 1 Aprily 1951: “Tonga tampoka ry zareo tamin’io alina io, dia niteny hoe: ‘Omenay antsasak’adiny ianareo hangoronana ny entanareo!’ ” Nentina nankany amin’ny gara avy eo i Hiisi sy ny zanany vavikely enin-taona. Lamasinina efa kadraoka be no nitondra azy ireo ary nijanonjanona isaky ny gara ilay izy mba haka Vavolombelon’i Jehovah hafa. Hoy ihany izy: “Natao tao anaty vagao fitondrana biby izahay, ary feno taim-biby tao. Soa ihany fa nivaingan’ny hatsiaka ilay taim-biby, fa raha tsy izany asa fotsiny! Natao nifanizina toy ireny biby ireny izahay tao.”

Naharitra tapa-bolana ilay dia ka tena nandreraka be. Nahatsiravina ilay izy satria feno hipoka ireo vagao sady voretra be. Nalam-baraka sy tsy nasiana hasiny mihitsy izahay, na tanora na antitra. Nitomany fotsiny ny sasany ary tsy nety nihinan-kanina. Nifampahery sy nifanampy kosa ny Vavolombelona ka nihira hira fiderana an’i Jehovah. Nifampizara izay sakafo nananany koa izy ireo. Nilazana ry zareo hoe tsy hiverina intsony fa hipetraka mandrakizay any amin’ilay toerana hitondrana azy.

Hiisi Lember sy Maaja, zanany vavy

Tsaroan’i Hiisi fa tena nampahery azy ny mpiray finoana taminy. Hoy izy: “Nisy fotoana ny lamasinina nitondra anay nijanona teo akaikin’ny lamasinina iray avy any Moldavia. Naheno lehilahy nanontany izahay avy eo hoe iza izahay ary handeha ho aiza. Nohazavainay fa Vavolombelon’i Jehovah avy any Estonia izahay, ary tsy fantatray izay toerana hitondrana anay. Nisy Vavolombelon’i Jehovah naheno ny resakay tao amin’ilay lamasinina avy any Moldavia. Nanipazan-dry zareo mofo ngezabe sy paiso avy teo amin’ny lavaka kely tamin’ilay vagao àry izahay.” Hoy ihany i Hiisi: “Fantatray tamin’izay fa hay ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra nanerana ny Firaisana Sovietika mihitsy no natao toa anay.”

Nosarahina tamin’ny mamany nandritra ny enin-taona mahery i Corinna sy Ene zandriny vavy. Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Efa nosamborina ny mamany ka nalefa tany amin’ny toby fiasana an-terivozona. Nalaina an-keriny tao an-tranony koa izy roa vavikely tamin’ny alin’ny 1 Aprily 1951, ary nasesika tao anaty vagao. Hoy i Corinna: “Nisy Vavolombelon’i Jehovah izay niteny taminay hoe afaka mikarakara anay izy. Nanome toky anay izy fa afaka miaraka aminy sy ny zanany mianadahy foana izahay, ary hataony toy ny zanany mihitsy.”

Tonga tany an-tany efitr’i Siberia, faritra mangatsiaka be, izy ireo tamin’ny farany. Nanomboka natao toy ireny andevo amidy ireny ry zareo ny ampitson’iny, ary tsy nasiana hasiny mihitsy. Nisy lehilahy maromaro tonga teo. Nanana tanimboly itambarana ry zareo, ka tonga mba haka olona hiasa ho azy ireo. Hoy i Corinna: “Henonay ry zareo niady hoe: ‘Efa nahazo saoferan’ny trakteranao ianao, fa an’ahy indray ity.’ Nisy indray niteny hoe: ‘Efa naka antitra roa be izao aho, fa tokony mba haka antitra koa ianao.’ ”

Ene sy Corinna, rahavaviny

Hoy i Corinna sy Ene: “Nalahelo be an’i Neny izahay. Te hofihininy mafy erỳ izahay tamin’izany!” Tena natanja-tsaina be anefa izy ireo. Niezaka ny ho tia vazivazy sy hifandray tsara tamin’i Jehovah foana izy ireo. Hoy i Corinna: “Nisy nahatsara azy ihany ny tsy naha teo an’i Neny satria tsy tianay hahita anay nijaly izy. Indraindray mantsy izahay noterena hiasa tany ivelany tamin’ny hatsiaka namirifiry, nefa tsy nanao akanjo mafana akory.”

Marina fa tena niharan’ny tsy rariny ny olona tsy nanan-tsiny tany Estonia sy tany an-toeran-kafa. Anisan’ireny ny Vavolombelon’i Jehovah. (Jereo ny efajoro hoe “Fampijaliana Tsy Mifaditrovana.”) Mbola mafana fo sy falifaly foana anefa izao ny Vavolombelon’i Jehovah any Estonia, na dia nampijalina aza izy ireo tamin’ireny.

Kely sisa dia hahafinaritra be ny fiainana

Manome toky antsika ny Baiboly fa mankahala ny tsy rariny i Jehovah Andriamanitra. Milaza ny Deoteronomia 25:16 hoe “maharikoriko” azy “izay rehetra manao ny tsy marina.” Marina fa nandefitra tamin’ny zava-dratsy Andriamanitra taloha. Tsy ho ela anefa izy dia hanafoana ny tsy rariny sy ny faharatsiana. Hoy ny Salamo 37:10, 11 momba izany: “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy. Handinika an’izay nisy azy ianao, nefa tsy ho eo intsony izy. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.”

Kely sisa dia hahafinaritra be ny fiainantsika. Marina fa tsy afaka manova ny lasa isika. Afaka mitsinjo ny hoavintsika kosa anefa isika. Miezaha àry hifandray amin’Andriamanitra, ary fantaro hoe inona no tokony hatao mba ho eo ianao rehefa hanjaka eto an-tany amin’izay ny rariny.—Isaia 11:9.

^ feh. 10 Ao amin’ny Mifohaza! Aprily 2006, pejy 20-24, ny tantaram-piainan’i Ella Toom.