Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 134

Harena Nankinin’Andriamanitra Taminao ny Zanakao

Harena Nankinin’Andriamanitra Taminao ny Zanakao

(Salamo 127:3-5)

  1. 1. Ianareo, ry ray aman-dreny,

    Nanankinana harena hafakely;

    Dia zaza tiana sy lalaina,

    ’Zay tsy anareo, anareo ’rery.

    Iombonana amin’i Jehovah,

    Sady tsy foiny fa aina sarobidy.

    Koa tezao tsara mba ho hendry,

    Fa valisoa izy io no adidy.

    (FIVERENANA)

    Ny zanaka dia sarobidy,

    Harena soa tsy azo afindra.

    Ampio ho tia an’i Jehovah,

    Izay no lova tsara indrindra.

  2. 2. Ny fitsipik’i Jehovah,

    Aoka horaketinao ao am-po,

    Ary ampianaro isan’andro,

    Resaho na mandry na mifoha.

    F’izay no andrasan’i Jehovah,

    Andraikitra nankininy aminao.

    Ary enga anie ho hendry tsara,

    Ka hotahina ny zanakao!

    (FIVERENANA)

    Ny zanaka dia sarobidy,

    Harena soa tsy azo afindra.

    Ampio ho tia an’i Jehovah,

    Izay no lova tsara indrindra.