Hijery ny anatiny

Efa Voalahatra ve ny Fotoana Ahafatesantsika?

Efa Voalahatra ve ny Fotoana Ahafatesantsika?

Valiny ara-baiboly

 Tsia, tsy voalahatra mialoha ny fotoana ahafatesantsika. Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe misy ny lahatra. Voalaza ao kosa fa matetika no maty ny olona satria “azon-tsampona.”—Mpitoriteny 9:11.

Fa angaha moa ny Baiboly tsy milaza hoe “ao ny andro ahafatesana”?

 Milaza tokoa ny Mpitoriteny 3:2 hoe: “Ao ny andro ahaterahana, ary ao ny andro ahafatesana; ao ny andro ambolena, ary ao ny andro anongotana ny nambolena.” (Fandikan-teny Protestanta) Hita avy amin’ny andinin-teny eo aloha sy ao aorian’io anefa fa miresaka zavatra fahita eo amin’ny fiainana fotsiny ny Baiboly eo. (Mpitoriteny 3:1-8) Tsy mandahatra ny fotoana ambolen’ny mpamboly Andriamanitra. Toy izany koa fa tsy mandahatra ny fotoana ahafatesantsika izy. Ny tian’ilay andininy holazaina àry dia hoe tsy tokony ho variana loatra amin’ny fiainantsika andavanandro isika, ka hanadino ny Mpamorona.—Mpitoriteny 3:11; 12:1, 13.

Afaka ny ho ela velona isika

 Marina fa tsy fantatsika izay havoakan’ny ampitso. Mety ho ela velona kokoa anefa isika raha mahay mitondra ny fiainantsika. ‘Hiaro’ antsika “tsy ho azon’ny fandriky ny fahafatesana” izany. (Ohabolana 13:14) Nilaza tamin’ny Israelita koa i Mosesy fa mety “ho lava andro iainana” izy ireo raha mankatò an’Andriamanitra. (Deoteronomia 6:2) Tsy ho ela velona kosa isika raha manaonao foana na manao zavatra ratsy.—Mpitoriteny 7:17.

 Tsy afa-mandositra an-dRafahafatesana anefa isika, na mitandrina toy inona aza. (Romanina 5:12) Soa ihany fa tsy ho hoatr’izany foana ny fiainana, satria mampanantena ny Baiboly hoe “tsy hisy fahafatesana intsony” indray andro any.—Apokalypsy 21:4.