Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 8

Tonga ny Mesia

Tonga ny Mesia

NISEHO tamin’ny tovovavy virjiny atao hoe Maria ny anjely Gabriela, 500 taona mahery taorian’ny naminanian’i Daniela. Taranak’i Davida Mpanjaka io tovovavy io. Hoy i Gabriela taminy: “Arahaba, ry ilay ankasitrahana indrindra. Jehovah momba anao.” (Lioka 1:28) Natahotra anefa izy. Inona no dikan’izany fiarahaban’i Gabriela izany?

Nilaza tamin’i Maria i Gabriela fa hiteraka ny Mesia izy

“Aza matahotra, ry Maria”, hoy i Gabriela, ‘fa efa nankasitrahan’Andriamanitra ianao. Ary hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy. I Jehovah Andriamanitra hanome azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy. Ary tsy hifarana mihitsy ny fanjakany.’ (Lioka 1:30-33) Tena vaovao tsara izany! I Maria no hiteraka an’ilay Mesia, ilay “taranaka” nandrasana hatry ny ela!

Teraka tany Betlehema i Jesosy, ny taona nanaraka. Nisy mpiandry ondry tany, tamin’ilay alina nahaterahany, ka hoy ny anjely iray tamin’izy ireo: “Hilaza vaovao tsara aminareo aho, dia fifaliana lehibe ... Fa Mpamonjy no teraka ho anareo androany ao an-tanànan’i Davida, dia i Kristy Tompo.” (Lioka 2:10, 11) Inona no nitranga tatỳ aoriana? Nifindra tany Nazareta i Jesosy sy ny fianakaviany, ary tany izy no lehibe.

Lasa mpaminanin’Andriamanitra i Jesosy tamin’ny taona 29, ilay taona tokony hahatongavan’ny Mesia. “Telopolo taona teo ho eo” i Jesosy tamin’izay. (Lioka 3:23) Olona maro no niaiky fa nirahin’Andriamanitra izy. Hoy izy ireo: “Mpaminany lehibe no efa mitsangana eto amintsika.” (Lioka 7:16, 17) Inona anefa no nampianarin’i Jesosy?

Nampianatra ny olona ho tia sy hanompo an’Andriamanitra i Jesosy. Hoy izy: “Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany. Koa tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo sy ny sainao manontolo ary ny herinao manontolo.” (Marka 12:29, 30) Hoy koa izy: “I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.”—Lioka 4:8.

Nampirisika ny olona hifankatia i Jesosy. “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao”, hoy izy. (Marka 12:31) Hoy koa izy: “Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo ... dia mba ataovy aminy koa. Izany, raha ny marina, no tian’ny Lalàna sy ny Mpaminany hambara.”—Matio 7:12.

Nafana fo erỳ izy niresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Hoy izy: ‘Tsy maintsy mitory ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra aho, fa izany no nanirahana ahy.’ (Lioka 4:43) Nahoana no tena zava-dehibe ny Fanjakan’Andriamanitra?

Hazavain’ny Soratra Masina fa fitondram-panjakana any an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra, ary hitondra ny tany izy io. I Jesosy, ilay Mesia, no notendren’Andriamanitra ho Mpanjakan’izy io. Hitan’i Daniela mialoha fa hanome “ny fitondrana sy ny voninahitra ary ny fanjakana” an’io Mesia io Andriamanitra, any an-danitra. (Daniela 7:14) Io Fanjakana io no hanova ny tany ho Paradisa, ary hanome fiainana mandrakizay ho valisoan’ny mpanompon’Andriamanitra. Tena vaovao tsara tokoa izany!