Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 3

Torohevitra Mahasoa

Torohevitra Mahasoa

AOKA hatao hoe misy dokotera vao nifindra eo akaikinareo. Mety hisalasala ny hotsaboiny ianao amin’ny voalohany. Ahoana anefa raha nisy namanao notsaboiny ka tena nihatsara? Tsy hieritreritra ny hanatona an’io dokotera io koa ve ianao?

Azo lazaina hoe toa an’io dokotera io ny Soratra Masina. Misalasala ny handinika azy io ny olona sasany. Tena mihatsara anefa ny fiainany rehefa manaraka ny torohevitra ao izy ireo. Diniho ange ireto ohatra ireto e!

Lasa sambatra am-panambadiana

Hoy ny vehivavy iray atao hoe Sumiatun: “Vao nivady kelikely izahay sy Dumas, dia hitako hoe tsy noraharahainy intsony aho. Sosotra be aho, ka matetika no nivazavaza taminy sy nitoraka azy ary nikasi-tanana azy mihitsy. Safotra mihitsy aho indraindray, rehefa tezitra be.

“Nanomboka nianatra ny Soratra Masina i Dumas, ka nesoesoiko. Nihaino mangingina tao an’efitra ilany anefa aho rehefa nianatra izy. Reko novakina izao andinin-teny izao, indray andro: ‘Aoka ny vehivavy hanaiky ny vadiny, toy ny anekeny ny Tompo ... Aoka ny vehivavy hanaja fatratra ny vadiny.’ (Efesianina 5:22, 33) Nanohina ny foko izany, ka nangata-pamelana tamin’Andriamanitra aho, noho izaho nampijaly ny vadiko. Niangaviako Andriamanitra mba hanampy ahy ho lasa vady tsara. Niara-nianatra ny Soratra Masina izahay sy Dumas, taoriana kelin’izay.”

Dumas sy Sumiatun

Milaza koa ny Soratra Masina fa tokony ho ‘tia ny vadiny tahaka ny tenany’ ny lehilahy. (Efesianina 5:28) Hoy ihany i Sumiatun: “Nanova anay mivady ny nahalala izany rehetra izany. Nanomboka nandroso dite ho an’i Dumas aho isaky ny avy niasa izy. Niezaka ho tsara fanahy koa aho rehefa niresaka taminy. Lasa nampiseho fitiavana tamiko koa i Dumas, sady nanampy ahy tamin’ny raharaha tao an-trano. Niezaka ‘ho tsara fanahy’ izahay, ‘ka hangoraka sy hifamela heloka tanteraka.’ (Efesianina 4:32) Nihanifankatia sy nifanaja izahay. Efa 40 taona mahery izao izahay no manana tokantrano sambatra. Ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra no nanavotra ny tokantranonay!”

Mahafehy fahatezerana

“Nahery setra aho”, hoy i Tayib. “Imbetsaka aho no niady, ary matetika no nambanako basy ny olona. Mpamono vady koa aho, ka nataoko nitsirara tamin’ny tany mihitsy i Kustriyah vadiko rehefa tezitra aho. Natahoran’ny olona aho.

Miara-mivavaka i Kustriyah sy Tayib isan-kariva

“Namaky an’izao tenin’i Jesosy izao aho, indray andro: ‘Omeko didy vaovao ianareo, dia ny mba hifankatiavanareo toy ny nitiavako anareo.’ (Jaona 13:34) Tena nanohina ny foko izany, ka tapa-kevitra aho fa hiova. Rehefa nanomboka ho tezitra aho, dia nivavaka mba ho tony, ka nisinda ny fahatezerako. Narahinay mivady ilay torohevitra ao amin’ny Efesianina 4:26, 27 hoe: ‘Aza avela ho tratran’ny masoandro milentika ny fahatezeranareo, ary aza omena toerana ny Devoly.’ Niara-namaky ny Soratra Masina sy niara-nivavaka izahay isan-kariva. Nampisinda ny sorisory izany, ary nampifankatia anay kokoa.

“Mifandray tsara amin’olona aho izao. Tia sy manaja ahy ny vady aman-janako. Mana-namana betsaka aho, ary mahatsiaro ho akaiky an’Andriamanitra. Tena sambatra aho.”

Tsy nandevozin’ny zava-mahadomelina intsony

Goin

“Anisan’ny andian-jiolahy aho, ary tanora daholo izahay. Mpifoka be sy mamo lava aho, ary nandry an-tatatra matetika”, hoy i Goin. “Nampiasa sy nivarotra zava-mahadomelina koa aho. Nanao akanjo tsy laitran’ny bala aho, ary tao no nafeniko ilay izy. Mody niseho ho mafy be aho, nefa natahotra foana, raha ny marina.

“Nisy nampiseho ahy an’ilay andinin-teny hoe: ‘Anaka, aza manadino ny lalàko, fa ho lava andro sy ho maro taona iainana ianao ary hiadana.’ (Ohabolana 3:1, 2) Tena tiako ny ho ela velona sy hiadana! Izao koa no novakiko: ‘Koa satria nahazo izany fampanantenana izany isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny saina, ka hanao izay hahatonga lafatra ny fahamasinana ao amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.’ (2 Korintianina 7:1) Tsy nikasika zava-mahadomelina intsony àry aho, niala tamin’ilay andian-jiolahy, ary nanompo an’Andriamanitra.

“Efa 17 taona mahery izao no tsy nikasihako zava-mahadomelina. Salama aho, ary sambatra izahay mianakavy. Mana-namana tsara aho, ary milamina ny eritreritro. Tsy mandry an-tatatra intsony aho, fa matory tsara ao am-pandriana isan’alina.”

Tsy manavakavaka intsony

“Mpanao heloka bevava aho tamin’izaho tanora”, hoy i Bambang. “Halako ny olona avy amin’ny foko iray vitsy an’isa, ary ireny no tena nataoko nitondra faisana.

“Nanomboka nitady an’Andriamanitra anefa aho tatỳ aoriana, ka nahita olona maromaro niara-nandinika ny Soratra Masina. Anisan’ilay foko halako ny olona sasany tao, nefa nandray ahy tsara ry zareo! Hitako koa fa tsy nifampihafahafa sy falifaly ny rehetra, na samy hafa foko aza. Gaga aho! Azoko amin’izay ny hevitr’ilay andinin-teny hoe: ‘Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.’—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

“Tsy manavakavaka intsony aho izao. Misy namako be ny olona avy amin’ilay foko halako taloha. Ny Soratra Masina no nampianaran’Andriamanitra ahy ho tia olona.”

Faly i Bambang izao mifandray tsara amin’ny olona hafa foko

Tsy mahery setra intsony

“Intelo nigadra aho tamin’izaho tanora, satria indroa nangalatra, ary indray mandeha koa nanindrona antsy olona”, hoy i Garoga. “Anisan’ny andian’olona mpikomy aho tatỳ aoriana, ka namono olona maro. Lasa lehiben’ny andian-jiolahy aho rehefa nifarana ny ady. Nanana mpiambina manokana aho, ary niaraka tamiko foana izy ireo. Olona nahery setra sy nahavanon-doza aho.

Tsy mahery setra intsony i Garoga. Mampianatra ny Tenin’Andriamanitra izy izao, ary hajain’ny olona

“Nisy an’izao andinin-teny izao novakiko, indray andro: ‘Ny fitiavana mahari-po sy tsara fanahy. Ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady izay hahasoa ny tenany, tsy mora tezitra, tsy mitana lolompo.’ (1 Korintianina 13:4, 5) Nanohina ny foko izany. Nifindra trano aho, ary nianatra ny Soratra Masina sy nanaraka ny torohevitra ao.

“Tsy mahery setra intsony aho izao. Mampianatra ny Soratra Masina aho, ary hajain’ny olona. Tena misy dikany sy mahafa-po ny fiainako.”

Mahery ny Tenin’Andriamanitra

Hita amin’ireo tantara ireo sy ny maro tsy tambo isaina, fa “velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra.” (Hebreo 4:12) Tsotra ny torohevitra ao, nefa tsara sy mahasoa.

Afaka manampy anao koa ny Soratra Masina, na inona na inona olana mahazo anao. “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana, mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.”—2 Timoty 3:16, 17.

Andao handinika fampianarana fototra vitsivitsy ao amin’ny Soratra Masina.