Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Volo Misaotra indrindra anareo, noho ilay lahatsoratra hoe “Manahirana Anao ve ny Volonao?” (8 Aogositra 2002) Enina amby telopolo taona aho. Nanahy aho, satria somary mihintsana sy mihamanify ny voloko. Nohazavain’ilay lahatsoratra fa ara-dalàna raha misy volo mihintsana isan’andro. Tsy dia manahy intsony aho izao. Aza mitsahatra mamoaka lahatsoratra toa an’iny!

V. G., Slovakia

Tena tamin’ny fotoana nilako azy iny lahatsoratra iny. Sorena be aho mantsy, satria nihintsana ny voloko. Nampionona ahy ilay lahatsoratra, indrindra ireo fehezanteny hoe “tsy mieritreritra loatra ny volonao ny olona matetika. Ianao no tena mieritreritra azy.” Nanampy ahy koa ny nahafantatra fa volo 70 ka hatramin’ny 100 isan’andro no mihintsana, na salama aza ny volon’ny olona iray!

E. L., Etazonia

Nahafinaritra ahy iny lahatsoratra iny. Efa 14 taona aho izao no mpikarakara tarehy sy volo. Mitovy amin’ny natoronareo ny fomba ibangoanay ny volo tsy salama. Talanjona aho, satria tena mahay ny olona manoratra ny lahatsoratrareo.

K. K., Japon

Mpamaky ny Mifohaza! aho, ka tena mankasitraka anareo, noho iny lahatsoratra iny. Mbola kely aho dia efa nisy volo fotsy. Nony efa lehibe kokoa aho, dia tena fotsy be daholo ny voloko. Tena nahamenatra ahy ilay izy. Tsy dia mifantoka loatra amin’ny fisehoako ivelany intsony aho izao, noho iny lahatsoratra iny, fa miezaka kosa hanana toetra tian’Andriamanitra.

E. J., Nizeria

Filokana Vao avy novakiko ireo lahatsoratra hoe “Fialam-boly Mahasoa ve ny Filokana?” (8 Septambra 2002) Misaotra an’i Jehovah aho, satria nampiasa anareo izy mba hamoaka iny fanazavana tena ilaina iny. Tena gaga aho namaky an’ireo famantarana ny mpiloka, voatanisa ao. Toy ny hoe niresaka momba ny vadiko mihitsy ianareo! Mampalahelo fa nahatonga azy hanao fahotana lehibe hafa io fahazaran-dratsy io. Toy ny areti-mandoza ny filokana. Enga anie hotadidin’ny rehetra foana fa tsy kilalao tsy mitera-doza izy io.

M. G., Etazonia

Lolo Folo taona aho. Faly be aho namaky ilay lahatsoratra hoe “Fanangonana Vokatra Manana Elatra.” (8 Aogositra 2002) Nasaina niompy lolo izahay tany am-pianarana, tamin’ny herintaona. Nomena fanday iray avy izahay, hokarakarainay. Tsy maintsy nomenay sakafo isan’andro ilay izy, ary nodiovina ny tranony. Nahita fanday efatra niofo aho. Naverinay tany amin’ilay toeram-piompiana lolo izy ireo, rehefa lasa soherina. Nandeha nijery an’ireo lolo foy izahay, tamin’ny lohataona nanaraka. Tiako raha mamoaka lahatsoratra mahafinaritra ohatra an’ireny foana ianareo.

B. P., Alemaina

Nipetraka teo akaikin’ny saha rakotra ahi-maitso iray izahay, tamin’izaho mbola kely, ka nahita lolo be dia be aho teo an-tokotaninay. Nahafinaritra ahy foana ny hatsaran-tarehin’izy ireny. Olon-dehibe aho izao, ary mahita ireo toetran’i Jehovah, rehefa mijery an’ireny biby kely ireny. (Romana 1:20) Azonareo an-tsaina angamba ny hafaliako, rehefa nahita ireo sarin-dolo miloko isan-karazany tao amin’ilay Mifohaza! aho. Misaotra, fa tena tsara ny asanareo.

D. G., Slovakia