Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Arovy ny Zanakao!

Arovy ny Zanakao!

Arovy ny Zanakao!

“Ny ray aman-dreny no tena mila miaro ny zanany tsy ho lasa mpidoroka. Tsy maintsy manome ohatra tsara sy mampianatra ny zanany izy ireo.”—DONNA SHALALA, MINISITRY NY FAHASALAMANA SY NY FANASOAVAM-BAHOAKA ANY ETAZONIA.

AMIN’NY maha ray aman-dreny anao, dia ianao no tompon’andraikitra voalohany amin’ilay ady atao amin’ny zava-mahadomelina. Mampalahelo anefa fa ray aman-dreny maro no tsy tena mahatsapa hoe andraikitra goavana izany. “Sahirana foana i Dadanay”, hoy i Ireneu, tanora brezilianina. “Fotoana fohy ihany no mba iresahany aminay. Tsy nahazo torohevitra momba ny zava-mahadomelina mihitsy izahay.”

Mifanohitra amin’izany kosa ny an’i Alecxandros, tanora brezilianina hafa. Hoy izy: “Antsoin’i Dadanay hijery tele foana izahay mirahalahy avy, rehefa misy fandaharana momba ireo mpidoroka zava-mahadomelina. Asehony anay ny fijalian’ireo mpidoroka. Manararaotra an’ireny fotoana ireny koa izy indraindray, ka manontany anay raha misy ankizy hitanay mampiasa zava-mahadomelina any am-pianarana. Izany no fomba nampitandremany anay momba ny mety ho voka-dratsin’ny zava-mahadomelina.”

Efa noresahinao tamin’ny zanakao ve ny mety ho voka-dratsin’ny zava-mahadomelina? Mba hahafahanao hanao izany, dia mila mianatra aloha ianao. Azon’ny ray aman-dreny kristianina ampiana ny zanany, hahatakatra fa manimba ny fahasalamana ara-panahy ny fampiasana zava-mahadomelina. Ampirisihin’ny Baiboly isika mba hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na ara-bakiteny na ara-panahy. (2 Korintiana 7:1) Mety ho fomba mandaitra azonao iarovana ny zanakao ny fianarana Baiboly tsy tapaka miaraka aminy. *

Namana itokisana

Tena zava-dehibe ny hanaovanao izay hatokisan’ny zanakao anao. Namana ‘mahazatra’ sy itokisan’ireo zanany eto an-tany i Jehovah. (Jeremia 3:4) Ary ianao? Namana itokisan’ny zanakao ve ianao? Tena mihaino ny zanakao ve ianao? Tsy misalasala ve ny zanakao miresaka aminao izay zavatra manahirana azy? Inona no fanaonao matetika, ny manakiana sa ny midera azy? Manokàna fotoana mba hamantarana tsara ny zanakao. Manana namana ve izy? Iza avy no namany? Milaza tokoa mantsy ny Baiboly hoe: “Ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara.” (1 Korintiana 15:33) Aza misalasala mifehy ny zanakao sy mametraka fitsipika hentitra, kanefa ataovy amim-pitiavana izany. Hoy ny Baiboly: “Faizo ny zanakao, dia ho famelombelomana ny fonao izy sy ho fifalian’ny fanahinao.”—Ohabolana 29:17.

Ambonin’izany, dia aza hamaivanina ny loza atrehin’ny zanakao. Tsy miraika ny ray aman-dreny sasany, satria mihevitra izy ireo fa avy amin’ny fianakaviana ambony ny zanany, ka tsy karazan’olona hidoroka zava-mahadomelina. Hoy anefa ny Dr. José Silveira: “Tian’ny mpivarotra rongony ny minamana amin’ny zanaky ny mpanan-karena, satria mety hahazoany vola be izany.” Raha voatarika hampiasa zava-mahadomelina tokoa ny ankizy avy amin’ny fianakaviana ambony, dia matetika no manaraka ny ataony ny tanora hafa.

Aoka àry ianao hijery ny zava-misy. Diniho ireo zavatra ahafantarana raha manomboka manandrana zava-mahadomelina ny zanakao. Ohatra, nanjary nitokantokana tampoka ve izy, na kivy, na masiaka, na tsy azo iaraha-miasa? Nihatakataka tampoka tamin’ireo namany hatramin’izay, na tamin’ny fianakaviana, ve izy? Tokony ho mailo ianao raha izany no mitranga.

Mampalahelo fa na miezaka mafy aza ny ray aman-dreny, dia mbola resin’ny fitaoman-dratsy ihany ny tanora sasany, ka manjary mampiasa zava-mahadomelina. Inona àry no tokony hataonao raha manao izany ny zanakao?

Raha mampiasa zava-mahadomelina ny tanora

Hoy i Ireneu: “Efa nampiasa zava-mahadomelina nandritra ny volana maromaro ny zandriko lahy, vao fantatry ny ray aman-dreniko. Taitra be izy ireo tamin’ny voalohany, satria tsy nampoizin’izy ireo mihitsy hoe hisy amin’ny zanany ho lasa mpidoroka. Nieritreritra i Dada tamin’ny voalohany, fa kapoka mafy ihany no hahafay an’ilay zandriko.”

Ho tezitra sy halahelo ary hahatsiaro hoe tsy nahay nitaiza angamba ny ray aman-dreny, raha vao mahalala fa mampiasa zava-mahadomelina ny zanany. Manoro hevitra toy izao anefa ny boky iray navoakan’ny Minisiteran’ny Fampianarana Amerikanina: “Mitonia aloha! Aza manome tsiny ny tenanao. Tena ilainao izao ny miezaka ho tony [sy] mandinika tsara ny zava-misy. ... Azo atao tsara ny misakana ny olona tsy hampiasa zava-mahadomelina, ary azo tsaboina ireo mpidoroka.”

Aoka ianao ho tsara fanahy sy ho hentitra mba tsy vao mainka hiharatsy ny tarehin-javatra. Mety ho sarotra ny hahatafarina an’ilay zanakao, raha tsy voafehinao ny fahatezeranao na ny alahelonao. Tianao koa ny hanampy ny zanakao ho lasa olona azo itokisana sy mahalala ny tokony hataony. Noho izany, dia manokàna mihitsy fotoana hiresahana amim-pahatsorana amin’ny zanakao, ary miezaha handresy lahatra azy tsikelikely, mba hahitany fa mahasoa ny tsy mikasika zava-mahadomelina. Ametraho fanontaniana izy mba hahalalanao izay ao am-pony, ary henoy tsara izay lazainy.—Ohabolana 20:5.

Nilaza toy izao koa i Ireneu: “Nitady hevitra hafa ny ray aman-dreniko tatỳ aoriana, ka nanomboka nanoro hevitra an’ilay zandriko. Tsy navelan’izy ireo nandeha tany amin’ny toerana sasany izy, ary novany ny fandaharam-potoanany mba tsy ho tafaraka amin’ny mpiara-mianatra mitovy foana izy isan’andro. Noferana koa ny namana iarahany, ary narahi-maso tsara izahay ankizy rehetra.”

Nahavita nanampy ny zanany koa ny ray aman-dreny hafa, raha vao nahafantatra hoe nampiasa zava-mahadomelina ny zanany. Ahoana no nataon’ireny ray aman-dreny ireny?

Fanampiana nandaitra

“Mbola tsy nisy zavatra nanahiran-tsaina anay toy iny mihitsy hatramin’izay”, hoy i Marcelo, lehilahy mipetraka any São Paulo, any Brezila. “Tsy nahatsikaritra fihetsika hafahafa tamin’ireo zanakay mirahalahy mihitsy izahay mivady. Matetika izy ireo no nisakafo tany amin’ny hotely niaraka tamin’ny tanora maromaro, izay natokisanay. Tena taitra izahay rehefa nisy namanay nilaza fa nifoka rongony ireo zanakay roa lahy. Niaiky an’izany tokoa anefa izy ireo rehefa nanontaniana.”

Nanao ahoana ny fihetsik’i Marcelo rehefa nahafantatra izay nataon’ny zanany? “Tsy hainay mivady ny nanafina ny alahelonay”, hoy izy. “Tsy nieritreritra an’ireo zanakay ho olon-dratsy anefa izahay, fa ny fampiasany zava-mahadomelina no tsy tianay. Nifanaraka izahay mivady fa hataonay tanjona ny hanampy ny zanakay hiala amin’ny zava-mahadomelina. Nohazavainay tsara tamin’izy ireo izany fikasanay izany, ka nanaiky hanaraka ny fepetra napetrakay izy roa lahy. Navelanay hanohy ny fianarany sy ny asany ihany izy ireo. Tsy navelanay handeha irery intsony anefa izy ireo. Nasehonay fa tianay izy ireo isan’andro, fa tsy amin’ny fotoana manokana ihany. Mpanao trano no asako, ka nentiko niara-niasa tamiko foana izy ireo raha vao malalaka. Nanjary nahafinaritra kokoa ny fiarahanay, ary nanokana fotoana betsaka kokoa izahay hiresahana momba ny hoavy sy ny tokony hananana tanjona tsara amin’ny fiainana.” Afaka nanampy ny zanany hiala tamin’ny zava-mahadomelina àry i Marcelo sy ny vadiny.

Diniho koa ny zavatra nataon’ny lehilahy brezilianina iray. Mitantara toy izao i Roberto zanany lahy: “Rehefa fantatr’i Dada fa lasa mpidoroka zava-mahadomelina ny zandriko lahy, dia tsy nandevilevy azy izy na nanasazy azy. Niezaka ny ho namany kosa izy, ka nanjary natoky azy ilay zandriko. Nanjary fantany ny naman’ilay zandriko sy ny toerana falehany. Niezaka i Dada nanazava tamin’ilay zandriko fa tsy mahasoa azy ny zava-mahadomelina sy ny namana toy ireny. Nilaza koa i Dada fa raha tsy hita ilay zandriko, dia tsy hahita tory izy amin’ny alina fa tsy maintsy hitady azy.” Tena nanampy koa ilay renim-pianakaviana, mba hanavotana an’ilay tanora nanana zava-manahirana. Niaiky izy mivady fa tsy maintsy mandray andraikitra avy hatrany izy ireo. Nanapa-kevitra izy ireo fa ao an-trano ihany ilay ankizy no hampiana.—Jereo ilay faritra voafefy hoe “Fanampiana Hafa.”

Aza manary toky!

Mety ho sarotra sy hahakivy ny mitaiza zanaka amin’izao “andro mahory” izao. (2 Timoty 3:1) Na izany aza anefa, dia tsy tokony hohamaivaninao ny fihetseham-ponao sy ny fiainanao ara-panahy. (Matio 5:3) Marina tokoa ireto tenin’ny Ohabolana 24:10 ireto: “Raha reraka amin’ny andro fahoriana hianao, dia kely ny herinao.” Tena hahazo hery ianao raha miaraka amin’ireo Kristianina marina. Hahazo fanampiana sy fampaherezana ianao any amin’ireo fivoriana, atao any amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah.—Hebreo 10:24, 25.

Ny fampianaranao ny zanakao hanana finoana an’Andriamanitra angamba no fomba tsara indrindra hiarovanao azy tsy ho lasa mpidoroka zava-mahadomelina. Marina aloha fa tsy manery ny tanora hanaraka fomba fiaina iray Andriamanitra, kanefa manome torohevitra azo itokiana izy. Milaza toy izao izy, araka ny Salamo 32:8: “Hanome saina anao sy hampianatra anao izay làlan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.” Ray be fitiavana Andriamanitra, ka te hiaro ny tanora amin’ny loza ara-batana sy ara-panahy ary ara-pihetseham-po. (Ohabolana 2:10-12) Matokia fa hampian’Andriamanitra koa ireo ray aman-dreny miezaka mafy hitaiza ny zanany “amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo.”—Efesiana 6:4.

Na izany aza anefa, dia tena mety hahakivy indraindray ny mitaiza zanaka amin’izao fiainana izao. Mety hisy ve ny vahaolana?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Ny Vavolombelon’i Jehovah dia namoaka fanazavana afaka manampy ny ray aman-dreny hiresaka amin’ny zanany momba ny loza ateraky ny zava-mahadomelina. Jereo, ohatra, ny toko faha-33 sy 34 ao amin’ny boky Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra.

[Teny notsongaina, pejy 8]

“Azo atao tsara ny misakana ny olona tsy hampiasa zava- mahadomelina, ary azo tsaboina ireo mpidoroka.”—MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMERIKANINA

[Efajoro, pejy 6]

Fanampiana Hafa

Misy ray aman-dreny mihevitra fa tsara kokoa ho an’ny zanany ny manaraka fitsaboana manokana, rehefa miezaka hiala amin’ny zava-mahadomelina. Anjaran’ny ray aman-dreny ny manapa-kevitra ny amin’izay fitsaboana tiany. Tsy hoe tsara avokoa anefa ny fikarakarana any amin’ireo hopitaly samihafa, ka aleo manadihady tsara, alohan’ny hanarahana fitsaboana any amin’ny hopitaly iray. Nilaza i Arthur Guerra de Andrade, mpitsabo aretin-tsaina mampianatra ao amin’ny Oniversiten’i Brezila, fa ny 30 isan-jato monja no sitrana, amin’ireo mpidoroka zava-mahadomelina tsaboina any amin’ny hopitaly. Noho izany, dia tena mila manao zavatra hanasitranana ny zanany ny ray aman-dreny, na dia eo aza ireo mpitsabo.

[Efajoro/Sary, pejy 7]

Te Hiala Amin’ny Zava-mahadomelina ve Ianao?

Tanora miezaka miala amin’ny zava-mahadomelina ve ianao? Raha izany, dia ho hitanao fa hanampy anao amin’ny ezaka ataonao ny famakiana Baiboly sy ny fampiharana izay vakinao. Ho hitanao fa tena tsara ny mamaky ny bokin’ny Salamo, satria izy io mirakitra fihetseham-pon’olona malahelo sy kivy, toy izay mety ho tsapanao amin’izao fotoana izao. Hanampy anao koa ny mivavaka amim-pahatsorana amin’Andriamanitra, ka mamboraka izay ao am-ponao lalina indrindra. (Filipiana 4:6, 7) Ho tsapanao fa tena tia anao izy, ary iriny ho afaka amin’ny zava-mahadomelina ianao. Tsy manery olona anefa Andriamanitra, ka noho izany, dia tokony ho ianao mihitsy no haniry hiala amin’ny zava-mahadomelina. Imbetsaka i Davida mpanao salamo no efa nahatsapa fa tena manampy Andriamanitra, ka hoy izy: “Niandry dia niandry an’i Jehovah aho; ary nitodika nitsinjo ahy Izy ka nandre ny fitarainako. Dia nampakatra ahy avy tao amin’ny lavaka fandringanana Izy, eny, tamin’ny fotaka mandrevo; ary nampitoetra ny tongotro teo ambony vatolampy Izy ka nampijoro ahy.” (Salamo 40:1, 2) Amin’izao fotoana izao, dia ampian’Andriamanitra toy izany koa ireo maniry hiala amin’ny fahazaran-dratsy sy hanompo azy.

[Sary, pejy 5]

‘Nampitandrina anay momba ny mety ho voka-dratsiny i Dada’—Alecxandros

[Sary, pejy 8]

Ampahafantaro ny zanakao ny mety ho voka-dratsin’ny zava-mahadomelina eo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-panahy

[Sary, pejy 8]

Fantaro ireo naman’ny zanakao

[Sary, pejy 8, 9]

Mety tsy hiharatsy ny tarehin-javatra raha tony ianao eo am-piatrehana ilay raharaha