Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Palmie Anisan’ny Mahasoa Indrindra

Palmie Anisan’ny Mahasoa Indrindra

Palmie Anisan’ny Mahasoa Indrindra

MISY “palmie” iray miavaka nanao dia nanerana ny gilaoby. Manome sakafo sy rano izy io, ary mampiavaka ireo nosy atỳ amin’ny tany mafana ny bika tsy manam-paharoan’ilay hazo. Palmie inona izany? Tsy inona fa ny voaniho, izay palmie anisan’ny mahasoa indrindra. *

Mety hampahatsiaro vakansy any amin’ny tany mafana ny voaniho, ho an’ny olona sasany. Mbola sarobidy lavitra noho izany anefa io hazo io ho an’ny olona mipetraka any amin’ny Tany mafana. Lazain’ny Indonezianina fa “maro be toy ny isan’ny andro ao anatin’ny taona ny isan’ny zavatra azo atao avy amin’ilay voankazo.” Any Philippines dia lazaina fa “izay mamboly voaniho dia toy ny mamboly fitaovana, fitafiana, sakafo, rano, trano, ary lova ho an’ny zanany.”

Tsy tafahoatra izany teny izany. “Tsy sakafo ihany no azo avy amin’ny [palmie] fa rano sy menaka fahandro koa. Azo anaovana tafontrano koa ny raviny, ny kirany amin’ny hodiny hanaovana tady sy tsihy, azo ampiasaina toy ny fitaovana na haingon-javatra ny akorany, ary hanamboarana siramamy sy alkaola ny rano mamy avy amin’ny voniny”, araka ilay boky hoe Hazon’aina ny Voaniho (anglisy). Hoy koa ilay boky: “Azo ampiasaina na ilay hazo aza, raha kapaina araka ny tokony ho izy.” Nanamboatra sambo avy amin’ny hazo palmie mihitsy aza ny mponina avy any Maldives, nosy atỳ amin’ny Oseana Indianina, ka izany, hono, no nitondra azy nankany Arabia sy Philippines. Ny voaniho anefa no hita fa mpanao dia an-dranomasina lavitra kokoa noho ny mpamboly azy.

Masomboly mpanao dia an-dranomasina

Maniry tsara eny amoron-dranomasin’ny tany mafana ampy rotsakorana ny voaniho. Nanao ny diany tsy nisy fanampian’ny olombelona nankany amin’ny toerana sasany mitokana indrindra eto amin’ny planeta ny voaniho, na dia mamboly an’ilay hazo aza ny mponina any. Aparitaka amin’ny fomba maro ireo masomboly, fa ny voaniho kosa manararaotra ny ranomasina, ka mitety an’izao tontolo izao.

Milatsaka amin’ny tany ny voaniho rehefa masaka. Mikodiadia eny amin’ny torapasika ny voaniho masaka indraindray, ary entin’ny rano miakatra mankany an-dranomasina. Afaka mitsingevana mora foana ny voaniho noho ny hodiny be tsiratsiraka feno rivotra. Mety hifindra eny amin’ny morony ilany fotsiny ilay voaniho, rehefa any amin’ireo nosinakorandriaka any amin’ny Pasifika. Afaka mandeha lavitra be mihitsy anefa izy raha tonga any afovoan-dranomasina.

Simban’ny ranon-tsira ny ankamaroan’ny masomboly. Mafy sy mateza kosa anefa ny hoditry ny voaniho ka ela be vao tafiditry ny ranon-tsira. Afaka mijanona telo volana eny ambonin’ny ranomasina mora foana ny voaniho. Mety hivezivezy an’arivo kilaometatra aza izy indraindray, kanefa maniry tsara ihany rehefa tonga eny amin’ny torapasika tsara. Izany angamba no nahatonga ny voaniho haniry any amoron-tsiraky ny tany mafana maro.

Tsiron-tsakafo any amin’ny tany mafana

Mety ho hanitra amin’ny vatomamy sy biscuits fotsiny no fiheveran’ny olona sasany ny voaniho. Raha mankany Azia Atsimoatsinanana anefa ianao, dia ho hitanao fa tena mahasoa izy io. Araka ny boky Fandrahoan-tsakafo any Pasifika sy Azia Atsimoatsinanana, “ny voaniho dia zavatra iray tena ilaina amin’ny fandrahoan-tsakafo any amin’ireo firenena sy faritra ary nosy rehetra any Hawaii ka hatrany Bangkok.” Lazain’ilay boky koa fa ho an’ny mponina amin’ireo faritra ireo, “ny voaniho dia zavatra tena ilaina eo amin’ny fiainana, ary avy aminy no ahazoany ... karazan-tsakafo maro misy tsirony isan-karazany.”

Manana anjaran-toerana lehibe eo amin’ny fanaovan-tsakafo ny voaniho any amin’ny tany mafana. Tsotra ihany ny anton’izany: manome rano, ronono sy menaka fahandro izy io. Ilay ranony madio sy mamy mameno ilay voankazo manta, no antsoina hoe ranom-boaniho. Matsiro sy mamelombelona izy io ary matetika amidy eny amoron-dalana any amin’ny Tany mafana. Toy izao indray no fomba fikarakarana ny rononom-boaniho: kikisana ny nofon’ny voaniho ary afangaro amin’ny rano, avy eo fiazana hivoaka ny ronono. Mampahatsiro ny lasopy sy ny saosy ary ny koba ny rononom-boaniho.

Vakin’ny tantsaha roa ny voaniho masaka ary hamaininy amin’ny masoandro mba hahazoana menaka fahandro. Azo esorina amin’ny akorany ny nofon’ny voaniho, na copra, rehefa maina, ary amin’iny nofony iny no ahazoana menaka. Ny mena-boaniho no tena fampiasa any amin’ny Tany mafana. Anamboarana margarine sy gilasy ary biscuits kosa izany matetika any amin’ny tany tandrefana.

Tsy asa mora ny fiotazana voaniho. Matetika ny mpioty no mianika ilay hazo ary manapaka ireo voaniho. Mampiasa antsy afatotra amin’ny hazo lava ny mpioty hafa. Nampiofanina hanao ilay asa ny gidro any Indonezia. Ny fomba tsotra indrindra ampiasain’ireo te hahazo vokatra masaka tsara, dia ny miandry ireo voaniho hilatsaka ho azy amin’ny tany.

Maro ny zavatra azo atao amin’ny voaniho na ahoana na ahoana hiotazana azy. Izany no mahatonga azy ho fampidiram-bola sy loharanon-tsakafo tena mahasoa ho an’ny olona maro. Koa raha mahita voaniho ianao amin’ny manaraka, na amin’ny sary na tena izy, dia tadidio fa tsy hazo enti-mandravaka ny torapasika any amin’ny tany mafana fotsiny izy io. Hazo iray mamokatra “palmie” anisan’ny mahasoa indrindra no hitanao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Loharanon-kevitra maromaro no mihevitra ny voaniho ho palmie, na dia tsy toy izany aza ny fiheverana ilay voankazo any amin’ny tany sasany.

[Efajoro/Sary, pejy 24]

ZAVA-MAHALIANA MOMBA NY VOANIHO

FOZA MPIHINAM-BOANIHO Tsy ny olona ihany no mankasitraka ny hatsaran’ny voaniho. Mipetraka ao amin’ny lavany, ao anaty tany ny foza antsoina hoe foza mpihinam-boaniho mandritra ny andro, fa misakafo be, mihinana voaniho kosa izy amin’ny alina. Mila antsibe ny olona mba hamakiana voaniho, fa ny an’ny foza kosa akapokapony amin’ny vato mandra-pahavakiny. Toa mety tsara aminy ilay sakafony satria velona maherin’ny 30 taona io zavaboary io!

NY VOANIHO SY NY FANATSARAN-TAREHY Anaovan’ny orinasa lokomena sy ranon-javatra fanosotra rehefa mitanina andro ny voaniho, noho izy manatsara ny hoditra. Mety tena hilaina amin’ny fangaron’ny ranon-tsavony fanasana loha koa ny voaniho.

[Sary]

Tsy maty ny voaniho na manao dia lavitra an-dranomasina aza

Foza mpihinam-boaniho

Voaniho

[Sary nahazoan-dalana]

Godo-Foto

[Sary nahazoan-dalana, pejy 23]

Sary ambony havanana: Godo-Foto