Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manana Tanjona Azo Tratrarina ve Ianao?

Manana Tanjona Azo Tratrarina ve Ianao?

Manana Tanjona Azo Tratrarina ve Ianao?

● Inona no tianao hatao eo amin’ny fiainana? Azo tratrarina ve ilay izy, sa ianao manonofy zavatra tsy ho vitanao na tsy ho takatrao? Nanome an’izao torohevitra feno fahendrena izao ny lehilahy iray mpandinika ny olombelona: “Aleo mifaly amin’izay hitan’ny maso toy izay avezivezin’ny faniriana. Zava-poana koa izany, sady toy ny misambo-drivotra fotsiny.”—Mpitoriteny 6:9.

Ny toe-javatra misy antsika sy ny zava-misy no tiana holazaina amin’ny hoe ‘izay hitan’ny maso.’ Marina fa tsy misy maha ratsy ny miezaka manatsara ny fiainana. Te hilaza anefa ny Baiboly eo fa tsy hikatsaka zavatra tsy ho tratrany ny hendry. Angamba izany laza, harena, vady sahaza, na fahasalamana tonga lafatra.

Tsy izany ihany fa mety ho mbola te hahazo bebe kokoa ireo efa mahatratra tanjona sasany, toy ny hoe te hanan-karena. “Izay tia volafotsy dia tsy ho afa-po amin’izay volafotsy ananany. Ary izay tia harena koa tsy ho afa-po amin’izay harena azony. Zava-poana koa izany”, hoy ny Baiboly. (Mpitoriteny 5:10) Miezaka mianina amin’izay ananany, na ‘izay hitan’ny masony’, àry ny hendry. Eken’izy ireo fa marina ity teny ity: “Tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady tsy hahatondra na inona na inona hiala.”—1 Timoty 6:7.

Noforonina mba hila an’Andriamanitra ny olombelona ka rehefa afa-po amin’izany izy vao ho tena sambatra. (Matio 5:3) Nasehon’i Jesosy Kristy izay tokony hatao momba izany. Hoy izy: “Tsy ny mofo ihany no tsy maintsy iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.” (Matio 4:4) Ao amin’ny Baiboly no ahitana an’izany ary maimaim-poana ilay izy.

Anisan’ny teny avy amin’ny vavan’i Jehovah ilay ao amin’ny Salamo 37:4 hoe: ‘Aoka ianao ho finaritra tanteraka amin’i Jehovah, dia homeny anao izay irin’ny fonao.’ Andriamanitra Mahery indrindra i Jehovah ka homeny ny mpanompony tsy mivadika izay zavatra tsy azon’ny olombelona omena, dia fahasalamana tonga lafatra sy fananana ary fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa an-tany. (Lioka 23:43; Apokalypsy 21:3, 4) Tena mijery ny zava-misy ianao raha matoky an’ireo teny ireo.