Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tari-dalana sy Fanantenana Azo Antoka

Tari-dalana sy Fanantenana Azo Antoka

Tari-dalana sy Fanantenana Azo Antoka

TSY toy ny demonia i Jehovah Andriamanitra, satria izy no tena hendry sy mahery. Andriamanitra fitiavana koa izy. (1 Jaona 4:8) Mahasoa foana ny toroheviny sady maimaim-poana, ary tena miahy antsika izy. Tena tsy mitovy amin’ny torohevitry ny mpamoha angatra sy mpilaza ny hoavy izany. Hoy Andriamanitra: “Ianareo rehetra mangetaheta, avia misotro rano! Ianareo rehetra tsy manam-bola, avia ka mividiana, ary mihinàna! Eny, avia mividy divay sy ronono tsy andoavam-bola sady tsisy sarany. Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy sakafo, ary misasatra amin-javatra tsy mahafa-po? Henoy tsara aho, ary mihinàna izay tsara, ka aoka ianareo hankafy sakafo matavy.”—Isaia 55:1, 2.

Nomen’ilay Mpamorona be fitiavana tamin’ny alalan’ny fanahiny ny Baiboly, ka manome fanantenana, miaro, mampisy dikany ny fiainana, ary ahitana ny toro lalana tsara indrindra. Makà fotoana kely handinihana an’ireto fanontaniana sy andinin-teny nalaina tao amin’ny Baiboly ireto.

[Efajoro, pejy 7]

Inona no hanampy ahy hilamin-tsaina? Hoy ny Baiboly: “Izao no nolazain’i Jehovah Mpanavotra anao, Ilay Masin’ny Israely: ‘Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Ilay mampianatra anao mba hahitanao soa, Ilay mampandeha anao amin’ny lalana tokony halehanao. Raha mitandrina ny didiko tokoa mantsy ianao, dia ho toy ny renirano ny fiadananao ary ho toy ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao!’ ”—Isaia 48:17, 18.

Hisy foana ve ny faharatsiana? “Ny olo-mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa tavela eo. Fa ny ratsy fanahy kosa ho ringana tsy ho amin’ny tany, ary ny mpivadika hesorina tsy ho amin’ny tany.” (Ohabolana 2:21, 22) Horinganina mandrakizay, toy ny hoe holevonina amin’ny afo, ny ratsy fanahy sy ny anjely ratsy.—Apokalypsy 20:10, 14.

Ho foana ve ny aretina sy ny fijaliana? “Eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra, ary izy hiara-mitoetra amin’izy ireo, ary ireo ho olony, ka Andriamanitra mihitsy no ho eo aminy. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha [olana maro ankehitriny].”—Apokalypsy 21:3, 4.

Tsy toy ireo demonia Andriamanitra. Tsy mandainga mihitsy izy. Raha ny marina aza, dia “tsy mahay mandainga” izy. (Titosy 1:2) Manafaka sy manome fiainana koa ny marina lazainy, araka ny asehon’ny lahatsoratra manaraka.—Jaona 8:32; 17:3.