Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nitady Volamena ka Lasa Nanorim-ponenana

Nitady Volamena ka Lasa Nanorim-ponenana

Nitady Volamena ka Lasa Nanorim-ponenana

AHITANA tsena, hotely fisakafoana, fety, ary dihin’ny dragona any amin’ireo antsoina hoe tanàna sinoa, any amin’ny toerana maro eran-tany. Samy manana ny tantarany ireny tanàna ireny. Ireo mpiavy be herim-po avy any Chine no nampisy an’ireo tanàna sinoa maro any Aostralia. Nankany Aostralia izy ireo satria nanantena ny hanan-karena, noho ireo toerana vao nahitana volamena.

Tendrombohitra Volamena Vaovao

Nitombo be ny isan’ny Sinoa tonga tany Aostralia rehefa nisy volamena hita tany, tamin’ny 1851. Lehilahy an’arivony no niainga teo amin’ny vinanin’ny Reniranon’i Pearl, any Chine, ary nianatsimo nanao an’ilay dia an-dranomasina nandreraka be. Efa nahitana volamena tany Kalifornia, Etazonia, taloha kelin’io, ary nantsoin’ny Sinoa miteny kantôney hoe Tendrombohitra Volamena ireo toeram-pitrandrahana. Nantsoina hoe Tendrombohitra Volamena Vaovao àry ireo tany Aostralia.

Tsy ny hitady volamena ihany no nandaozan’ireny lehilahy ireny ny tanindrazany. Sarotra be koa ny fiainana tany Chine noho ny ady an-trano sy ny hetraketraky ny natiora ary ny fahantrana.

Nampalahelo fa tsy nanitsaka an’i Aostralia akory ny sasany taminy. Matin’ny aretina teny ambony sambo izy ireny, satria feno hipoka ny sambo ary naharitra ilay dia. Tsy mora koa ny fiainan’ireo tsy maty teny an-dalana.

Niasa mafy nitrandraka volamena

Tsy maintsy nijanona tany Chine ny vehivavy sy ny ankizy mba tsy hahalany taranaka ny fianakaviany, araka ny fomba sinoa. Nanirery àry ireo lehilahy sinoa tany Aostralia. Nisy 38 000 mahery ny lehilahy sinoa tany nefa 11 monja ny vehivavy, tamin’ny 1861. Nisy vitsivitsy anefa nikasa hanorim-ponenana tany. Ny ankamaroany kosa tapa-kevitra ny hody amim-boninahitra miaraka amin’ny harena, any amin’ny taniny sy ny fianakaviany.

Izany no nandrisika azy ireo hitrandraka volamena. Nipetraka an-tranolay izy ireo ary niasa mafy nandritra ny ora maro teny amin’ny hainandro migaingaina. Ninonino foana ny sasany ka natahotra ny hitrandraka tany ambanin’ny tany, fara faharatsiny, tamin’ny voalohany. Nanomboka nandavaka avy teo ambony àry izy ireo ka nanasivana sy nanakobana an’ireo faikam-bato, mba hahitana volamena. Nody ventiny ny rano nantsakaina, ka volamena latsaka kelin’ny 18 662 kilao avy tany Victoria no nalefa tany Chine, tamin’ny 1854 ka hatramin’ny 1862.

Nampalahelo fa lany tamin’ny filokana sy karazana rongony mahery ny harenan’ny mpitrandraka sasany. Ireo nanirery no mora voan’izany. Maro taminy àry no narary sy very fananana ary tsy tafody intsony. Nisy nahazo fanampiana avy tamin’ny fikambanana sinoa na olona malala-tanana. Ny hafa kosa nahantra sy nanirery ary maty tanora.

Nialona sy niahiahy an’ireo vahiny mpitrandraka koa ny tompon-tany mpitrandraka, rehefa hitany fa niray hina be ry zareo ka nahomby. Nampisy rotaka izany ka notafihina ny Sinoa. Norobaina ny volamenany ary nodorana ny tranolainy sy ny tahiriny. Nihalefy ihany izany fankahalana izany tatỳ aoriana. Tamin’ny 1901 anefa, izany hoe 50 taona teo ho eo taorian’ny nahitana ny volamena, dia nivoaka ny lalàna nandrara ny Aziatika tsy ho any Aostralia. Tsy nofoanana izany raha tsy tamin’ny 1973.

Lany ny volamena

Nijanona tany Aostralia ny Sinoa sasany, rehefa tsy nisy volamena hotrandrahina intsony. Ahoana no niafaran’ireo tanàna nisy fitrandrahana volamena? Lasa nameno azy ireny ny toerana fanasan-damba sy hotely fisakafoana ary toerana fambolena legioma sy voankazo, izay samy an’ny Sinoa. Lasa nalaza ho mpanamboatra fitaovana sy mpivarotra voankazo sy legioma koa ny Sinoa. Lasa nahitana tanàna sinoa àry ny toerana maro tany Aostralia, tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-19. Anisan’izany i Atherton, Brisbane, Broome, Cairns, Darwin, Melbourne, Sydney, ary Townsville.

Maro ny lehilahy sinoa tsy nanambady, satria vitsy ny vehivavy sinoa tonga tany Aostralia. Nisy ihany anefa nanambady Aostralianina, na dia tsy tian’ny fiaraha-monina aza izany. Lasa fahita tany Aostralia ny metisy sinoa, rehefa nandeha ny fotoana.

Mihamaro noho ny hatramin’izay izao ny Sinoa mipetraka any Aostralia. Handranto fianarana sy hiasa no tena ahatongavan’ny ankamaroany any, ary maro aminy no vehivavy. Mahatsikaiky fa ny lehilahy sinoa mamelom-bady aman-janaka indray izao no mamela ny fianakaviany any Aostralia, ary miverina any Azia mba hiasa any Chine, Hong-Kong, Singapour, na Taïwan, noho ny fiovan’ny toe-karena.

Miova ny fiainana, nefa mitovitovy ihany ny tanjon’ny mpiavy maneran-tany: Ny hiadana sy ho tafita any an-tany hafa.

[Efajoro/Sary, pejy 20]

LAVITRA KOKOA NOHO NY NIERITRERETANY AZY

Tsy te handoa haban-tseranana ireo Sinoa ka nidina teny amin’ireo morontsirak’i Aostralia, lavitra ny seranana lehibe. Mbola any amin’ny an-jatony kilaometatra avy eny amin’ny toeram-pitrandrahana ireny morontsiraka ireny. Anisan’izy ireny i Robe, any Aostralia Atsimo. Nisy mponina 100 ka hatramin’ny 200 tao, tamin’ny 1857, ary dimy volana monja dia Sinoa 12 000, fara fahakeliny, no nandalo tao.

Lehilahy an-jatony no niara-namakivaky an’ireo tanàna tsy dia nisy mponina mba ho any amin’ireo toeram-pitrandrahana. Tena niaritra ny mafy sy niara-niasa izy ireo. Lavitra kokoa noho ny nieritreretany azy anefa ny dia, ary naharitra hatramin’ny iray volana sy herinandro. Naka ahidrano hatao sakafo izy ireo ary nihinana kangoroa sy biby hafa, teny an-dalana. Nihady lavadrano koa izy ireo ary nampisy lala-masaka mba harahin’ny hafa.

Nirandrana izy ireo ary nisatroka. Nilahatra izy ireo ary nihira sady nihazakazaka kely. Feno vola madinika sinoa teny an-dalana. Narian’izy ireo mantsy ny volany rehefa fantany fa tsy nisy vidiny intsony.

[Sary nahazoan-dalana]

Image H17071, State Library of Victoria

[Efajoro/Sary, pejy 21]

SAROBIDY KOKOA NOHO NY VOLAMENA

Mpahay siansa i Wayne Qu ary niasa tao amin’ny Akademia Momba ny Siansa any Chine. Nifindra tany Eoropa izy sy Sue vadiny, taorian’ny 1990, satria mbola te hanohy ny fianarany i Wayne. Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy mivady, ary niresaka momba ny Baiboly. Nifindra tany Aostralia izy ireo tamin’ny 2000 ary samy nanohy ny fianarany. Nianatra momba ny zavamananaina i Sue. Niverina nianatra Baiboly koa izy mivady.

Hoy i Wayne: “Nianatra aman-taonany izahay mba hahazoana diplaoma tany amin’ny oniversite. Nieritreritra anefa aho hoe: ‘Mihantitra daholo ihany isika, marary, ary maty. Izay fotsiny ve ny fiainana?’ Hoatran’ny tsy misy dikany izany. Hitanay sy Sue anefa fa mamaly an’ireo fanontaniana lehibe eo amin’ny fiainana ny Baiboly, ary mahafa-po sy mirindra tsara izany.

“Lasa nandinika momba ny fisian’ny Mpamorona koa izahay rehefa nianatra Baiboly. Namaky ny boky Ny Fiainana—Ahoana no Nisiany? Evolisiona sa Famoronana? izay navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, ary namaky boky iray nosoratan’i Charles Darwin. Ireo zavatra novakiko ireo, niampy ny fikarohana nataoko tamin’ny siansa, no nandresy lahatra ahy fa misy ny Mpamorona. Niaiky toy izany koa i Sue.

“Manan-kery hanatsara fiainan’olona koa ny Baiboly. Anisan’ny nandresy lahatra anay izany fa misy Andriamanitra. Nahavelom-panantenana anay tokoa io boky io sady nanampy anay hanana tena namana sy nanamafy ny fanambadianay. Natao batisa izahay mivady tamin’ny 2005, ary faly erỳ satria nahita zava-tsarobidy lavitra noho ny fianarana ambony sy ny ‘volamena, izay mety simba.’ ”—1 Petera 1:7.

[Sary, pejy 19]

Sinoa mpitrandraka volamena, teo anelanelan’ny 1860 sy 1870

[Sary nahazoan-dalana, pejy 19]

Tanàna sinoa any Sydney: © ARCO/G Müller/age fotostock; mpitrandraka volamena: John Oxley Library, Image 60526, State Library of Queensland