Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Toaka

Toaka

Tena ratsy ve ny misotro toaka?

‘Ny divay mampifaly ny fon’ny olona, ny menaka mahamiramirana ny endriny, ary ny mofo manome azy tohan’aina.’Salamo 104:15, “Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara.”

IZAY LAZAIN’NY OLONA

Maro ny olona zatra misotro divay na labiera rehefa misakafo, any amin’ny tany maro. Misy kosa anefa mihevitra hoe tena ratsy ny alkaola. Fa nahoana ny olona no tsy mitovy hevitra amin’io resaka io? Satria samy hafa ny kolontsaina sy ny fahasalamana ary koa ny fivavahana.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Raran’ny Baiboly ny misotro be loatra sy manao mamo, fa tsy voarara kosa ny misotro araka ny antonony. (1 Korintianina 6:9, 10) Efa hatramin’ny ela be ny mpanompon’Andriamanitra no nisotro divay. (Genesisy 27:25) In-200 mahery ny Baiboly no miresaka momba ny divay. Milaza, ohatra, ny Mpitoriteny 9:7 hoe: “Hano amim-pifaliana ny sakafonao, ary sotroy amin’ny fo falifaly ny divainao.” Mahatonga ny olona ho falifaly ny divay, ka matetika no aroso rehefa misy fety, toy ny mariazy. Nanatrika mariazy, ohatra, i Jesosy ary nanova ny rano ho divay. Io mihitsy aza no fahagagana voalohany nataony. (Jaona 2:1-11) Nampiasaina tamin’ny fitsaboana koa ny divay.—Lioka 10:34; 1 Timoty 5:23.

 Nahoana no tsy mety ny misotro be loatra?

‘Aoka ianareo tsy handevozin’ny divay be.’Titosy 2:3.

ILAINA FANTARINA IZANY

Maro no mijaly satria misy mamo lava ao an-tranony. Ny olona misotro be matetika no mahatonga ny lozam-piarakodia sy ny loza hafa. Manimba tsikelikely ny atidoha, ny fo, ny voa, ary ny vavony koa ny toaka.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Mandidy antsika Andriamanitra mba hahalala onony rehefa mihinana sy misotro. (Ohabolana 23:20; 1 Timoty 3:2, 3, 8) Tsy ankasitrahany izay tsy mahafehy tena. Hoy ny Ohabolana 20:1: “Mpaniratsira ny divay ary mpitabataba ny toaka, ka tsy hendry izay rehetra manaonao foana noho ny herin’izany.”

Mampanaonao foana tokoa ny toaka, satria mety ho lasa ratsy fitondran-tena ilay olona. Hoy ny Hosea 4:11: “Divay efa niotrika ela ary divay mamy no manaisotra ny faniriana hanao ny tsara.” Diniho izay nahazo an’i Solo. * Niady izy mivady ka nankany amin’ny hotely izy ary nisotro be tao. Mamo izy avy eo ka nijangajanga. Nanenina be anefa izy, ary nivoadivoady mihitsy hoe tsy hamerina intsony. Sady mankarary ny misotro be loatra, no mitarika hanao ratsy, no mahatonga ny olona tsy hankasitrahan’Andriamanitra. Milaza mihitsy ny Baiboly fa tsy hahazo fiainana mandrakizay ny olona mamo lava.—1 Korintianina 6:9, 10.

Rahoviana no tsy mety mihitsy ny misotro?

“Ny mahira-tsaina, mahatsinjo ny ratsy, dia miery; fa ny kely saina kosa, mandroso ihany, ka voa.”Ohabolana 22:3, “Kat.”

ILAINA FANTARINA IZANY

“Anisan’ny zava-mahadomelina mahery ny toaka”, hoy ny rakipahalalana iray. Tsara àry ny tsy mikasika azy io mihitsy amin’ny fotoana sasany.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Matetika no mahita loza ny olona rehefa misotro toaka amin’ny fotoana tsy tokony hisotroany. Milaza mantsy ny Baiboly hoe ‘misy fotoanany ny zava-drehetra.’ (Mpitoriteny 3:1) Tsy tokony hisotro, ohatra, ny ankizy tsy ampy taona, araka ny lalàna. Misy koa miady mafy hiala amin’ny toaka, ka mila mifady mihitsy aloha sao lasa miverina misotro be indray. Misy kosa mihinam-panafody ka tsy tokony hikasika alkaola. Maro no tsy tokony hisotro mihitsy rehefa hiasa, indrindra raha hampiasa fitaovana mety hampidi-doza. Sarobidy ny aina sy ny fahasalamana satria avy amin’Andriamanitra, ka tokony hohajaina. (Salamo 36:9) Hendry àry isika raha manaraka ny torohevitry ny Baiboly momba ny toaka.

^ feh. 11 Novana ny anarana.