Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manome modely ho an’ny zanakao ve ianao?

HO AN’NY RAY AMAN-DRENY

8: Miezaha ho Modely

8: Miezaha ho Modely

AHOANA IZANY?

Tsy tokony ho mpitari-bato vilam-bava ny ray aman-dreny, ka hoe hafa ny lazainy nefa hafa ny ataony. Ahoana, ohatra, raha misy olona mitady anao, dia henony ianao miteny hoe: “Ataovy hoe tsy ao izy”? Afaka ny hanantena ve ianao hoe hilaza ny marina ny zanakao?

“Tsy mandaitra amin’ny ankizy ilay fomba fiteny hoe: ‘Aza ny ataoko no atao, fa izay lazaiko tanteraho.’ Ny azy ianarany daholo izay hitany sy reny. Ary izy mihitsy no hiteny anao, raha vao tsy mifanaraka amin’izay lazainao ny ataonao.”—David.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Ianao izay mitory hoe: ‘Aza mangalatra’, mangalatra ihany ve ianao?”—Romanina 2:21.

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?

Ny zavatra lazain’ny ray aman-dreniny no misy vokany kokoa amin’ny ankizy sy ny tanora, noho ny an’ireo mitovy taona aminy. Ianao àry no tokony hanoro ny zanakao ny lalana tokony hizorany. Tsy handaitra anefa izany raha mpitari-bato vilam-bava ianao.

“Misy zavatra efa averintsika injato amby arivo fa hoatran’ny tsy henoin’ny zanatsika mihitsy. Raha vao tsy mifanaraka amin’izay lazaintsika anefa ny ataontsika, dia hiteny antsika izy. Hitany daholo izay ataontsika, na dia heverintsika fa tsy hitany aza.”—Nicole.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Ny fahendrena avy any ambony kosa ... tsy mihatsaravelatsihy.”—Jakoba 3:17.

INONA NO AZONAO ATAO?

Diniho izay ataonao. Tsara fanahy amin’ny vady aman-janakao ve ianao? Olona hoatran’ny ahoana ny namanao? Hoatran’ny ahoana ny fialam-boly ataonao? Tia manampy ny hafa ve ianao? Raha tsorina dia hoe: Manome modely ho an’ny zanakao ve ianao?

“Tsy asainay manao an’izao na izao ny zanakay, raha izahay mivady aza tsy mahavita an’ilay izy akory.”—Christine.

Miezaha hiala tsiny rehefa diso. Efa fantatry ny zanakao hoe tsy lavorary ianao. Raha nanao zavatra tsy nety tamin’ny vadinao na tamin’ny zanakao àry ianao, dia miezaha hiteny hoe “azafady” na “mifona.” Ho tsapany amin’izay hoe tena ilaina ny manetry tena sy mitsotra rehefa diso.

“Mora miaiky fahadisoana ny ankizy, raha henony manao an’izany isika ray aman-dreny, na henony miala tsiny rehefa diso.”—Sabine.

“Tena misy vokany amin’ny zanatsika ny zavatra ataontsika ray aman-dreny. Toy ny boky mivelatra andro aman’alina ny modely omentsika. Io no fomba tsara indrindra ampianarantsika azy ireo.”—William.