Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INONA NO HANAMPY ANAO HIZAKA NY FAHORIANAO?

Tena Manampy ny Baiboly

Tena Manampy ny Baiboly

BE DIA BE NY FIKAROHANA NATAO MBA HANAMPIANA AN’IREO NIDONAM-PAHORIANA. Mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly anefa ny torohevitra mandaitra indrindra, araka ny hitantsika teo aloha. Hita avy amin’izany fa tsy mety lany andro ny Baiboly, na dia boky efa tranainy be aza. Tsy torohevitra fotsiny anefa no resahina ao. Misy fanazavana tsy hita na aiza na aiza koa ao, ary tena mampahery an’ireo nidonam-pahoriana izy ireny.

  • Manome toky ny Baiboly fa tsy mijaly ny maty

    Izao no voalaza ao: “Ny maty ... tsy mahalala na inona na inona.” (Mpitoriteny 9:5) “Foana ny eritreriny.” (Salamo 146:4) Oharin’ny Baiboly amin’ny olona matory ny olona maty.—Jaona 11:11.

  • Mampionona ny mahalala fa be fitiavana Andriamanitra

    Hoy ny Salamo 34:15: “Ny mason’i Jehovah * mitsinjo ny olo-marina, ary ny sofiny mihaino ny antso vonjy ataon’izy ireo.” Lasa maivamaivana isika sady tsy miady saina be intsony, rehefa resahintsika amin’i Jehovah izay ao am-pontsika. Tsy izay fotsiny anefa. Manampy antsika hifandray tsara amin’ilay Mpamorona antsika ny vavaka. Tena mahery izy, ka afaka mampionona antsika.

  • Mampanantena hoavy tsara kokoa izy io

    Eritrereto hoe hatsangana ny maty, dia ho afaka hiaina eto an-tany indray. Hanao ahoana ny fiainana amin’izay? Miresaka betsaka an’izany ny Baiboly. Hoy ny Apokalypsy 21:3, 4: ‘Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masontsika, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.’

Mahavita mizaka ny fahoriany ny olona maro mino an’i Jehovah Andriamanitra. Matoky mantsy izy ireo hoe mbola hahita an’ilay havany indray. Maty, ohatra, ny vadin’i Anna rehefa nivady nandritra ny 65 taona izy ireo. Hoy izy: “Hitako tao amin’ny Baiboly hoe tsy mijaly ny maty, sady mbola hatsangan’Andriamanitra izay rehetra ao amin’ny fitadidiany. Izany foana no ataoko ao an-tsaina isaky ny mahatsiaro ny vadiko aho. Tena mafy be tamiko ny namoy azy nefa vitako ihany ny miatrika an’ilay izy.”

Hoy i Tina, ilay voaresaka tany aloha: “Tsapako hoe tsy nandao ahy mihitsy Andriamanitra, hatramin’izay nahafatesan’i Timoty izay. Nanampy ahy foana i Jehovah rehefa kivy aho. Tena matoky koa aho hoe mbola hatsangana ny maty, araka ny lazain’ny Baiboly. Manampy ahy tsy hilavo lefona izany, fa hiandry an’ilay fotoana hahitako an’i Timoty indray.”

Misy olon-kafa an-tapitrisany koa miaiky fa azo itokisana ny Baiboly. Ahoana anefa raha mieritreritra ianao hoe sarotra inoana ny zavatra resahin’ny Baiboly, na hoatran’ny nofinofy fotsiny? Tsy aleo ve mba manadihady? Mety ho resy lahatra ianao hoe azo itokisana ny zavatra ampanantenain’izy io, ary azo ampiharina tsara ny torohevitra omeny. Ho hitanao hoe tena afaka manampy an’ireo nidonam-pahoriana ny Baiboly.

INONA KOA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY MOMBA NY MATY?

Misy video miresaka an’izany ao amin’ny jw.org/mg

Mampanantena ny Baiboly fa mbola hatsangana ireo havantsika efa nodimandry

MANAO AHOANA NY OLONA REHEFA MATY?

Manao ahoana marina isika rehefa maty? Mazava tsara ny valiny omen’ny Baiboly sady tena mampahery.

Jereo ao amin’ilay hoe ZAVATRA MISY > VIDEO (Sokajy: Ny Baiboly )

TE HANDRE VAOVAO TSARA VE IANAO?

Be dia be ny vaovao ratsy amin’izao. Aiza àry no ahitana vaovao tsara? Mampirisika anao hamaky an’ilay bokikely hoe Vaovao Tsara Natao ho Anao! io video io.

Jereo ao amin’ilay hoe ZAVATRA MISY > VIDEO (Sokajy: Ny Fivorianay sy ny Fanompoanay)

^ feh. 7 Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.