Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA

Inona no Azo Atao mba ho Voaro Amin’ny Loza?

Inona no Azo Atao mba ho Voaro Amin’ny Loza?

“Nisy zavatra nirefotra be, ka saika nianjera tamin’ny tany aho. Avy eo nisy setroka nivoaka dia nirehitra ilay trano avo be nisy ny biraonay.”​—Joshua.

Horohoron-tany, rivo-doza, asa fampihorohoroana, asan-jiolahy, sy ny sisa. Izany matetika no lasa matoam-baovao. Samy hafa anefa ny hoe mamaky momba ny loza iray nitranga, sy ny hoe miaina an’ilay izy mihitsy. Inona àry no azonao atao alohan’ny hitrangan’ny loza sy mandritra an’ilay izy ary aorian’izay, raha tianao ny ho tafavoaka velona?

ALOHAN’ILAY LOZA MIOMÀNA!

METY hiharan-doza daholo isika. Tena mila miomana àry ianao, raha te ho tafavoaka velona. Inona avy no azonao atao?

  • Omano ny saina. Ekeo hoe mety hisy foana ny loza, ary mety hiharan’izany ianao sy ny fianakavianao. Tara loatra ianao raha aorian’ny loza vao miomana.

  • Fantaro hoe inona ny loza mpitranga ao amin’ny faritra misy anareo. Aiza ny toerana azo ialokalofana? Tsy mampidi-doza ve ny tranonao sy ny toerana misy azy? Mitandrema amin’izay mety hahatonga hain-trano, ohatra hoe ody moka, sigara, labozia, afokasoka, solika fandrehitra na gazy. Asio olona manara-maso foana koa ao an-dakozia rehefa mahandro.

  • Omano izay zavatra tena ilaina. Mety ho tapaka ny jiro sy rano ary ny telefaonina. Mety tsy hisy koa ny fitateram-bahoaka. Iezaho ho feno hatreo amin’ny antsasany foana àry, fara fahakeliny, ny solika ao amin’ny fiaranao, raha manana ianao. Asio tahirin-tsakafo sy rano ary kitapo misy an’izay zavatra tena ilaina koa ao an-trano.—Jereo ilay efajoro hoe “ Efa ao Daholo ve Izay Ilainao?

    Tena mila miomana ianao raha te ho tafavoaka velona

  • Raiso ny nomeraon-telefaonin’ny namanao, na ny akaiky na ny lavitra.

  • Fantaro hoe aiza no azo andosirana ary mankanesa any mihitsy. Fantatrao ve hoe aiza no akaiky indrindra azo ivoahana ny trano, raha misy loza tampoka? Resaho amin’ny zanakao koa izay tokony hataony, raha any am-pianarana izy no mitranga izany. Tokony hisy toerana akaiky sy lavidavitra efa ifanarahanareo hoe hihaonanareo, ohatra hoe any amin’ny sekoly iray. Misy fikambanana milaza hoe tsara raha mizatra mankeny amin’ireny toerana ireny mihitsy ianareo, alohan’ny hisian’ny loza.

  • Miomàna hanampy ny hafa, anisan’izany ny zokiolona sy kilemaina.

MANDRITRA NY LOZA MANAOVA ZAVATRA HAINGANA

Hoy ihany Joshua: “Be dia be no tsy taitra rehefa nanomboka nirehitra ilay trano. Mbola nisy namono ordinatera, na nameno tavoahangin-drano ihany. Nisy lehilahy iray aza niteny hoe: ‘Tsy aleo miandriandry kely aloha?’” I Joshua kosa niteny mafy hoe: “Mila mivoaka izao dia izao isika!” Nahare azy ny mpiara-miasa taminy vao nikoropaka nanaraka azy nidina ny tohatra. Hoy foana i Joshua: “Aza mijanona raha misy mianjera, fa ampio hiarina izy, dia ho tafavoaka daholo isika.”

  • Hain-trano: Miondreha ambany sady manatòna an’izay varavarana akaiky indrindra. Tsy ahafahana mahita tsara mantsy ny setroka sady manempotra, ka izay no tena mahafaty ny olona. Avelao ao ny entanao, satria mety hamoy ny ainao ianao raha mitaraikiraiky na dia segondra vitsy monja aza!

  • Horohoron-tany: Misitriha ao ambany fanaka mafy tsara. Mbola mety hihetsika ihany ny tany, ka mivoaha haingana any an-tokotany raha vao misy hirika ary aza manakaiky trano. Ampio ny hafa satria mety ho afaka ora maro vao ho tonga ny mpamonjy voina.

  • Tsunami: Mandehana haingana mamonjy toerana avo, raha misintona be tampoka ny ranomasina. Azo inoana fa mbola hisesisesy ny onja ary vao mainka hihalehibe.

  • Rivo-doza: Tonga dia mankanesa any amin’ny toerana azo ialokalofana.

  • Tondra-drano: Aza mijanona ao anaty trano dibo-drano. Aza mitsoboka na mitondra fiara ao anaty rano. Mety hisy diky mantsy ilay riaka, sady hisy poti-javatra mety handratra. Mety tsy hisarona koa ny lavaka fivarinan’ny rano maloto, ary mety hisy tariby mpitondra herinaratra nianjera.

  • Fantatrao ve? Mety hahazaka fiara ny rano mikoriana, na dia antsasa-metatra mahery kely aza ny haavony. Betsaka no maty mandritra ny tondra-drano, satria miezaka mitondra fiara mamakivaky riaka be.

  • Raha misy filazana fa ilaina ny miala eo an-toerana, dia mialà avy hatrany. Lazao amin’ny namanao hoe aiza no misy anao, raha tsy izany dia mety hanao vivery ny ainy izy ireo hitadiavana anao.

    Raha misy filazana fa ilaina ny miala eo an-toerana, dia mialà avy hatrany

  • Fantatrao ve? Azo antoka kokoa ny mandefa SMS noho ny mamela hafatra an-telefaonina.

  • Raha voarara ny mivoaka ny trano na ny toeram-pialofana, dia araho izany. Aza mivoaka ny trano mihitsy raha misy otrikaretina naparitaka, fanafihana ampiasana fitaovam-piadiana niokleary na simika, na misy loza mitovitovy amin’izany. Tampeno ny varavarana sy varavarankely rehetra. Midìna any ambany lakaly mba tsy ho tratran’ny taratra niokleary. Manaraha vaovao amin’ny radio na tele. Mijanòna ao an-trano mandra-pisin’ny filazana hoe tsy misy atahorana intsony.

AORIAN’NY LOZA MITANDREMA TSARA!

Miezaha hisoroka aretina sy loza hafa ka araho ireto soso-kevitra ireto:

  • Mijanòna any amin’ny namanao, raha azo atao, toy izay any amin’ny tobin’ny tra-boina.

  • Ataovy madio tsara foana ny toerana misy anao.

  • Arovy ny tenanao rehefa manadio poti-javatra. Manaova gan-tanana, kiraro mafy tsara, satroka aro loha, ary tampim-bava fiarovana amin’ny vovoka. Mitandrema amin’ny tariby mpitondra herinaratra na amin’ny afo mbola tsy maty tanteraka.

  • Tohizo ny zavatra fanaonao isan’andro, raha mety. Mila hitan’ny zanakao hoe tony ianao sady tsy kivy. Tohizo ny lesona fanaony any am-pianarana, ary miaraha milalao sy manao fotoam-pivavahana. Aza mifantoka be amin’ny vaovao ratsy. Tsy mety raha ny fianakavianao no analanao vonkina, rehefa mitebiteby ianao na mahatsiaro ho tsy afa-manoatra. Ekeo ny fanampian’ny hafa, ary ampio izy ireo.

    Aorian’ilay loza, dia tohizo ny zavatra fanaonao isan’andro, raha mety

  • Tadidio fa misy zavatra tsy maintsy afoy. Ny hamonjy ain’olona no tena ifantohan’ny mpitondra fanjakana sy ny mpamonjy voina, fa tsy ny hanolo an’izay simba. Tena ilaina ny rano madio, sakafo, akanjo, ary fialofana raha te ho tafavoaka velona.​—1 Timoty 6:7, 8.

  • Fantaro ny vokatr’ilay izy eo aminao ary mangataha fanampiana. Mety hiovaova be ny fihetseham-ponao, aoriana kelin’ilay loza. Mety ho kivy ianao, hitebiteby, tsy hahavita hieritreritra na hiasa, ary tsy hahita tory. Miresaha amin’ny namana be fitiavana raha izany no tsapanao.

Maro ny olom-pantatr’i Joshua namoy ny ainy tamin’ilay hain-trano, fa izy kosa tafavoaka velona. Nanampy azy ny anti-panahy kristianina sy ny mpitsabo aretin-tsaina. Hoy i Joshua: “Nilaza ry zareo fa ara-dalàna raha malahelo aho, ary hisinda ihany izany. Tsy dia nanonofy ratsy intsony aho, rehefa afaka enim-bolana. Tatỳ aoriana kokoa vao nilamina ny zavatra sasany.”

Mety hieritreritra isika hoe tsy rariny ireny loza ireny. Misy aza manome tsiny an’Andriamanitra. Maro no manamelo-tena hoatran’i Joshua. Hoy izy: “Mbola lasa foana ny saiko hoe sao dia afaka namonjy olona maro kokoa aho. Soa ihany fa tsy ho ela Andriamanitra dia hanafoana ny tsy rariny, ary hanitsy an’izay tsy mety. Mandra-pahatongan’izay, dia mankamamy ny andro tsirairay aho ary miezaka hiaro ny aiko.”​—Apokalypsy 21:4, 5. *

^ feh. 33 Manazava bebe kokoa momba ny fampanantenan’Andriamanitra sy ny antony amelany ny fijaliana hisy, ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Azo alaina ao amin’ny www.ps8318.com/mg izy io.