Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Atao hoe Finoana?

Inona no Atao hoe Finoana?

Inona no Atao hoe Finoana?

AHOANA no hamalianao an’izany? Misy mihevitra fa ny hoe mino, dia midika hoe manaiky fotsiny. Nilaza koa ilay mpanao gazety antsoina hoe H. Mencken, fa ny atao hoe finoana dia “fanekena zavatra tsy mitombina, na fiheverana fa hitranga ny zavatra tsy azo eritreretina hitranga.”

Tsy izany anefa no lazain’ny Baiboly. Izao kosa no voalaza ao: “Ny finoana dia fiandrasana amin-toky ny zavatra antenaina, ary fanomezana porofo mazava momba ny zavatra tena misy izay tsy hita maso.”—Hebreo 11:1.

Samy hafa ny hevitry ny olona, ka tsara ny mandinika an’ireto fanontaniana ireto:

Inona no mampiavaka an’ilay finoana resahin’ny Baiboly amin’ilay eritreretin’ny olona?

Nahoana isika no tokony hiezaka hanana an’ilay finoana resahin’ny Baiboly?

Ahoana no hanananao finoana matanjaka?

Fanamarinam-pananana sy porofo marim-pototra

Nampiasaina imbetsaka ilay teny grika nadika hoe “fiandrasana amin-toky”, tamin’ny fotoana nanoratana ny Hebreo. Hita matetika tao amin’ny taratasy momba ny varotra izy io, ka ny dikany dia hoe antoka fa ho azonao ny zavatra iray. Milaza àry ny boky iray fa azo adika toy izao ny Hebreo 11:1: “Toy ny taratasy fanamarinam-pananana ny finoana, ka manome antoka fa ho azo ny zavatra antenaina.”

Omena taratasy toy izany ny mpividy indraindray. Tsy tonga dia omena azy ny entany, fa aterina any an-tranony. Ilay taratasy no manamarina fa efa nandoa vola izy. Manana antoka àry izy, ka mino fa ho azony ilay entana. Raha very anefa ilay taratasy, dia tsy hanana porofo hitakiana ny fananany izy. Toa an’ilay olona manana an’ilay taratasy ny olona mino fa hanatanteraka ny fampanantenany Andriamanitra. Manana antoka izy fa ho azony ny zavatra antenainy. Izay tsy mino kosa, na nanjary tsy nino intsony, dia tsy manana antoka hahazoana ny zavatra nampanantenain’Andriamanitra.—Jakoba 1:5-8.

Mariho koa ilay teny nadika hoe “fanomezana porofo mazava.” Midika koa izy io hoe fanomezana porofo manohitra ny zavatra heverina ho marina. Intỳ misy ohatra hanazavana izany: Miposaka any atsinanana ny masoandro, manavatsava ny lanitra, ary milentika any andrefana. Mihodidina amin’ny tany àry no fahitana azy io. Tsy izany anefa no izy. Ny tany no mihodidina amin’ny masoandro, araka ny porofo omen’ny manam-pahaizana. Rehefa mazava aminao ny porofo omen’izy ireo, sady ekenao fa marina, dia mino ianao fa ny tany no mihodidina amin’ny masoandro, na dia tsy izay aza no hitan’ny masonao. Tsy mino an-jambany fotsiny ianao amin’izay, fa mahatakatra ny tena zava-misy.

Nahoana no ilaina ny finoana?

Finoana misy porofo marim-pototra àry no ampirisihin’ny Baiboly hananantsika. Mety ho voatery hanitsy ny fomba fihevitsika isika, mba hananana finoana matanjaka toy izany. Tena ilaina izy io, satria hoy ny apostoly Paoly: “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra, satria izay manatona azy dia tsy maintsy mino fa misy izy sady mpamaly soa an’izay mitady mafy azy.”—Hebreo 11:6.

Maro anefa ny olana mety hisakana antsika tsy hanana finoana matanjaka. Misy zavatra efatra afaka manampy anao ao amin’ny lahatsoratra manaraka.