Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Momba “ny Farany”?

Momba “ny Farany”?

Inona no Nampianarin’i Jesosy Antsika

Momba “ny Farany”?

Inona no hifarana?

Nanontanian’ny mpianany toy izao i Jesosy: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?” (Matio 24:3) Rehefa namaly i Jesosy dia tsy nilaza hoe ho potika ny tany ara-bakiteny. Niresaka momba “ny rafitr’ity tontolo ity” izy talohan’izay, ka ny rafitra ara-politika sy ara-barotra ary ara-pivavahana eo ambany fifehezan’i Satana no tiany horesahina. (Matio 13:22, 40, 49) Izany àry no tao an-tsainy rehefa niteny izy hoe: “Ho tonga ny farany.”—Matio 24:14.

Inona no nolazain’i Jesosy momba ny farany?

Hifarana ity tontolo manao ny tsy rariny ity. “Vaovao tsara” izany. Hoy i Jesosy: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” Hoy koa izy momba ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity: “Hisy fahoriana lehibe izay mbola tsy nisy toa azy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony. Raha tsy nohafohezina tokoa mantsy izany andro izany, dia tsy hisy nofo hovonjena.”—Matio 24:14, 21, 22.

Iza no horinganina?

Izay olona tsy tia sady tsy manompo an’i Jehovah sy Jesosy ihany. Tsy mankatò an’Andriamanitra mantsy izy ireny. Hoy i Jesosy: ‘Toy ny andron’i Noa, dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona. Fa tamin’izany andro izany, fony mbola tsy tonga ny safodrano, dia tsy niraharaha izy ireo mandra-pahatongan’ny safodrano, izay nifaoka azy rehetra.’ (Matio 24:36-39) Maro no mandeha amin’ny lalana mankany amin’ny fandringanana, hoy i Jesosy. Nanome toky anefa izy fa misy ‘lalana ety mankany amin’ny fiainana.’—Matio 7:13, 14.

Rahoviana no hifarana ny rafitr’ity tontolo ity?

Rehefa nanontaniana momba ny famantarana ny fanatrehany “sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” i Jesosy, dia namaly hoe: ‘Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hamely fanjakana. Ary hisy mosary sy horohoron-tany ary hihamangatsiaka ny fitiavan’ny olona maro, noho ny fitomboan’ny fandikan-dalàna.’ (Matio 24:3-12) Marina fa maro ny vaovao mampalahelo rentsika, nefa mampahery ny dikan’izy ireny. Kely sisa ny Fanjakan’Andriamanitra dia hitondra fiadanana ho an’ny olombelona mankatò. Hoy tokoa i Jesosy: ‘Rehefa hitanareo fa mitranga izany zavatra izany, dia fantaro fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.’—Lioka 21:31.

Inona no tokony hataonao?

Nilaza i Jesosy fa “[nomen’Andriamanitra] ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Tsy afaka maneho finoana an’Andriamanitra sy ny Zanany ianao, raha tsy tena mahafantatra azy ireo. Hoy àry i Jesosy: “Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.”—Jaona 17:3.

Tianao ve ny hahafantatra izay tokony hataonao mba hanehoana fa tia an’Andriamanitra ianao? Aza avela hanakana anao tsy hianatra momba izany ny fanahiana sy ny olana. Hoy i Jesosy: ‘Mitandrema sao ny fonareo hovesaran’ny fanahiana eo amin’ny fiainana, ka tsy hampoizinareo ny hahatongavan’izany andro izany aminareo, fa ho tampoka toy ny fandrika. Fa ho tonga izany.’ Raha manaraka an’io fampitandreman’i Jesosy io ianao, dia ho “afa-mandositra izany zava-drehetra tsy maintsy ho tonga izany.”—Lioka 21:34-36.

Misy fanazavana fanampiny ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? * toko 9, hoe “ ‘Andro Farany’ ve Izao Iainantsika Izao?”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.