Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torohevitra Hahasambatra ny Fianakaviana

Ampio ny Zanakao ho Lasa Olon-dehibe Matotra

Ampio ny Zanakao ho Lasa Olon-dehibe Matotra

“Nahafinaritra ahy taloha ny niresaka tamin’ny zanako lahy. Nihaino tsara ry zareo, ary tonga dia nankatò. Mifanditra foana anefa izahay izao, satria efa mihalehibe izy ireo. Lasa tsy tiany na ny zavatra fanaonay mifandray amin’ny fivavahana aza. Hoy izy: ‘F’angaha isika tsy maintsy miresaka momba ny Baiboly e?’ Efa nahita ray aman-dreny nanana olana tamin-janany ihany aho, saingy tsy nampoiziko mihitsy hoe ho tratran’izany koa.”—Ralay. *

MANAN-JANAKA tanora ve ianao? Anisan’ny fotoana mahaliana indrindra eo amin’ny fitomboan’ny ankizy ny fahatanorana. Mety ho anisan’ny zavatra tena manahiran-tsaina anao koa anefa izany. Tsy vaovao aminao angamba ireto manaraka ireto:

  • Tsy nahafoy anao mihitsy ny zanakao lahy tamin’izy mbola kely. Mihalehibe anefa izy izao, ka te hihataka tsikelikely aminao. Mieritreritra àry ianao hoe ailikiliny.

  • Mpinamana be ianao sy ny zanakao vavy tamin’izy mbola kely, ary notantarainy taminao ny zava-drehetra. Toy ny hoe nisarahany anefa ianao izao, satria nahazo namana vaovao izy.

Mitranga ao aminareo ve ny zavatra toy ireo? Aza mieritreritra avy hatrany hoe lasa mpikomy ny zanakao, ka tsy misy azo atao intsony. Fa inona no mitranga? Andeha hojerentsika hoe inona no mitranga amin’ny ankizy, rehefa mihalehibe izy.

Fiovana lehibe

Mandra-pahalehibeny, dia vaovao amin’ny zaza daholo ny zavatra ataony. Miana-mamindra izy, ohatra, miana-miteny, alefa mianatra. Faly erỳ ny ray aman-dreny rehefa mahavita an’ireny ny zanany. Midika mantsy izany fa mitombo tsara ilay zaza.

Zava-baovao amin’ny ankizy koa ny fahatanorana. Fiovana lehibe eo amin’ny fiainany izy io ary fotoana mahafaly. Tsy toy izany anefa no fahitan’ny ray aman-dreny sasany azy. Manahy izy ireo ary tsy mahagaga izany, satria lasa mbetika faly mbetika tezitra tsy amin’antony ilay zanany nahafinaritra teo iny. Dingana tena lehibe eo amin’ny fitomboan’ny ankizy anefa ny fahatanorana. Ahoana izany?

“Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny”, na ho ela na ho haingana, hoy ny Baiboly. (Genesisy 2:24) Ny fahatanorana àry no tena hanomana ny zanakao ho amin’io fotoana mahafaly sady manahirana io. Ho afaka hilaza toy ny apostoly Paoly izy amin’izay hoe: “Fony aho zaza, dia niteny toy ny zaza, nieritreritra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza. Fa amin’izao izaho efa olon-dehibe izao, dia nesoriko ny toetran-jaza.”—1 Korintianina 13:11.

Izany no ataon’ny zanakao mandritra ny fahatanorany. Ialany ny toetran-jaza ary mianatra mandray andraikitra izy mba hahaleo tena, ka ho vonona handao ny ray aman-dreniny. Milaza ny boky iray fa fotoana iomanan’ny ankizy handao ny ray aman-dreniny ny fahatanorana.

Sarotra aminao angamba izao ny hino hoe io zanakao “kely” io ve dia mba hahavita hahaleo tena. Hoy angamba ianao:

  • “Na ny raharaha asaina ataon’ny zanako lahy aza tsy vitany, ka ahoana moa no ahafahany hitokan-trano?”

  • “Raha tsy zatra manaja ny ora tokony hodiany izao ny zanako vavy, ahoana no hataony rehefa hiasa?”

Izany ve no mampanahy anao? Tadidio fa mila taona maro ny zanakao mba hianarany hahaleo tena, fa tsy ho hainy vetivety izany. Hitanao anefa aloha izao fa “latsa-paka ao am-pon’ny zaza ny hadalana.”—Ohabolana 22:15.

Ho lasa tanora mahay mandray andraikitra anefa izy, raha mahazo tari-dalana tsara ka hanana “fahaiza-misaina efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy.”—Hebreo 5:14.

Torohevitra mba hahombiazana

Azonao atao ve ny mamela ny zanakao hanao zavatra maro kokoa, raha hita hoe mahay mandray andraikitra izy?

Tianao ho lasa olon-dehibe matotra ve ny zanakao? Ampio ‘hampiasa ny sainy’ àry izy mba hahaizany hanapa-kevitra samirery. (Romanina 12:1, 2) Hanampy anao ireto toro lalan’ny Baiboly ireto:

Filipianina 4:5: ‘Aoka ho fantatra fa mahay mandanjalanja ianareo.’ Aoka hatao hoe mangataka ny hanemorana ny ora fodiany ny zanakao. Mandà avy hatrany ianao. Mitaraina izy hoe: “Izaho ataonareo hoatran’ny zazakely foana!” Aza tonga dia mamaly hoe: “Ka tsy hoatran’ny zazakely ve izao ataonao izao e?” Eritrereto kosa izao: Te hanao izay rehetra tiany ny tanora matetika, fa ny ray aman-dreny kosa te hifehifehy be loatra azy. Afaka mba milefitra kely ve ianao indraindray? Nahoana raha miezaka hahazo ny fomba fiheviny, fara faharatsiny?

ANDRAMO IZAO: Soraty ny zavatra iray na roa fanampiny havelanao hataon’ny zanakao. Hazavao aminy fa mbola andrana fotsiny ilay izy. Raha hita hoe mahay mandray andraikitra izy, dia havela hanao zavatra maro kokoa. Hahena kosa ilay izy, raha tsy izany.—Matio 25:21.

Kolosianina 3:21: “Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, mba tsy ho kivy izy.” Misy ray aman-dreny mitady hifehifehy be loatra ny zanany. Raha azony natao, dia ho nohidiany tao an-trano izy ireo, mba hahafahany manara-maso azy. Izy ihany no mifidy izay ho naman’ny zanany, ary henoiny ny resaka ataony amin’ny telefaonina. Hanaratsy zavatra fotsiny anefa izany. Vao mainka mantsy te hitsoaka ilay ankizy, raha voafehifehy loatra. Raha misy namany koa kianinao lava, dia vao mainka ireny no tiany hiarahana. Vao mainka izy te hiresaka an-tsokosoko amin’ny namany, raha henoinao ny resak’izy ireo. Vao mainka àry tsy ho arakao izay ataony, raha mitady hifehifehy loatra azy ianao. Ahoana tokoa moa no hahaizany hanapa-kevitra samirery rehefa hitokan-trano, raha tsy mba avelanao hanao izany mihitsy izy ao an-trano?

ANDRAMO IZAO: Rehefa misy zavatra tianao hanitsiana ny zanakao, dia ampio izy hisaintsaina izay mety ho vokatry ny fanapahan-kevitra raisiny eo amin’ny lazany. Aza kianina, ohatra, ny namany, fa ampisaintsaino kosa izy hoe: “Ahoana raha voasambotra i [anarana] fa nandika lalàna? Dia ahoana no ho fijerin’ny olona anao?” Ataovy tsapany fa mety hanatsara na hanaratsy laza azy ny safidy ataony.—Ohabolana 11:17, 22; 20:11.

Efesianina 6:4: “Aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao hatrany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah izy.” Tsy hoe mampita fanazavana fotsiny ny hoe mitaiza araka ny “fomba fisainan’i Jehovah.” Ampiana koa ilay ankizy hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy, mba hanaovany zavatra mifanaraka amin’izany. Tena ilain’ny zanakao izany rehefa mihalehibe izy. Hoy i Andre, raim-pianakaviana: “Rehefa mihalehibe ny zanakao dia vao mainka ianao tokony hanova ny fomba firesahanao aminy sy hampisaintsaina azy.”—2 Timoty 3:14.

ANDRAMO IZAO: Raha misy zavatra mila iadian-kevitra, dia andramo ampifamadihina ny toeranareo sy ny an’ilay ankizy. Anontanio izy hoe inona no torohevitra mety homeny anareo, raha ianareo no zanany. Asaivo manao fikarohana izy, mba hahitany raha mitombina ny heviny na tsia. Iaraho midinika indray ilay resaka rehefa afaka herinandro.

Galatianina 6:7: “Izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.” Ho takatry ny ankizy kely fa tsy nety ny nataony raha sazina izy. Tsy havela hivoaka ny trano izy, ohatra, na tsy havela hanao zavatra iray tena tiany. Ho an’ireo efa lehibe kosa, dia aleo mampisaintsaina azy ny mety ho vokatry ny ataony.—Ohabolana 6:27.

ANDRAMO IZAO: Avelao izy hizaka ny vokatry ny nataony raha ananan’olona trosa na tsy nisondrotra kilasy. Ho lesona ho azy izany, ka tsy hamerina intsony izy.

Azo antoka fa irinareo ray aman-dreny hisosa tsara ny fahatanoran’ny zanakareo, ary vetivety foana izy dia ho lasa olon-dehibe mahay mandray andraikitra. Mahalana anefa no mitranga izany. Ho azonareo hararaotina kosa io fotoana mahafinaritra io mba ‘hanazarana [azy] amin’izay lalana tokony halehany.’ (Ohabolana 22:6) Misy toro lalana tena mahasoa ao amin’ny Baiboly. Ho sambatra ny fianakavianao raha manaraka azy ireny.

^ feh. 3 Novana ny anarana.

ERITRERETO IZAO:

Ho hain’ny zanako ve ireto, rehefa hitokan-trano izy?

  • manao tsy tapaka an’ireo zavatra mifandray amin’ny fivavahana

  • manapa-kevitra sy manao safidy tsara

  • mifandray aman’olona

  • mikarakara ny fahasalamany

  • mitsitsy vola

  • mikarakara tokantrano

  • manao zavatra avy hatrany fa tsy mila tenenina