Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Harambato eny Amin’ny Rahona

Harambato eny Amin’ny Rahona

Taratasy avy any Papouasie-Nouvelle-Guinée

Harambato eny Amin’ny Rahona

TALATA amin’ny dimy maraina tamin’izay tao Lae, Papouasie-Nouvelle-Guinée, ary nanevokevoka ny andro. Niomankomana ho any Lengbati izahay mivady, mba hitsidika Vavolombelon’i Jehovah vitsivitsy. Tanàna any amin’ny Tendrombohitra Rawlinson any amin’ny Faritanin’i Morobe izy io.

Fiaramanidina antonona olona efatra no nandehananay, ary antsasak’adiny monja izahay dia tonga. Nipetraka teo akaikin’ny mpanamory aho, ary nifampiresaka tamin’ny alalan’ny telefaonina anaty fiaramanidina izahay satria nitabataba be ny maotera. Nohazavainy tamiko ny ilana ireo bokotra samy hafa sy fitaovana famantarana teo anoloanay. Nivazivazy tamiko izy hoe raha misy manjo azy, dia izaho no hitondra ilay fiaramanidina. Tamin’izay indrindra no tadidiko ny zava-nitranga tamin’ny Vavolombelona mpitety faritany iray tatỳ amin’ity faritra ity. Torana ny mpanamory ilay fiaramanidina nandehanany, ka nihodinkodina teny ambony teny foana ilay izy. Nahatsiaro tena ihany izy avy eo, ka afaka nampidina an’ilay izy. Soa ihany fa tsy nisy sampona ny dianay.

Nisidina teo akaikin’ny tandavan-tendrombohitra iray izahay, ary nivily teo amin’ny faritra iray tsy nisy rahona. Nanapaka teo ambonin’ny tendrombohitra iray izahay avy eo. Zato metatra teo ho eo monja ny elanelanay tamin’izy io. Io fa tazanay ny tanànan’i Lengbati. Trano hazo maromaro mitafo bozaka no eo amin’ilay tanàna. Nijery tsara ny toerana fipetrahan’ilay fiaramanidina aloha ilay mpanamory, sao nisy ankizy nilalao baolina teo na nisy lavaka nataon’ny kisoa. Nahodiny avy eo ilay fiaramanidina, ary hoy izy: “Tsy misy olana. Afaka midina isika.” Tafapetraka soa aman-tsara teo amin’ilay seranana kely izahay. Nohadin’ny mponina teo amin’ny tehezan’ilay tendrombohitra izy io, ary vao haingana no norakofany potipotika vatosokay nalaina avy amin’ny tendrombohitra teo akaiky teo.

Nandinika ny faritra nohadina teo amin’ilay tendrombohitra aho, tamin’ny dianay teo aloha. Nanontany tena aho hoe: ‘Hafiriana moa izay no efa nisian’ity tandavan-tendrombohitra vatosokay ity?’ Harambato tany amin’ny an-jatony kilaometatra tany ambany ranomasina izy ity taloha, ary nisondrotra ka efatra kilaometatra no miseho etỳ ambony. Eritrereto ange ny hery nilaina mba hanosehana azy io hiakatra e! Toy ny hoe nijoro teo amin’ny harambato teny amin’ny rahona izahay, rehefa nivoaka an’ilay fiaramanidina.

Nihazakazaka nanatona anay ny olona tao an-tanàna, raha vao nandre ny feon’ilay fiaramanidina tonga. Rehefa novonoin’ilay mpanamory ny maotera, dia tamy ny lehilahy iray atao hoe Zung. Izy no anisan’ny mitarika ny fampianarana Baiboly isan-kerinandro ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ilay faritra. Malaza ho madio fitondran-tena sy azo itokisana izy. Miaiky izy fa ny fiezahany hankatò ny toro lalan’ny Baiboly no mahatonga azy ho toy izany. Nifampiarahaba izahay, ary nidina an’ilay tendrombohitra niaraka tamin’ny Vavolombelona hafa. Nisy ankizy maromaro koa nanaraka anay, ary niady hitondra ny kitaponay.

Tonga teo amin’ny trano hazo iray naorin’ny Vavolombelona izahay, rehefa nidina kelikely. Fivantanan’ny mpiandraikitra mpitety faritany isaky ny enim-bolana izy io. Tany mafana i Papouasie, nefa nangatsiaka be teo amin’ilay faritra nalehanay. Avo toerana mantsy izy io. Matetika izahay amin’ny alina no mahita rahona miditra eo amin’ny makarakara amin’ny gorodona, rehefa mandrehitra jiro solitany. Miakatra moramora avy any an-dohasaha mantsy ilay izy amin’ny tolakandro. Nangatsiaka be izahay ka tsy maintsy nanao akanjo mafana. Hafahafa ihany izany satria vao tsy ela izahay no matin’ny hafanana tany amoron-tsiraka.

Tamin’ny 1985 tany ho any, dia nisy lehilahy avy any Lengbati nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Lae. Nody izy ary nisy olona vitsivitsy nanampy azy hanorina trano kely fivoriana. Tena faly izy ireo rehefa vita ilay trano. Nodoran’ny pasitera loteranina sy ireo mpanohana azy anefa izy io, ka potika tanteraka. Nilaza izy ireo fa tsy tokony hisy fivavahana ankoatra ny Loteranina eo amin’ilay faritra. Nanorina efitrano fivoriana vaovao indray anefa ny Vavolombelona, na dia teo aza ny fanenjehana. Tsy vitan’izay fa nihamaro hatrany izy ireo. Misy 50 eo ho eo izao ny mpitory any. Lasa mpitory be zotom-po mihitsy aza ny sasany tamin’ireo nanenjika.

Maro amin’ny olona any izao no mandray tsara ny Vavolombelon’i Jehovah, ka manaiky hampianarin’izy ireo Baiboly. Vitsy ny mahay taratasy ao amin’ilay tanàna. Nila nianatra namaky teny àry ny ankamaroan’ny Vavolombelona any, mba hahafahany hitory amin’ny hafa. Efa ho 200 izao ny olona tonga manatrika ny fivorian’izy ireo, isan-kerinandro.

Tsy misy herinaratra any. Mitangorona eo amorom-patana izahay, amin’ny hariva, ka miara-misakafo sy miresaka ary mihomehy. Hitanay avy tamin’ny hazavan’ny afo fa miramirana erỳ ireo namanay. Faly tokoa izy ireo manompo an’i Jehovah. Nody izahay, rehefa nandroso ho alina ny andro. Naka bombom na ravina palmie mbola mirehitra avy ao am-patana ny sasany taminay, mba hitsilovana ny lalana mody.

Nangina erỳ teo an-tokotany, fa ny feon’ny zavaboary ihany no nandrotsirotsy anay. Nitazana faramparany ny lanitra izahay talohan’ny hatoriana. Maro be ny kintana hitanay avy teo amin’ilay toerana avo, ka talanjona izahay.

Tsy hitahita akory dia tapitra ilay herinandro nijanonanay tany. Niandry an’ilay fiaramanidina haka anay ny ampitson’iny izahay. Indray alina sisa izahay no hatory ao anatin’ny rahon’i Lengbati mangatsiatsiaka, ary hiverina indray any amoron-tsiraka mafana sy mando.