Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza moa ny Alfa sy Omega?

Iza moa ny Alfa sy Omega?

Iza moa ny Alfa sy Omega?

IREO no anaran’ny litera voalohany sy farany amin’ny abidy grika, ary intelo izy ireo no ampiasaina ho toy ny anaram-boninahitra ao amin’ny Apokalypsy. Hita ao amin’ny Apokalypsy 1:11 koa ireo teny ireo, ao amin’ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques (anglisy). Nesorina tao amin’ny fandikan-teny maoderina maro anefa izy ireo, ao amin’io andininy io, satria tsy hita ao amin’ireo sora-tanana grika tranainy, toy ny Kôdeksa Alexandrinus sy ny Kôdeksa Sinaiticus ary ny Kôdeksa Ephraemi rescriptus.

Mpivaofy teny maro no milaza fa Andriamanitra sy Kristy no tondroin’io anaram-boninahitra io. I Jehovah Andriamanitra irery anefa no tondroin’izy io, rehefa jerena tsara ny nampiasana azy. Asehon’ny Apokalypsy 1:1 fa avy amin’Andriamanitra ilay fanambarana, ary nampitainy tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Andriamanitra àry indraindray no niteny (tamin’ny alalan’ny anjely), fa i Jesosy Kristy kosa tamin’ny fotoana hafa. (Apokalypsy 22:8) Izany no mahatonga ny Apokalypsy 1:8 (Fandikan-teny Protestanta) hilaza hoe: “Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra [“Jehovah Andriamanitra”, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao], Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha.” Mazava fa ilay Andriamanitra “Tsitoha” no resahina eo, na dia miresaka momba an’i Jesosy Kristy aza ilay andininy eo aloha. Hoy ny Fanamarihan’i Barnes Momba ny Testamenta Vaovao (1974, anglisy) momba izany: “Tsy tena azo antoka hoe i Jesosy Tompo no tian’ilay mpanoratra horesahina eo. ... Tsy diso koa isika raha mihevitra fa Andriamanitra no tiany holazaina.”

Hita ao amin’ny Apokalypsy 21:6 koa ilay anaram-boninahitra, ary asehon’ny andininy manaraka hoe iza ilay miteny. Hoy ny andininy 7: “Izay mandresy dia handova izany, ka ho Andriamaniny aho ary izy ho zanako.” ‘Rahalahy’ fa tsy ‘zanaka’ no iantsoan’i Jesosy an’ireo hiaraka aminy handova an’ilay Fanjakana. Tsy maintsy ho i Jehovah Andriamanitra, ilay Rainy any an-danitra, àry no miteny eo.—Matio 25:40; ampitahao amin’ny Hebreo 2:10-12.

Ao amin’ny Apokalypsy 22:13 no ahitana farany an’ilay anaram-boninahitra. Hoy izy io: “Izaho no Alfa sy Omega, ny voalohany sy ny farany, ny fiandohana sy ny fiafarana.” Hita fa maromaro ny olona miteny ao amin’io toko io. Asehon’ny andininy Apok 8 sy 9 fa niresaka tamin’i Jaona ilay anjely. I Jesosy no miteny eo amin’ny andininy Apok 16, fa ny “fanahy sy ny ampakarina” kosa no miteny eo am-piandohan’ny andininy Apok 17. Miharihary fa i Jaona no miteny eo amin’ny faran’ny andininy Apok 20. Ara-dalàna àry ny hilazana fa ilay “Alfa sy Omega” ao amin’ny Apokalypsy 1:8 sy 21:6 ihany ilay ao amin’ny Apok 22:12-15. Tsy iza izany fa i Jehovah Andriamanitra. Tsy voatery ho i Jesosy ilay miteny eo amin’ny andininy Apok 12 hoe “ho avy haingana aho.” Milaza koa mantsy Andriamanitra fa “ho avy” na hivoaka mba hampihatra didim-pitsarana izy. (Ampitahao amin’ny Isaia 26:21.) Resahin’ny Malakia 3:1-6 fa olona roa no hiaraka hampihatra didim-pitsarana, dia i Jehovah sy ilay “iraky ny fifanekena.”

Mitovy amin’ny hoe ‘voalohany sy farany’ sy hoe ‘fiandohana sy fiafarana’ ilay anaram-boninahitra hoe “Alfa sy Omega”, rehefa manondro an’i Jehovah. Tsy nisy Andriamanitra Mahery Indrindra talohany, ary tsy hisy koa aoriany. Ho voalaminy ilay adihevitra momba ny hoe iza no tena Andriamanitra, ary ho voamarina mandrakizay hoe izy ihany no Mahery Indrindra.—Ampitahao amin’ny Isaia 44:6.