Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Lamban’akoho ka Faty no Hisarahana”

“Lamban’akoho ka Faty no Hisarahana”

“Lamban’akoho ka Faty no Hisarahana”

MARO ny mpivady milaza an’ireo teny ireo amin’ny andron’ny mariaziny. Tsy ao an-tsainy mihitsy hoe mety ho faty tokoa ny iray amin’izy ireo. Olona maro no mamoy tampoka ny vadiny, noho ny fahanterana na aretina na loza. Mahatsiaro ho manirery sy ory izy ireny.—Mpitoriteny 9:11; Romanina 5:12.

Hita tamin’ny fanadihadiana natao fa efa ho ny antsasaky ny vehivavy 65 taona no ho miakatra no maty vady. Rehefa nojerena koa ny isan’ny olona maty vady, dia hita fa maro kokoa ny vehivavy noho ny lehilahy. Misy milaza àry fa zavatra “mpahazo ny vehivavy” izy io. Tsy midika anefa izany hoe tsy ianjadian’izy io mihitsy ny lehilahy. Olona an-tapitrisany no efa namoy vady, na lahy izy na vavy. Iray amin’ireny ve ianao?

Raha eny, inona no azonao atao? Afaka manampy anao hizaka ny fahorianao ve ny Baiboly? Inona no nanampy an’ireo efa maty vady? Mety tsy hitovy ny zavatra ilain’ny olona rehetra, nefa ireto misy toro lalana sy soso-kevitra vitsivitsy.

Fomba hizakana ny alahelo

Misy mihevitra fa tsy matanja-tsaina izay mitomany. Tsy mahasoa koa, hono, izany. Nilaza anefa ny Pr. Joyce Brothers, izay efa maty vady, fa fomba haingana indrindra hanamaivanana ny alahelo ny tomany. Ara-dalàna ny mitomany sady manamaivana ny fahoriana. Aza menatra mitomany àry. Nisy olona nanao izany fahiny. Lehilahy nanana finoana niavaka i Abrahama, ary nantsoina hoe naman’Andriamanitra. Rehefa maty anefa ny vady malalany, dia “niditra i Abrahama mba haneho ny alahelony an’i Saraha sy hitomany azy.”—Genesisy 23:2.

Marina fa te ho irery ianao indraindray, nefa aza mitokantokana. Hoy ny Ohabolana 18:1: “Izay mitokantokana dia tsy mitady afa-tsy izay mahafinaritra ny tenany.” Miaraha amin’ny havana na namana mahay mangoraka. Ahitana olona matotra afaka mampahery sy manoro hevitra anao eo anivon’ny fiangonana kristianina.—Isaia 32:1, 2.

Misy koa mahita fa mahasoa ny mamaly ny taratasy na karta nalefan’ny olona. Azonao soratana izay zavatra tsara tadidinao momba ny vadinao sy ny fotoana mamy niarahanareo. Mety ho maivana koa ny alahelonao, raha manao kahie fahatsiarovana ianao, ka apetakao ao izay sary sy taratasy mampahery anao.

Mety hiovaova be ny fihetseham-ponao amin’ny voalohany. Tsara àry raha tsy ovaovanao ny zavatra efa fanaonao, toy ny fotoana andehananao matory, ifohazana, na isakafoana. Eritrereto mialoha izay hataonao isaky ny faran’ny herinandro sy amin’ny andro itsingerenan’ny mariazinareo, sy ny sisa. Amin’izay mantsy no tena mafy ny fahoriana. Aoka koa ianao ho be atao foana amin’ny asan’ny Tompo.—1 Korintianina 15:58.

Mety hanao zavatra tsy voahevitra ianao rehefa malahelo be. Mety hisy olona fetsifetsy hanararaotra anao mihitsy aza. Tandremo àry sao maimaika hanapa-kevitra, ka hivarotra trano, na hampiasa vola be, na hifindra monina, na hanambady indray. Hoy ny ohabolana iray: “Ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto, fa hahantra kosa izay rehetra maimaika.” (Ohabolana 21:5) Tsy tokony handray fanapahan-kevitra lehibe toy ireo ianao, raha tsy efa misinda kokoa ny alahelonao.

Mety ho mafy be aminao ny mikarakara ny entan’ny vadinao, indrindra raha efa ela ianareo no nivady. Ara-dalàna izany. Ho ela kokoa anefa vao hisinda ny alahelonao, raha mangataka andro ianao. (Salamo 6:6) Tianao angamba raha ianao irery no mikarakara ny entan’ny vadinao. Misy koa anefa mitady namana akaiky hanampy azy. Amin’izay mantsy mba misy miara-miory aminy. Azonao atao koa ny miangavy namana na havana mba hikarakara an’ireto: Taratasy fanamarinam-pahafatesana, fampandrenesana ny fanjakana sy ny banky, taratasy momba ny fananana sy ny fisotroan-dronono, fandoavana ny saram-pitsaboana, sy ny sisa.

Tadidio fa miaina eo anivon’ny tontolo ratsy fitondran-tena isika. Mety tsy ho mora aminao àry ny hadio fitondran-tena satria efa irery ianao. Amin’izao indrindra no tena ilaina ny manaraka ny tenin’ny apostoly Paoly hoe: ‘Mahaiza mifehy tena, amin’ny fahamasinana sy ny haja, fa tsy amin’ny filan’ny nofo tsy mety afa-po, toy ny filan’ny hafa firenena tsy mahalala an’Andriamanitra.’ (1 Tesalonianina 4:4, 5) Halaviro àry ny filma, boky, na mozika manaitra ny filan’ny nofo.

Tadidio koa fa tsy misinda vetivety ny alahelo. Afaka herintaona sy tapany, fara fahakeliny, vao tsy malahelo be intsony ny olona maty vady, araka ny Foibem-pikarohana Momba ny Fiaraha-monina ao amin’ny Oniversiten’i Michigan. Mivavaha mba hanananao faharetana. Hanam-paharetana kokoa ianao raha manana ny vokatry ny fanahy. (Galatianina 5:22, 23) Hihamaivana miandalana ny fahorianao, na dia tsy mino izany aza ianao ankehitriny.

Inona no nanampy an’ireo maty vady?

Maty vao haingana ny vadin’i Anna. Tena mafy taminy ilay izy, satria efa 40 taona ry zareo no nivady. Hoy izy: ‘Maty ny reniko tamin’izaho 13 taona, avy eo ny dadako sy ny anadahiko roa ary ny rahavaviko. Ny nahafatesan’i Darryl vadiko anefa no mafy indrindra tamiko. Toy ny hoe nesorina ny antsasaky ny tenako, ka tena nangirifiry aho.’ Inona no nanampy azy hizaka izany? “Nakambako ho boky ny taratasy sy ny karta nalefan’ny olona. Feno teny mamy sy fankasitrahana an’ireo toetra tsaran’i Darryl izy ireny. Mino aho fa mahatsiaro azy koa i Jehovah, ary hanangana azy amin’ny maty.”

Inona kosa no nanampy an’i Esther, izay 88 taona? Hoy izy: “Efa 46 taona izahay no nivady, ka tena lasa nanirery aho rehefa tsy teo intsony izy. Niezaka ny ho be atao amin’ny asan’ny Tompo anefa aho, ary tena nanampy ahy izany. Nanatrika fivoriana kristianina foana aho, namaky Baiboly tsy tapaka, ary nitory tamin’ny hafa. Tsy nitokantokana koa aho, fa nitady namana afaka mihaino ahy. Tsy voatery hanan-kolazaina foana izy ireo, nefa efa mahafaly ahy ny mahita azy mahafoy fotoana ihainoana ahy.”

Matin’ny kansera ny vadin’i Robert, rehefa avy niaraka nandritra ny 48 taona izy ireo. Hoy izy: “Tena tsy mora ny mamoy olona namborahanao ny fihetseham-ponao, niara-nanapa-kevitra taminao, niara-nanao dia lavitra sy vakansy taminao, ary nilazanao izay nitranga nandritra ny andro. Mafy ilay izy nefa tapa-kevitra aho fa tsy hilavo lefona. Miezaka manao zavatra aho mba ho verivery dia. Tena nampionona ahy koa ny vavaka.”

Afaka ny ho sambatra indray ianao

Anisan’ny mangidy indrindra izany hoe mamoy vady malala izany. Tsy hoe potika hatreo anefa ny fiainanao. Jereo izay zavatra tsara azonao atao. Mety ho afaka hanao dia lavitra na hiala voly kokoa, ohatra, ianao raha tsy dia nanam-potoana tamin’izany taloha. Mety hameno an’ilay fahabangana izany. Afaka manompo bebe kokoa angamba ny Kristianina sasany. Ho faly sy ho afa-po ianao rehefa manampy ny hafa, satria hoy i Jesosy: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—Asan’ny Apostoly 20:35.

Aza mihevitra hoe tsy ho sambatra intsony ianao. Matokia fa hikarakara anao i Jehovah Andriamanitra, raha miantehitra aminy ianao. Hoy i Davida mpanao salamo: ‘Manao izay hahamaivana ny fahorian’ny mpitondratena i Jehovah.’ (Salamo 146:9) Milaza ny Baiboly fa “Rain’ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra” izy, ary ‘manokatra ny tanany, ka manome fahafaham-po ny fanirian’ny zavamananaina rehetra.’ (2 Korintianina 1:3; Salamo 145:16) Tena mampahery izany. Sady afaka manampy an’izay mitalaho aminy i Jehovah, ilay Andriamanitra fitiavana, no vonona hanao izany koa. Enga anie ianao ka hiombon-kevitra amin’ny Israelita, izay nihira hoe: “Hanopy ny masoko eny amin’ny tendrombohitra aho. Avy aiza no hahazoako fanampiana? Avy amin’i Jehovah no ahazoako fanampiana, eny, avy amin’ilay Mpanao ny lanitra sy ny tany.”—Salamo 121:1, 2.

[Teny notsongaina, pejy 19]

Olona an-tapitrisany no ory sy manirery satria namoy vady. Iray amin’ireny ve ianao?

[Efajoro, pejy 21]

Mbola Hanambady sa Tsia?

Afaka amin’ny voadim-panambadiana ny olona iray rehefa maty ny vadiny. Mahazo manambady indray àry izy. (1 Korintianina 7:39) Fanapahan-kevitrao samirery anefa izany. Na izany aza, dia tokony hilazana ihany ny ankizy. Tokony hanaiky ny fanapahan-kevitry ny rainy na ny reniny izy ireo, raha mbola azo atao. (Filipianina 2:4) Sosotra, ohatra, i Andrés tamin’ny voalohany, rehefa hoe hanambady indray ny rainy. Tiany be mantsy ny reniny, ka tsy tiany hisy olona haka ny toerany. Hoy anefa izy: “Hitako fa nety ny fanapahan-kevitr’i Dada. Nanjary falifaly indray izy rehefa nanambady. Lasa nanao dia lavitra indray, ohatra, izy na dia najanony aza izany teo aloha. Hitako koa fa nikarakara azy tsara sy tena tia azy ilay vehivavy nalainy ho vady.”

[Sary, pejy 20, 21]

Hisinda ny alahelonao raha be atao ianao, ary mivavaka mba hanana faharetana