Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana ny Hevitr’i Jesosy?

Ahoana ny Hevitr’i Jesosy?

Ahoana ny Hevitr’i Jesosy?

MILAZA ny Filazantsara fa imbetsaka i Jesosy no nisy nampirisika hanao politika. Vao vita batisa kelikely, ohatra, izy tamin’izy 30 taona teo ho eo, dia notadiavin’ny Devoly hatao mpitondra an’izao tontolo izao. Taorian’izay indray, dia noteren’ny olona hatao mpanjaka izy. Nampirisihin’ny olona ho lasa mpanohana antoko politika koa izy tatỳ aoriana. Ahoana anefa no nataony?

Mpitondra an’izao tontolo izao. Milaza ny Filazantsara fa nomen’ny Devoly an’i Jesosy “ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao.” Azo antoka fa tsy handa an’izany raha olona tia politika sy mitady izay hahasoa ny olona. Tsy nanaiky anefa i Jesosy na dia nety ho betsaka aza ny zavatra tsara azony natao ho an’ny olona nijaly. Tsy maintsy ho nisy antony tsara àry matoa izy nanda.—Matio 4:8-11.

Mpanjaka. Nisy olana ara-toe-karena sy ara-politika tamin’ny andron’i Jesosy, ka te hanana mpitondra mahavaha an’izany ny olona. Hitan’izy ireo hoe tena nahay i Jesosy ka notadiaviny hatao mpanjaka. Hoy anefa i Jaona: “Rehefa fantatr’i Jesosy fa efa ho avy izy ireo haka azy an-keriny hataony mpanjaka, dia niala teo izy ka nankany an-tendrombohitra indray izy irery.” (Jaona 6:10-15) Tena tsy nanaiky hanao politika mihitsy àry i Jesosy.

Mpanohana antoko politika. Niresaka tamin’i Jesosy ny mpianatry ny Fariseo sy ny mpomba an’i Heroda, taloha kelin’ny nahafatesan’i Jesosy. Anisan’ny antoko politika samy hafa izy ireo. Ny mpianatry ny Fariseo tsy te ho zanahin’ny Romanina intsony, fa ny mpomba an’i Heroda kosa niandany tamin’ny Romanina. Te hanery an’i Jesosy hanohana antoko politika izy ireo, ka nanontaniany izy raha tokony handoa hetra tamin’ny fanjakana romanina ny Jiosy na tsia.

Izao no navalin’i Jesosy: “Nahoana ianareo no mamandrika ahy? Itondray denaria iray aho hojerena.” Dia nitondra izy ireo ka hoy indray izy: “Sarin’iza io ary an’iza io soratra eo io?” Dia namaly izy ireo hoe: “An’i Kaisara.” Niteny àry i Jesosy hoe: “Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.” (Marka 12:13-17) Hoy ny boky Ny Eglizy sy ny Fanjakana (anglisy), momba izany: “Tsy nanaiky hanao politika mihitsy ny Mesia, fa navahany tsara izay tokony ho an’i Kaisara sy izay tokony ho an’Andriamanitra.”

Tsy hoe tsy niraharaha ny fahantrana sy ny kolikoly ary ny tsy rariny nisy tamin’izany akory i Kristy. Na ny Baiboly aza mantsy milaza fa nalahelo be izy nahita olona nijaly. (Marka 6:33, 34) Mbola tsy nanafoana ny tsy rariny anefa i Jesosy, na dia nanery azy hanao politika aza ny olona sasany.

Raha izay àry no jerena, dia tena tsy niditra tamin’ny politika mihitsy i Jesosy. Ary ahoana ny amin’ny Kristianina ankehitriny?