Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Hanao Politika ve ny Kristianina?

Tokony Hanao Politika ve ny Kristianina?

Tokony Hanao Politika ve ny Kristianina?

TSY manao politika ny tena Kristianina ankehitriny, satria manahaka an’i Jesosy. “Tsy anisan’izao tontolo izao” i Jesosy ka “tsy anisan’izao tontolo izao” koa ny mpanara-dia azy. (Jaona 15:19; 17:14) Andeha isika handinika antony hafa tsy tokony hanaovan’ny Kristianina politika.

1. Tsy mahaleo tena ny olombelona. Milaza i Jeremia mpaminany fa “tsy natao hitondra samirery ny fiainany” ny olona. (Jeremia 10:23) Tsy ho tafavoaka mihitsy àry ny olona raha izy samy izy ihany no mifampitondra. Tsy manan-jo hanao izany koa izy ireo.

Tsy noforonina mba hahavita tena ka hifampitondra ny olombelona, tsy misy hafa amin’ny hoe tsy natao hahavita hanidina samirery. Hoy, ohatra, i David Fromkin, mpahay tantara: “Olombelona daholo no ao amin’ny fitondram-panjakana, ka tsy mahagaga raha tsy mahomby izy ireo indraindray. Tsy fantatra koa izay hitranga aminy, sady voafetra ihany ny fahefana ananany.” Tsy mahagaga àry raha mampitandrina antsika ny Baiboly hoe aza matoky ny olombelona.—Salamo 146:3.

2. Ny anjely ratsy no tena mitondra an’izao tontolo izao. Nomen’i Satana Devoly an’i Jesosy ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao, indray andro. Tsy niteny mihitsy anefa i Jesosy tamin’izay hoe tsy manana fahefana hanao an’izany ny Devoly. Nilaza aza izy taorian’izay fa i Satana no “mpitondra an’izao tontolo izao.” Na i Paoly koa aza nilaza an’izany. (Jaona 14:30; 2 Korintianina 4:4) Hoy koa izy tamin’ny Kristianina namany: ‘Mitolona amin’ny mpanjakan’izao tontolo anaty haizina izao isika, sady mitolona amin’ireo fanahy ratsy any amin’ny faritry ny lanitra.’ (Efesianina 6:12) Ny anjely ratsy àry no tena mitondra an’izao tontolo izao, saingy betsaka no tsy mahalala an’izany. Rariny raha tsy manao politika ny Kristianina.

Toy ny sambokely asamboaravoaran’ny rivo-mahery eny an-dranomasina ny fitondram-panjakana. Toy ny tantsambo kosa ny mpanao politika. Tsy mahavita na inona na inona izy ireo anoherana an’ilay rivo-mahery, izany hoe ny anjely ratsy. Taomin’ireny anjely ireny anefa ny olona mba hanao ratsy sy tsy hiova intsony, ary ataony izay hampisy “loza” etỳ an-tany. (Apokalypsy 12:12) I Jehovah ihany àry no mahavita mitondra fanovana etỳ an-tany, satria izy mahery lavitra noho i Satana sy ny demonia.—Salamo 83:18; Jeremia 10:7, 10.

3. Ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no tohanan’ny tena Kristianina. Fantatr’i Jesosy sy ny mpianany fa hanorina fanjakana iray any an-danitra Andriamanitra, ary efa misy fotoana atokany ho amin’izany. Antsoin’ny Baiboly hoe Fanjakan’Andriamanitra izy io, ary hitondra ny tany manontolo ka i Jesosy no ho Mpanjaka. (Apokalypsy 11:15) ‘Ny vaovao tsara’ momba an’io Fanjakana io no tena nampianarin’i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany, satria hitondra soa ho an’ny olona rehetra izy io. (Lioka 4:43) Nampianatra ny mpianany hivavaka mihitsy aza izy hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao!” Hatao etỳ an-tany toy ny any an-danitra mantsy ny sitrapon’Andriamanitra rehefa hitondra io Fanjakana io.—Matio 6:9, 10.

Inona àry no hanjo ny fanjakan’olombelona? Milaza ny Baiboly fa ho ringana ny fitondrana any amin’ny “tany rehetra misy mponina.” (Apokalypsy 16:14; 19:19-21) Tsy hanohana ny fitondran’olombelona mihitsy ny olona iray raha tena mino fa efa handringana azy ireny ny Fanjakan’Andriamanitra. Toy ny hoe manohitra an’Andriamanitra mihitsy aza izy raha manohana azy ireny.

Tsy miraharaha izay hampandroso ny fiaraha-monina ve anefa ny tena Kristianina matoa tsy manao politika? Hiresaka izany ny lahatsoratra manaraka.

[Teny notsongaina, pejy 7]

Tsy manao politika ny Vavolombelon’i Jehovah, fa manao izay hahafantaran’ny olona ny Fanjakan’Andriamanitra