Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manao Tsara ny Andraikiny ny Tena Kristianina

Manao Tsara ny Andraikiny ny Tena Kristianina

Manao Tsara ny Andraikiny ny Tena Kristianina

INONA no nataon’i Jesosy tamin’izy nanompo an’Andriamanitra tetỳ an-tany? Hijery roa amin’izany isika. Voalohany, niezaka nanova ny toetran’ny olona izy, fa tsy nanova ny politikan’ny fanjakana. Diniho, ohatra, ilay toriteniny teo an-tendrombohitra. Nilaza izy fa sambatra izay ‘mahatsapa fa mila an’Andriamanitra, malemy fanahy, madio am-po, ary mpampihavana.’ (Matio 5:1-11) Nampianatra ny mpanara-dia azy koa izy hoe zava-dehibe ny manana toe-tsaina tsara, ka mitovy hevitra amin’Andriamanitra momba ny atao hoe tsara sy ratsy. Nilaza koa izy fa zava-dehibe ny manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo.

Faharoa, nanampy ny olona nijaly izy satria nalahelo azy ireo. Tsy niezaka nanafoana ny fijaliana anefa izy. (Matio 20:30-34) Nanasitrana ny marary, ohatra, izy fa tsy nanala ny aretina rehetra. (Lioka 6:17-19) Nanampy ny olona nisy nampijaly izy, fa tsy nanafoana ny tsy rariny. Nanome sakafo ny olona noana koa izy, fa tsy nanala ny mosary.—Marka 6:41-44.

Manova ny toetran’ny olona sy manampy an’ireo mijaly

Nahoana i Jesosy no tsy nanafoana ny fijaliana sy tsy nanova ny politikan’ny fanjakana, fa niezaka nanova ny toetran’ny olona sy nanampy izay nijaly? Fantatr’i Jesosy fa hampiasa ny Fanjakany Andriamanitra, mba handringana ny fitondran’olombelona rehetra sy hanafoana ny fijaliana. (Lioka 4:43; 8:1) Rehefa notenenin’ny mpianany àry izy, indray andro, hoe mbola betsaka ny marary mitady azy mba hositraniny, dia nilaza izy hoe: “Andao isika ho any an-toeran-kafa, ho any amin’ny tanàna manodidina, mba hitoriako any koa, fa izany no nahatongavako.” (Marka 1:32-38) Marina fa nanampy an’ireo nijaly i Jesosy. Ny fitoriana sy ny fampianarana ny tenin’Andriamanitra anefa no zava-dehibe taminy.

Manahaka an’i Jesosy ny Vavolombelon’i Jehovah. Marina fa manampy ny olona sahirana izy ireo. Tsy miezaka manafoana ny tsy rariny sy ny fijaliana eto amin’ity tontolo ity anefa izy ireo, satria fantany fa ny Fanjakan’Andriamanitra no hanao izany. (Matio 6:10) Tsy manova ny politikan’ny fanjakana koa izy ireo, fa miezaka manova ny toetran’ny olona, toy ny nataon’i Jesosy. Ny toetran’ny olona mantsy no tena mahatonga olana fa tsy ny politika.

Manao tsara ny andraikiny

Manaiky koa anefa ny Vavolombelon’i Jehovah fa adidin’ny Kristianina ny manaja ny fitondram-panjakana. Hita amin’ny bokin’izy ireo sy ny zavatra toriny fa mampirisika ny olona hankatò lalàna izy ireo. Raha mifanohitra amin’izay takin’Andriamanitra anefa ny zavatra asain’ny fitondrana atao, dia tsy manaiky izy ireo. Andriamanitra mantsy no mpitondra azy ireo ka ‘izy no tsy maintsy ankatoaviny, fa tsy olona.’—Asan’ny Apostoly 5:29; Romanina 13:1-7.

Mitsidika ny mpiara-monina aminy ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hampianatra Baiboly maimaim-poana. Betsaka no niova vokatr’izany. Ana hetsiny isan-taona no nahavita niala tamin’ny sigara sy toaka ary rongony. Nisy koa tsy niloka sy tsy nijangajanga intsony. Lasa olona tsara izy ireo satria nampihatra ny fitsipiky ny Baiboly.—Jereo ilay lahatsoratra hoe “Manova Olona ny Baiboly”, ao amin’ny pejy 18.

Lasa mifanaja sy mifampiresaka tsara koa ny fianakaviana rehefa mianatra Baiboly, na ny mpivady izany, na ny ray aman-dreny sy zanaka, na ny ankizy samy ankizy. Lasa mifankatia kokoa izy ireo, ka misy vokany tsara eo amin’ny fiaraha-monina izany.

Hita avy tamin’ity andian-dahatsoratra ity àry fa tsy tokony hiaraka mihitsy ny fivavahana sy ny politika. Hitantsika koa fa tokony hanao ny andraikiny eo amin’ny fiaraha-monina ny tena Kristianina, ka hanaraka an’ilay didin’i Jesosy hoe tokony ho toy ny sira sy jiro izy ireo.

Raha arahinao ny torohevitra voaresaka tato, dia handray soa ianao sy ny fianakavianao ary na ny mpiara-monina aminao koa aza. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah eny an-tanànanao hiresaka aminao momba ny fampianarana Baiboly ataon’izy ireo. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Afaka mijery ao amin’ny Internet ao amin’ny www.watchtower.org koa ianao.

[Teny notsongaina, pejy 10]

Niezaka nanova ny toetran’ny olona i Jesosy, fa tsy nanova ny politikan’ny fanjakana

[Teny notsongaina, pejy 11]

Manao tsara ny andraikiny eo amin’ny fiaraha-monina ny Vavolombelon’i Jehovah