Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Izao Lazaina Rehefa Mivavaka: “Ray Ô”’

‘Izao Lazaina Rehefa Mivavaka: “Ray Ô”’

‘Izao Lazaina Rehefa Mivavaka: “Ray Ô”’

Inona no tonga ao an-tsainao amin’ilay teny hoe “Ray”? Lehilahy be fitiavana sy tsara fanahy izay tena mikarakara ny vady aman-janany, sa lehilahy tsy mivaky loha na ratsy toetra mihitsy aza? Miankina amin’ny toetran’ny rainao ny valin-teninao.

MATETIKA i Jesosy no nampiasa an’ilay teny hoe “Ray” rehefa nivavaka sy niresaka momba an’Andriamanitra. * Hoy izy rehefa nampianatra ny mpanara-dia azy hivavaka: ‘Izao lazaina rehefa mivavaka ianareo: “Ray ô.”’ (Lioka 11:2) Ray manao ahoana i Jehovah? Tena ilaina ny valin’io fanontaniana io. Ho akaiky kokoa an’i Jehovah sy ho tia azy kokoa mantsy isika raha fantatsika izany.

I Jesosy no tsara toerana indrindra mba hilaza amintsika ny momba an’ilay Raintsika any an-danitra, satria nifandray akaiky tamin’ny Rainy izy. Hoy izy: “Tsy misy tena mahafantatra ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na tena mahafantatra ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hampiharihariana azy.” (Matio 11:27) Tsy tena hahafantatra ny Ray àry isika raha tsy amin’ny alalan’ny Zanaka.

Inona no azontsika ianarana avy amin’i Jesosy momba an’ilay Raintsika any an-danitra? Hoy i Jesosy: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Nasehon’i Jesosy teo fa ny fitiavana no toetra lehibe indrindra ananan’ilay Raintsika any an-danitra. (1 Jaona 4:8) Maro ny fomba anehoan’i Jehovah ny fitiavany, ohatra hoe rehefa mankasitraka antsika izy, mangoraka, miaro, mifehy, ary mikarakara antsika.

Mankasitraka antsika ilay Raintsika

Lasa sahy sy mahazo hery ny ankizy rehefa ankasitrahan’ny ray aman-dreniny. Azo antoka fa nampahery an’i Jesosy ilay tenin’ny Rainy hoe: “Io no Zanako malalako, izay sitrako.” (Matio 3:17) I Jesosy indray manome toky antsika hoe tia sy mankasitraka antsika ny Ray. Hoy izy: ‘Izay tia ahy dia ho tian’ny Raiko.’ (Jaona 14:21) Mampahery tokoa izany! Misy te hanakivy anao anefa.

Ataon’i Satana izay hisalasalanao hoe tsy mankasitraka anao ilay Raintsika any an-danitra. Tiany ho resy lahatra ianao hoe tsy mendrika an’izany. Mora mieritreritra toy izany mantsy isika rehefa marary, osa, mandroso taona, na kivy satria nanao zava-dratsy na diso fanantenana, ka hararaotin’i Satana. Diniho ny tantaran’i Lucas. Nihevitra izy hoe tsy mendrika ny hankasitrahan’Andriamanitra. Niova be ny ray aman-dreniny, tamin’izy tanora. Maro amin’ireo fitsipika nampianarin’izy ireo azy no tsy narahin’izy ireo intsony. Izany angamba no tsy nahaizan’i Lucas nifandray tsara tamin’ilay Rainy any an-danitra. Izy rahateo olona taitaitra ka mahita olana matetika, indrindra fa eo amin’ny fifandraisany amin’ny hafa. Nanampy azy hiova tsikelikely anefa ny vadiny, izay manam-paharetana sady mahay mampahery. “Fanomezana manokana sy fitahiana avy amin’i Jehovah” izy, hoy i Lucas. Lasa niaiky i Lucas fa “tonga teo amin’izao tontolo izao i Kristy Jesosy mba hamonjy ny mpanota.” (1 Timoty 1:15) Nilaza izy fa sambatra sy afa-po rehefa nisaintsaina ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fankasitrahany.

Misalasala ve ianao indraindray hoe tsy afaka ny ho tia sy hankasitraka anao i Jehovah? Mety hampahery anao ny mamaky sy misaintsaina ny Romanina 8:31-39. Manome toky antsika ny apostoly Paoly fa “tsy hisy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra, izay aseho amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika.” *

Be fangoraham-po ilay Raintsika

Tsapan’ilay Raintsika any an-danitra ny fijaliantsika. Andriamanitra ‘be fangoraham-po’ izy. (Lioka 1:78) Nangoraka ny olombelona mpanota koa i Jesosy. (Marka 1:40-42; 6:30-34) Miezaka mafy hangoraka toa an’ilay Rainy any an-danitra koa ny tena Kristianina. Arahin’izy ireo ny fampirisihan’ny Baiboly mba ‘ho tsara fanahy amin’ny namany avy, ka hangoraka.’—Efesianina 4:32.

Eritrereto ny zavatra niainan’ny lehilahy iray atao hoe Felipe. Narary be tampoka toy ny nisy nanindrona tamin’ny antsy ny lamosiny, indray andro, tamin’izy handeha hiasa. Nentina haingana tany amin’ny hopitaly izy ary nozahan’ny dokotera nandritra ny adiny valo. Nilaza izy ireo fa nisy tataka ny lalan-dra tao amin’ny fony, ary tsy maintsy ho faty izy afaka 25 minitra ka tsy hisy vokany na hodidiana aza.

Nanatrika teo ny mpiara-mivavaka amin’i Felipe. Nangoraka azy izy ireo ka nanao zavatra haingana mba hamindrana azy tany amin’ny hopitaly hafa. Nodidiana i Felipe ary niandry teo mandra-pahavitan’ilay fandidiana izy ireo. Soa ihany fa velona soa aman-tsara izy. Rehefa nieritreritra an’iny zava-nitranga iny i Felipe dia velom-pisaorana an’ireo mpiara-mivavaka aminy noho izy ireo nangoraka azy. Resy lahatra anefa izy hoe ilay Rainy any an-danitra no nahatonga azy ireo hanao an’izany. Hoy i Felipe: “Toy ny hoe nijoro teo akaikiko tahaka ny ray be fitiavana Andriamanitra mba hampahery ahy.” Matetika tokoa ny mpanompon’i Jehovah eto an-tany no ampiasainy mba haneho an’io toetra io.

Miaro antsika ilay Raintsika

Mitady fiarovana any amin’ny rainy avy hatrany ny ankizikely rehefa matahotra. Tsy matahotra intsony izy rehefa fihinin’ny rainy amim-pitiavana. Natoky tanteraka ny fiarovan-drainy i Jesosy. (Matio 26:53; Jaona 17:15) Afaka miaro antsika koa ilay Raintsika any an-danitra. Ny fifandraisantsika aminy no tena arovany ankehitriny. Omeny antsika izay ilaintsika mba hahafahantsika hifandray aminy foana. Manome ny Teniny izy, ohatra, mba hanoro hevitra antsika ka toy ny miteny avy ao aoriantsika hoe: “Ity no lalana ka andehano.”—Isaia 30:21.

Diniho izay nitranga tamin’i Tiago sy Fernando ary Rafael. Mpirahalahy izy ireo ary tao anatin’ny tarika mpihira rock. Toa ho lasa lavitra izy ireo satria voafidy hihira tao amin’ny trano fanaovana fampisehoana lehibe iray any São Paulo, Brezila. Faly erỳ izy ireo! Nisy mpiara-mivavaka amin’izy ireo anefa nampitandrina hoe mampidi-doza ny mifandray akaiky amin’ny olona tsy miraharaha ny fitsipik’Andriamanitra. (Ohabolana 13:20) Notantarainy ny zavatra hitany sady nasongadiny ny torohevitry ny Baiboly. Nilaza izy hoe lasa nanao zava-dratsy ny rahalahiny satria niaraka tamin’ny naman-dratsy. Nanapa-kevitra ny tsy hihira intsony i Tiago sy ny rahalahiny. Samy mitory manontolo andro izao izy telo lahy. Miaiky izy ireo fa niaro ny fifandraisany amin’Andriamanitra ny fankatoavany ny torohevitry ny Baiboly.

Mifehy antsika ilay Raintsika

Mifehy ny zanany ny ray be fitiavana satria tiany ho olom-banona ny zanany. (Efesianina 6:4) Mety ho hentitra izy nefa tsy ho lozabe mihitsy rehefa manitsy ny zanany. Mety ho hitan’ilay Raintsika any an-danitra koa indraindray hoe mila anarina isika. Ataony amim-pitiavana sy voalanjalanja foana anefa izany. Nanahaka azy i Jesosy ka tsy nasiaka be, na dia rehefa tsy nanaraka ny teniny avy hatrany aza ny mpianany.—Matio 20:20-28; Lioka 22:24-30.

Tsapan’ny lehilahy iray atao hoe Ricardo fa nanarin’i Jehovah tamim-pitiavana izy. Nilaozan’ny rainy izy tamin’izy vao fito volana. Tsapany tamin’izy zatovo fa tena nila ray izy. Lasa nanao zava-dratsy izy ary nanomboka nenjehin’ny eritreriny. Tsapany hoe tsy mety amin’ny Kristianina ny nataony ka nanapa-kevitra ny hiresaka tamin’ny anti-panahy tao amin’ny fiangonana nisy azy izy. Hentitra nefa be fitiavana ireo anti-panahy rehefa nanoro hevitra azy sady nampiasa Baiboly. Nanaiky hahitsy i Ricardo saingy mbola nijaly ihany noho ny nataony. Tsy nahita tory izy, nitomany matetika, ary ketraka be. Tsapany ihany tamin’ny farany fa tia azy i Jehovah matoa nananatra azy. Tsaroan’i Ricardo ilay voalazan’ny Hebreo 12:6 hoe: “Izay tian’i Jehovah no faiziny.”

Tokony hotadidintsika fa tsy famaizana na fananarana noho ny fahadisoana natao fotsiny no atao hoe fifehezana. Milaza ny Baiboly fa fampiofanana antsika koa izy io. Rehefa mifehy antsika àry ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra, dia mety havelany hizaka ny vokatry ny nataontsika isika, mandritra ny fotoana kelikely. Milaza anefa ny Baiboly fa mampiofana antsika ny fifehezan’Andriamanitra ary manampy antsika hanao ny tsara. (Hebreo 12:7, 11) Mifehy antsika tokoa ilay Raintsika satria izay mahasoa antsika no tadiaviny.

Mikarakara antsika ilay Raintsika

Mikarakara an’izay ilain’ny vady aman-janany ny ray be fitiavana. Toy izany koa i Jehovah. Hoy i Jesosy: “Fantatry ny Rainareo any an-danitra fa ilainareo izany rehetra izany.” (Matio 6:25-34) Mampanantena i Jehovah hoe: “Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao velively.”—Hebreo 13:5.

Hitan’ny vehivavy iray atao hoe Nice fa marina ireo teny ireo. Very asa ny vadiny. I Nice anefa vao avy niala tamin’ny asa be karama mba hananany fotoana bebe kokoa hiarahany amin’ny zanany roa vavy sy hanompoany an’Andriamanitra. Ahoana àry izao no hiveloman’izy ireo? Nivavaka tamin’i Jehovah i Nice. Niverina tany am-piasana ny vadiny ny ampitson’iny mba haka ny entany. Gaga izy fa niteny ny lehibeny hoe misy asa hafa indray azony atao! Very asa àry ny vadin’i Nice nefa ny ampitson’iny dia nahita asa. Velom-pisaorana an’ilay Rainy any an-danitra izy mivady noho izany. Mampahatsiahy antsika io tantara io fa tsy manadino ny mpanompony tsy mivadika mihitsy i Jehovah, izay mikarakara antsika amim-pitiavana.

Ankasitraho ny fitiavan’ilay Raintsika

Tsy misy teny tena mahalaza ny halehiben’ny fitiavan’ilay Raintsika any an-danitra. Tsy hahita Ray tsara kokoa noho izy isika rehefa mandinika ny fomba samihafa anehoany ny fitiavany. Mankasitraka antsika izy, mangoraka, miaro, mifehy, ary mikarakara antsika.

Inona no azontsika atao ho fankasitrahana ny fitiavan’ilay Raintsika any an-danitra? Afaka miezaka ny hianatra bebe kokoa momba azy sy ny fikasany isika. (Jaona 17:3) Azontsika ampifanarahina amin’ny sitrapony sy ny fitsipiny koa ny fiainantsika. (1 Jaona 5:3) Afaka maneho fitiavana toa azy koa isika rehefa mifandray amin’ny hafa. (1 Jaona 4:11) Asehontsika amin’izany fa Raintsika i Jehovah ary voninahitra ho antsika ny hoe zanany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Asongadin’ny Soratra Masina fa toy ny ray i Jehovah. In-65 teo ho eo, ohatra, i Jesosy no nampiasa an’ilay teny hoe “Ray” ao amin’ny Filazantsaran’i Matio sy Marka ary Lioka, ary in-100 mahery ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona. In-40 mahery koa i Paoly no niantso an’Andriamanitra hoe “Ray”, ao amin’ireo taratasiny. Raintsika i Jehovah satria izy no nanome aina antsika.

^ feh. 9 Jereo ilay toko 24 hoe “Tsy Misy ‘Hahasaraka Antsika Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra’ ”, ao amin’ny boky Manatòna An’i Jehovah, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 19]

Ho akaiky kokoa an’i Jehovah sy ho tia azy kokoa isika raha fantatsika hoe Ray manao ahoana izy

[Teny notsongaina, pejy 22]

Azontsika aseho hoe Raintsika i Jehovah ary voninahitra ho antsika ny hoe zanany

[Efajoro/Sary, pejy 21]

MARO NY FOMBA AMPISEHOAN’I JEHOVAH FA RAY BE FITIAVANA IZY

MANKASITRAKA

MANGORAKA

MIARO

MIFEHY

MIKARAKARA