Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Ilay Mpihaino Vavaka no Mamela ny Fijaliana Hisy?

Nahoana Ilay Mpihaino Vavaka no Mamela ny Fijaliana Hisy?

Nahoana Ilay Mpihaino Vavaka no Mamela ny Fijaliana Hisy?

NA DIA mivavaka aza ny olona sasany dia misalasala raha misy Andriamanitra. Nahoana? Satria angamba be loatra ny fahoriana hitan’izy ireo. Efa mba nieritreritra ve ianao hoe nahoana Andriamanitra no mamela ny fijaliana hisy?

Noforonin’Andriamanitra ho mpanota sy hijaly mihitsy ve ny olombelona? Sarotra ny hanaja andriamanitra tia mampijaly olona. Eritrereto anefa izao: Mankafy erỳ ianao mijery fiara vaovao iray, nefa mahita fa misy simba eo aoriana. Hihevitra ve ianao hoe efa izay mihitsy no nanaovan’ilay nanamboatra azy? Mazava ho azy fa tsia! Fantatrao hoe nataon’ilay mpanamboatra azy “tsy nisy tsininy” ilay izy, fa olon-kafa na zavatra hafa no nanimba azy.

Rehefa variana mandinika ny filaminana sy ny hakanton’ny zavaboary koa ianao, nefa mahita hoe simba sy mikorontana ny fiainan’ny olombelona, inona no holazainao? Ampianarin’ny Baiboly fa nataon’Andriamanitra tsy misy tsininy, na lavorary, ny mpivady voalohany saingy izy ireo ihany no nanimba tena tatỳ aoriana. (Deoteronomia 32:4, 5) Soa ihany fa nampanantena Andriamanitra hoe hanamboatra ny simba, izany hoe hamerina ny olombelona ho lavorary. Nahoana anefa izy no miandry ela be toy izao?

Nahoana izy no miandry ela be?

Mifandray amin’ny fanontaniana iray hafa izany, dia ny hoe iza no tokony hitondra ny olombelona. Tsy nataon’Andriamanitra hifampitondra mihitsy ny olombelona. Izy no tokony ho Mpitondra azy ireo. Hoy ny Baiboly: ‘Tsy natao hitondra samirery ny fiainany ny olona.’ (Jeremia 10:23) Nampalahelo fa nifidy ny hikomy tamin’ny fitondran’Andriamanitra ny olombelona voalohany. Lasa mpanota izy ireo satria nandika lalàna. (1 Jaona 3:4) Tsy lavorary intsony àry izy ireo ka nanimba ny tenany sy ny taranany.

Navelan’i Jehovah hifampitondra ny olombelona, nandritra ny an’arivony taona, ary voaporofo fa tsy mahay mifampitondra izy ireo. Hita tokoa fa nahatonga fijaliana foana ny fitondran’olombelona. Tsy nisy mihitsy nahavita nanafoana ny ady, ny heloka bevava, ny tsy rariny, ary ny aretina.

Ahoana no hanesoran’Andriamanitra ny fijaliana?

Mampanantena ny Baiboly fa hanorina tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana Andriamanitra, tsy ho ela. (2 Petera 3:13) Izay mifidy ny ho tia azy sy ho tia ny olon-kafa ihany no havela hiaina ao.—Deoteronomia 30:15, 16, 19, 20.

Milaza koa ny Baiboly fa hanafoana ny fijaliana sy handringana ny olona mahatonga an’izany Andriamanitra, amin’ny “andro fitsarana”, izay efa tena akaiky. (2 Petera 3:7) Hanjaka eo amin’ny olona mankatò i Jesosy Kristy, ilay Mpitondra notendren’Andriamanitra, aorian’izay. (Daniela 7:13, 14) Inona no hataon’io fitondrana io? Hoy ny Baiboly: ‘Ny mpandefitra no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.’—Salamo 37:11.

Mpanjaka any an-danitra i Jesosy ka hanafoana ny aretina sy ny fahanterana ary ny fahafatesana. Ireo mantsy no vokatry ny fikomian’ny olombelona tamin’Andriamanitra, ilay “loharanon’aina.” (Salamo 36:9) Hanasitrana an’izay rehetra manaiky ny fitondrany i Jesosy. Ho tanteraka ireto fampanantenan’ny Baiboly ireto amin’izay:

▪ “Tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’ Ho voavela heloka ny olona monina ao amin’ilay tany.”—Isaia 33:24.

▪ “[Hofafan’Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”—Apokalypsy 21:4.

Mampahery tokoa ny mahalala fa kely sisa Andriamanitra dia hamarana ny fijaliana rehetra, araka ny efa nampanantenainy. Ary tokony hatoky foana isika hoe mihaino ny vavaka ataontsika izy na dia mbola avelany hisy aza ny fijaliana.

Tena misy Andriamanitra ary afaka mihaino ny fitarainanao sy ny alahelonao. Tsy andriny ny hahita anao tsy hijaly sy tsy hisalasala intsony fa hankafy fiainana.