Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho An’ny Ankizy sy ny Tanora

Mankahala ny Tsy Rariny Andriamanitra

Mankahala ny Tsy Rariny Andriamanitra

Toromarika: Tsara raha amin’ny toerana mangina ianao no mamaky ny andinin-teny eto ambany. Alao sary an-tsaina ilay tantara. Ataovy toy ny hoe teo mihitsy ianao, ka renao ny feo manodidina sy ny olona miteny, ary tsapanao ny fihetseham-pon’ireo olona asongadina ao.

Mpandray anjara: Ahaba, Jezebela, Nabota, ary Elia

Famintinana: Nampirisihin’i Jezebela hamono olona i Ahaba Mpanjaka mba hahazoana tanimboaloboka.

1 ALAO SARY AN-TSAINA ILAY TANTARA.VAKIO NY 1 MPANJAKA 21:1-26.

Mety ho hoatran’ny ahoana ny paozin’ireo olona efatra ao amin’ilay tantara?

Ahaba ․․․․․

Jezebela ․․․․․

Nabota ․․․․․

Elia ․․․․․

Mety ho hoatran’ny ahoana ny feon’i Jezebela sy Ahaba eo amin’ny andininy 5-7?

․․․․․

Alao sary an-tsaina ilay korontana eo amin’ny andininy 13 ary tantarao.

․․․․․

Manao ahoana ny fihetseham-pon’i Elia sy Ahaba eo amin’ny andininy 20-26?

․․․․․

2 FAKAFAKAO ILAY TANTARA.

Manao ahoana ny toetran’i Jezebela raha jerena ny andininy 7 sy 25?

․․․․․

Manao ahoana ny toetran’i Ahaba raha jerena ny andininy 4?

․․․․․

Iza koa no tsy maintsy novonoin’i Ahaba mba hahazoana ny tanimboalobok’i Nabota? (Vakio ny 2 Mpanjaka 9:24-26.)

․․․․․

Ahoana no fiheveran’i Jehovah an’i Ahaba? (Vakio indray ny andininy 25 sy 26. Jereo koa ny 1 Mpanjaka 16:30-33.)

․․․․․

3 AMPIHARO IZAY NIANARANAO. SORATY ETO IZAY NIANARANAO MOMBA AN’IRETO:

Hitan’i Jehovah ny tsy rariny.

․․․․․

Mangoraka ny olona iharan’ny tsy rariny i Jehovah.

․․․․․

Ny fomba ampisehoan’i Jehovah fa tia rariny izy. (Vakio ny Deoteronomia 32:4.)

․․․․․

4 FAMPIHARANA HAFA.

Ahoana no mety hananan’ny olona sasany toe-tsaina mitovy amin’ny an’i Jezebela? (Vakio ny Apokalypsy 2:18-21.)

․․․․․

Rehefa inona ianao no mety hila herim-po toa an’i Elia?

․․․․․

Rehefa mahita tsy rariny na iharan’izany ianao, inona no azonao antoka?

․․․․․

5 INONA NO HITANAO HOE TENA MAHASOA ANAO AMIN’IO TANTARA IO? NAHOANA?

․․․․․

Soso-kevitra: Ataovy toy ny hoe vaovao amin’ny tele na radio io tantara io, ary mpanao gazety mitantara an’izay niseho ianao. Adinadino ireo olona misongadina ao amin’ilay tantara, sy ireo nahita an’izay nitranga.

Tsidiho ny www.ps8318.com

Vakio ao ny Baiboly

Adikao na ataovy pirinty avy ao ity