Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Resadresaka Mahaliana

Manasazy Olona any Amin’ny Afobe ve Andriamanitra?

Manasazy Olona any Amin’ny Afobe ve Andriamanitra?

TIAN’NY Vavolombelon’i Jehovah ny miresaka momba ny Baiboly amin’ny mpiara-belona aminy. Misy fanontaniana manitikitika ny sainao ve? Misy tianao ho fantatra ve momba izay inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fanaon’izy ireo? Aza misalasala àry manontany an’izay Vavolombelona mihaona aminao. Ho faly izy hamaly anao.

Toy izao ny resadresaka fanaon’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny olona. Aoka hatao hoe Manjaka no anaran’ilay Vavolombelona, ary Aritiana ilay olona iresahany.

Hanasazy ny ratsy fanahy ve Andriamanitra?

Manjaka: Manahoana i Aritiana!

Aritiana: Manahoana i Manjaka!

Manjaka: Nampieritreritra ahy ilay nolazainao tamin’ny farany iny.

Aritiana: Ilay inona moa izay?

Manjaka: Gaga be ianao naheno hoe tsy mino ny afobe izahay Vavolombelon’i Jehovah.

Aritiana: Ie. Gaga mihitsy aho. Tsoriko aminao fa tsy mety heken’ny saiko mihitsy hoe tsy mino an’izany ianareo.

Manjaka: Misaotra anao aloha tsy nisalasala nilaza ny hevitrao e! Tsara foana mantsy ny mihaino izay mba hevitry ny hafa. Samy hafa anefa ny hevitry ny olona momba ny afobe, fa mba ahoana ny hevitrao?

Aritiana: Raha ny finoanay aloha dia ny olona tena ratsy fanahy no mankany amin’ny afobe e! Any izy no mijalijaly mandrakizay.

Manjaka: Be dia be ny olona mieritreritra an’izany. Fa hono ho’aho, efa nisy zavatra ratsy be nitranga angaha teo amin’ny fiainanao?

Aritiana: Ie. Nisy namono ny zokinay vavy, dimy taona lasa izay.

Manjaka: Izany ve? Mampalahelo be izany.

Aritiana: Malahelo be azy foana aho isan’andro.

Manjaka: Misy olona mino be hoe tena misy ny afobe satria efa nampijalin’ny olon-dratsy ry zareo. Tiany hivaly amin’ireny mpanao ratsy ireny ny ratsy nataony.

Aritiana: Izay mihitsy. Tiako raha hanody an’ilay namono ny zokiko vavy ny zavatra nataony anay mianakavy.

Manjaka: Ara-dalàna aloha raha mieritreritra an’izany ianao e! Milaza koa ny Baiboly fa tezitra be Andriamanitra rehefa misy olona manisy ratsy ny olona tsy manan-tsiny. Mampanantena anefa izy fa hosaziny ny mpanao ratsy. Jereo ange ity lazain’ny Isaia 3:11 ity e! “Lozan’ny ratsy fanahy! Hahita loza izy, fa hatsingerina aminy izay nataony!” Hitanao? Azo antoka fa tsy maintsy hosazin’Andriamanitra ny olon-dratsy.

Aritiana: Dia ahoana anefa no hanasazian’Andriamanitra ny mpanao ratsy raha tsy misy ny afobe?

Manjaka: Horinganiny mandrakizay ry zareo ka. Andao ange hojerentsika ny 2 Tesalonianina 1:9 e! Azonao vakina ve azafady?

Aritiana: Tsy maninona. “Hiharan’ny sazy vokatry ny didim-pitsarana ireo, dia fandringanana mandrakizay tsy ho eo anoloan’ny Tompo.”

Manjaka: Hitanao? Tsy misy azon’ny olon-dratsy antenaina intsony satria horinganin’Andriamanitra mandrakizay ry zareo. Tsy ho velona intsony izy ireo amin’ny hoavy.

Aritiana: Eny e! Fa hoatran’ny tsy rariny raha izany. Ho faty daholo ange ny olona e! Tsy tokony ho mafy kokoa noho izany ve ny sazin’ny ratsy fanahy?

Sazy ara-drariny

Manjaka: Tena hita mihitsy hoe olona mandala ny rariny ianao.

Aritiana: Izany mihitsy.

Manjaka: Tena tsara izany. Raha ny marina aza, dia efa nataon’Andriamanitra hahay hanavaka ny mety sy ny tsy mety isika. Faran’izay tia rariny koa izy. Rehefa mampianatra anefa ny mpitondra fivavahana hoe manasazy olona any amin’ny afobe Andriamanitra, dia toa te hilaza izy ireo fa tsy rariny ny ataon’Andriamanitra.

Aritiana: Tsy azoko.

Manjaka: Intỳ àry misy ohatra. Fantatrao tsara angamba ny tantaran’i Adama sy Eva.

Aritiana: Ie. Nisy hazo tsy navelan’Andriamanitra hohanin-dry zareo, nefa tsy nankatò ry zareo fa mbola nihinana ihany.

Manjaka: Tadidinao tsara. Aleo hojerentsika kely io tantara io, ato amin’ny Genesisy 2:16, 17, hoe: “Ary i Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy hoe: ‘Afaka mihinana izay laninao amin’ny voan’ny hazo rehetra eo amin’ny zaridaina ianao. Aza ihinananao anefa ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa amin’ny andro ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao.’ ” Inona no nolazain’Andriamanitra fa hitranga amin’i Adama raha mihinana an’ilay voankazo voarara izy?

Aritiana: Nilaza izy fa ho faty i Adama.

Manjaka: Izay indrindra. Mba eritrereto kely ange e! I Adama no nahatonga ny olona rehetra ho lasa mpanota. * Tena ratsy be ny nataony. Niteny ve anefa Andriamanitra hoe hosaziny any amin’ny afobe izy?

Aritiana: Tsia aloha e!

Manjaka: Aoka atao hoe hampijaliana any amin’ny afobe mandrakizay no ho sazin’i Adama sy Eva. Tsy tokony ho nolazain’Andriamanitra azy ireo mialoha ve izany, raha tena tia rariny sy be fitiavana izy?

Aritiana: Marina izany.

Manjaka: Izao anefa no nolazain’Andriamanitra tamin’i Adama sy Eva rehefa avy nanota izy ireo. Mba azonao vakina ve ny Genesisy 3:19?

Aritiana: Ie. “Amin’ny hatsembohan’ny tavanao no hihinananao hanina, mandra-piverinao amin’ny tany, fa avy tamin’ny tany no nakana anao. Fa vovoka ianao ary hiverina ho vovoka indray ianao.”

Manjaka: Misaotra. Ho aiza, hono, i Adama araka ny tenin’Andriamanitra taminy?

Aritiana: Hozy hoe hiverina amin’ny vovoka indray izy.

Manjaka: Izay indrindra. Ka matoa ny olona iray hiverina any amin’ny toerana iray, dia tsy maintsy efa tany izy taloha. Sa ahoana?

Aritiana: Izay aloha e!

Manjaka: Dia taiza i Adama talohan’ny namoronan’Andriamanitra azy?

Aritiana: Tsy nisy.

Manjaka: Izay indrindra. Hitanao angamba fa tsy niresaka afobe izany mihitsy Andriamanitra teo. Nanao ny rariny ve Andriamanitra raha niteny hoe hiverina amin’ny vovoka i Adama, nefa any amin’ny afobe izy no halefa?

Aritiana: Tsy rariny aloha izany e!

Ny Devoly ve no hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra?

Manjaka: Intỳ koa misy zavatra iray mila dinihina momba ny afobe.

Aritiana: Inona izany?

Manjaka: Iza moa no lazain’ny olona fa miandraikitra ny afobe sy mampijaly ny olona any?

Aritiana: Ny Devoly.

Manjaka: Ny Devoly anefa no fahavalon’Andriamanitra lehibe indrindra. Koa raha ny Devoly no asain’Andriamanitra manasazy ny olona any amin’ny afobe, tsy lasa mpiara-miasa ve izany ry zareo?

Aritiana: Mm. Izay indray no mbola tsy noeritreretiko.

Manjaka: Manan-janaka moa ianao?

Aritiana: Ie, lahikely. Vao nandray 15 taona izy.

Manjaka: Andeha hatao hoe lasa maditra be ny zanakao. Ataony daholo izay rehetra mampalahelo anao. Inona no hataonao?

Aritiana: Teneniko izy.

Manjaka: Ie. Ary azo antoka fa tsy indray mandeha fa imbetsaka mihitsy satria tianao hiova izy.

Aritiana: Izany mihitsy.

Manjaka: Andeha hatao hoe tsy raharahainy mihitsy ny teninao, na dia efa niteny azy imbetsaka aza ianao. Tsy maintsy hoe hanasazy azy amin’izay ianao. Sa tsy izany?

Aritiana: Tsy maintsy.

Manjaka: Fantatrao anefa avy eo hoe hay nisy jiolahim-boto nampirisika ny zanakao sy nitarika azy haditra. Ahoana no hataonao?

Aritiana: Tezitra be amin’izany lehilahy izany aho.

Manjaka: Marina izany. Ka raha fantatrao àry fa ilay jiolahim-boto no nahatonga ny zanakao haditra ka nampahatezitra anao, dia mbola ilay jiolahim-boto ihany ve no asainao hanasazy ny zanakao?

Aritiana: Aiza kosa e!

Manjaka: Mety àry ve raha i Satana Devoly indray no asain’Andriamanitra hanasazy ny ratsy fanahy, nefa ny Devoly no tena mampirisika azy ireo hanao ratsy?

Aritiana: Tsy mety mihitsy izany!

Manjaka: Raha ohatra koa te hanasazy ny ratsy fanahy Andriamanitra, ny Devoly ve dia hankatò azy ka hampijaly an’ireo olona ireo, nefa izy no fahavalon’Andriamanitra lehibe indrindra?

Aritiana: Tsy mbola nieritreritra an’izany mihitsy aho.

Hesorin’i Jehovah ny ratsy rehetra

Manjaka: Fa azo antoka anefa hoe hanasazy ny mpanao ratsy tsy mety miova Andriamanitra. Misy andinin-teny asehoko anao farany ity. Ato amin’ny Salamo 37:9. Tsy maninona raha vakinao?

Aritiana: Tsy maninona. “Ny mpanao ratsy horinganina, fa izay manantena an’i Jehovah no handova ny tany.”

Manjaka: Misaotra anao. Hitanao ve hoe inona no hataon’Andriamanitra amin’ny mpanao ratsy?

Aritiana: Hozy hoe horinganiny.

Manjaka: Marina izany. Midika izany fa hofoanany mandrakizay izy ireo. Ny olo-marina izay lazainy hoe “manantena an’i Jehovah” kosa hiaina mandrakizay eto an-tany. Fa mety ho tianao ho fantatra angamba hoe nahoana raha hatramin’ny voalohany mihitsy dia efa nosakanan’Andriamanitra tsy hanao ratsy ny olona. Ary raha tena te hanasazy ny mpanao ratsy izy, nahoana no mbola tsy nataony izany hatramin’izao?

Aritiana: Nahoana tokoa?

Manjaka: Angamba hojerentsika ao amin’ny Baiboly indray ny valin’izany rehefa mandalo atỳ aho amin’ny manaraka. *

Aritiana: Eny àry.

^ feh. 79 Manazava bebe kokoa an’izany ny toko 11 amin’ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.