Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

NIJALY be ny lehilahy iray tamin’ny mbola kely, nefa lasa sambatra sy nahay nitondra ny ankohonany izy tatỳ aoriana. Nanana toetra ratsy be dia be ny vehivavy iray nefa niova. Inona no nahatonga azy ireo hiova?

‘Nahatsiaro ho tsy nisy vidiny aho.’—VÍCTOR HUGO HERRERA

  • TERAKA: 1974

  • FIRENENA: SILIA

  • FIAINANY TALOHA: MAMO LAVA

NY FIAINAKO TALOHA:

Teraka tany Angol, faritra tsara tarehy any atsimon’i Silia aho. Tsy mbola nahita ny dadako mihitsy aho. Nifindra tany Santiago, renivohitr’i Silia, izaho sy Neny ary ny zandrinay lahy tamin’izaho telo taona. Lasa nipetraka tao amin’ny trano tsizarizary ho an’ny tsy manan-trano izahay tany. Nampiasa kabinem-bahoaka izahay ary teny amin’ny paompy fakan’ny mpamono afo rano no nantsaka.

Nomen’ny fanjakana trano kely iray izahay roa taona teo ho eo tatỳ aoriana. Indrisy anefa fa feno mpisotro toaka, mpifoka rongony, olon-dratsy ary mpivaro-tena teny aminay.

Niaraka tamin’ny lehilahy iray izay i Neny ary nivady ry zareo tatỳ aoriana. Mamo lava io dadakeliko io ary novonoiny foana izahay sy Neny. Matetika aho no nitomany rehefa tsy nisy nahita sady nieritreritra hoe: ‘Raha mba nanana Dada hiaro ahy mantsy aho!’

Nikely aina erỳ i Neny tamin’izany mba hamelomana anay, fa mbola nahantra be ihany izahay. Rehefa noana izahay, dia indraindray tsy nanana afa-tsy vovo-dronono sy siramamy. Matetika izaho sy zandrinay no nitsikilo nijery tele avy teo am-baravarankelin’ny olona teo akaikinay. Tratrany anefa izahay indray andro ka tapitra hatreo ilay fialam-bolinay.

Indraindray vao mba tsy mamo ny dadakeliko, ka nividianany zavatra hohanina izaho sy zandrinay. Nividianany tele kely izahay indray mandeha. Tamin’io no mba anisan’ny nahatsapako hoe faly be aho. Nahalana aho tamin’izany vao nahatsapa hoatr’izany.

Nahay namaky teny aho tamin’izaho 12 taona. Vao 13 taona anefa aho dia niala nianatra ary niasa tontolo andro. Matetika aho no namonjy fety niaraka tamin’ny olon-dehibe mpiara-miasa taminay rehefa avy niasa. Nisotro toaka sy nifoka rongony izahay, ka vetivety aho dia lasa mpidoroka.

Niaraka tamin’i Cati aho tamin’izaho 20 taona, ary nivady izahay. Nandeha tsara ny fiainanay tamin’ny voalohany, kanefa lasa naditra indray aho avy eo. Vao mainka aza ratsy kokoa ny zavatra nataoko. Tonga saina aho tamin’ny farany hoe raha izao no mitohy dia tsy maintsy higadra aho na ho faty. Mbola ratsy noho izany aza fa nitovy tamin’ny zavatra ratsy natao tamiko tamin’ny mbola kely ny nataoko tamin’i Víctor zanako lahy. Kivy aho sady tezitra tamin’ny tenako ary nahatsiaro ho tsy nisy vidiny.

Nisy Vavolombelon’i Jehovah roa nitory tao aminay tamin’ny 2001, ka nanomboka nianatra Baiboly i Cati. Noresahiny tamiko izay nianarany. Nahaliana ahy izany ka nianatra Baiboly koa aho. Natao batisa i Cati tamin’ny 2003 ka lasa Vavolombelon’i Jehovah.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO:

Namaky ny Rota 2:12 aho indray andro. Voalaza ao fa tahin’i Jehovah ny olona maneho finoana azy sy mialoka aminy. Fantatro fa raha miova aho, dia hampifaly azy sady hotahiny. Imbetsaka aho no nahita fa raran’ny Baiboly ny mimamo. Milaza, ohatra, ny 2 Korintianina 7:1 fa tokony “hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto” antsika isika. Tsy nimamo sy tsy nifoka rongony intsony àry aho. Vao mainka aho lasa mora tezitra tamin’ny voalohany, nefa nanohana ahy foana i Cati.

Nialako ny asako tamin’ny farany satria voataona hisotro sy hifoka foana aho tany. Tsy an’asa aho nandritra ny fotoana elaela ka tsy dia nanam-bola izahay. Nanam-potoana bebe kokoa nianarana Baiboly anefa aho. Tamin’izay aho no nanjary niezaka mba ho lasa Kristianina. Tsotra ny fiainanay nefa tsy nanabanty ahy i Cati, ary tsy nitaky vola mihoatra noho izay azoko. Misaotra azy aho fa nanohana ahy foana izy sady tena tia ahy.

Nanomboka nifandray tsikelikely tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Nampian’izy ireo aho hahatakatra fa na tsy dia nahita fianarana aza aho, dia sarobidy amin’i Jehovah satria tena te hanompo azy. Mifankatia sy miray saina ry zareo ka tena nisy vokany be taminay mianakavy kely izany. Tsy mbola nahita toy izany mihitsy izahay na taiza na taiza. Natao batisa koa àry aho tamin’ny Desambra 2004.

NY SOA NORAISIKO:

Hitako tamin’ny zavatra niainako fa marina ny tenin’i Jehovah ao amin’ny Isaia 48:17 hoe: “Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Ilay mampianatra anao mba hahitanao soa.” Gaga be ny neninay sy zandrinay nahita ahy niova, ka mianatra Baiboly izy ireo izao. Na ny mpiray tanàna aminay aza faly mahita fa niova aho ary sambatra izahay mianakavy.

Tia an’i Jehovah ny vadiko ary mihevitra ahy ho toy ny namana azo ianteherana. Marina fa tsy fantatro mihitsy ny dadako. Manoro ahy hitaiza tsara ny zanako telo lahy anefa ny Baiboly, ka manaja ahy ry zareo. Fa ny zava-dehibe indrindra dia ny hoe mino izy ireo fa tena misy i Jehovah ary vao mainka izy ireo tia azy.

“Marina fa tsy fantatro mihitsy ny dadako. Manoro ahy hitaiza tsara ny zanako telo lahy anefa ny Baiboly”

Tena mankasitraka an’i Jehovah aho fa na dia nijaly aza aho tamin’ny mbola kely dia nataony izay hahasambatra ahy ankehitriny.

“Lasa tezi-dava sady mpila ady aho.”—NABIHA LAZAROVA

  • TERAKA: 1974

  • FIRENENA: BOLIGARIA

  • FIAINANY TALOHA: MPIVAROTRA RONGONY AN-TSOKOSOKO

NY FIAINAKO TALOHA:

Teraka tany Sofia, any Boligaria, aho ary antonontonony ny fari-piainanay. Nandao anay ny dadanay tamin’izaho enin-taona. Tena nalahelo be aho ka lasa narary fo mihitsy. Nahatsiaro ho nailikilika sy tsy mendrika ny hotiavina aho. Nisy vokany tamiko izany ka lasa naditra aho rehefa nihalehibe. Lasa tezi-dava sady mpila ady aho.

Nandositra niala tao an-trano aho tamin’izaho 14 taona. Tamin’izay aho no nanao an’izany voalohany. Matetika aho no nangala-bolan’ny neninay sy dadabenay ary bebenay. Nahita olana foana aho tany am-pianarana satria nahery setra. Indimy nafindra sekoly àry aho tao anatin’ny taona vitsy monja. Niala nianatra aho telo taona talohan’ny tokony ho nahazoako diplaoma teny amin’ny lise. Lasa ratsy fitondran-tena be aho, ary lasa mpifoka sigara sy rongony. Tsy vitan’izay fa nisotro toaka be sy namonjy fety foana aho ary nivarotra rongony an-tsokosoko. Kivy be tamin’ny fiainana aho satria be dia be ny olona mijaly sy maty ka hoatran’ny tsy mba misy fanantenana mihitsy. Izay nahafalifaly ahy isan’andro fotsiny àry no nataoko.

Nivarotra rongony an-tsokosoko aho ka voasambotra tany amin’ny seranam-piaramanidina tany São Paulo, any Brezila, tamin’ny 1998. Voaheloka higadra efa-taona aho. Vao 24 taona aho tamin’izay.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO:

Nitory isan-kerinandro tany amin’ny fonja nisy ahy ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 2000. Tsara fanahy be tamiko ny Vavolombelona atao hoe Marines, ka vao mainka aho lasa te hianatra Baiboly. Mbola tsy nahare momba azy ireo mihitsy aho ka mba nanontany ny mpiara-migadra tamiko. Gaga anefa aho satria ny ankamaroan’izay nanontaniako dia nanaratsy azy ireo daholo. Nisy iray izay aza nilaza hoe tsy maninona izay fivavahana alehako ankoatra ny Vavolombelon’i Jehovah. Vao mainka anefa izany nahatonga ahy ho te hahafantatra hoe maninona ny olona no tsy tia maizina azy ireo. Nieritreritra aho avy eo fa ny fivavahan’izy ireo no marina ka izany no tsy itiavan’ny olona azy. Nilaza mantsy ny Baiboly fa henjehina izay tena manara-dia an’i Jesosy.—2 Timoty 3:12.

Nasaina hiasa tany amin’ny trano misy ny biraon’ny mpitantana ny fonja aho tamin’izany. Nahita baoritra nisy gazety Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! * efa tonta aho, tao amin’ny trano fitehirizana entana. Nentiko tany amin’ny efitra figadrako ireo ary novakiko. Toy ny olona tany amin’ny tany karakaina nahita lavadrano misy rano no fahatsapako ny tenako rehefa namaky azy ireo. Nalalaka be ny fotoanako tamin’izany ka nianatra Baiboly ela be isan’andro aho.

Nampanantsoina tany amin’ny biraon’ny fonja aho indray andro. Nihevitra aho fa hafahana amin’izay ka nahoroko ny entako ary nanao veloma ny mpiara-migadra tamiko aho dia nihazakazaka nankany amin’ilay birao. Rehefa tonga tany anefa aho, dia nampangaina ho nitahiry antontan-taratasy hosoka ka niampy roa taona indray ny saziko tany am-ponja.

Kivy tanteraka aho tamin’ny voalohany. Tsapako anefa rehefa nandeha ny fotoana fa nisy nahatsara azy ihany ny nijanonako tany. Na dia be dia be aza mantsy ny zavatra nianarako tao amin’ny Baiboly, dia mbola te hiverina amin’ny fanaoko taloha ihany aho rehefa tafavoaka ny fonja. Nila fotoana lavalava mihitsy aho mba hiovana.

Nieritreritra aho indraindray hoe tsy mba hanaiky ahy ho lasa mpanompony mihitsy angamba Andriamanitra. Nataoko an-tsaina foana anefa ny andinin-teny sasany, toy ny 1 Korintianina 6:9-11. Voalaza ao fa mpangalatra sy mpimamo ary mpanao an-keriny ny Kristianina sasany fahiny nefa nampian’i Jehovah ka niova. Tena nandrisika ahy hiova izany.

Tsy sarotra tamiko ny niala tamin’ny zava-dratsy sasany. Vetivety, ohatra, aho dia tafala tamin’ny rongony, fa ny niala tamin’ny sigara no tena tantara. Herintaona mahery aho no niady mafy vao afaka tamin’ilay izy. Nalentiko tao an-tsaina foana tamin’izany hoe be dia be ny aretina azo avy amin’ny sigara ka izany no nanampy ahy tsy hifoka intsony. Nivavaka tamin’i Jehovah foana koa aho.

“Nahazo Dada faran’izay tsara fanahy aho, ary tsy mba handao ahy mihitsy izy”

Nahatsiaro ho nailikilika aho hatramin’ny nandaozan’ny dadanay anay. Afaka tsikelikely anefa izany rehefa nifandray kokoa tamin’i Jehovah aho. Tiako be mihitsy ilay voalazan’ny Salamo 27:10 hoe: “Na mandao ahy aza ny raiko sy ny reniko, dia handray ahy kosa i Jehovah.” Nahazo Dada faran’izay tsara fanahy aho, ary tsy mba handao ahy mihitsy izy. Izay vao misy dikany ny fiainako. Natao batisa aho, tamin’ny Aprily 2004, izany hoe enim-bolana taorian’ny nanafahana ahy tany am-ponja, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah.

NY SOA NORAISIKO:

Sambatra aho izao. Salama kokoa noho ny taloha aho, satria sady tsy mifoka no tsy misotro be intsony. Sambatra ny tokantranoko ary mifandray tsara amin’i Jehovah Raiko koa aho. Lasa manana ray, reny, anadahy, ary rahavavy be dia be aho rehefa nanompo azy. (Marka 10:29, 30) Nieritreritra aho taloha hoe tena ratsy toetra be. Misaotra azy ireo anefa aho satria nahita toetra tsara tato amiko izy ireo ary nino hoe mbola hihatsara aho.

Manamelo-tena aho indraindray rehefa mieritreritra ny nataoko. Lasa matanja-tsaina anefa aho rehefa mieritreritra hoe “tsy hotsarovana intsony” ny zava-dratsy, rehefa ao amin’ny tontolo vaovao. (Isaia 65:17) Lasa mahay mangoraka aho izao rehefa mahita olona mitovy amiko taloha. Izay no mba tombony tamin’ny zavatra nataoko. Lasa tena manavanana ahy, ohatra, ny mitory amin’ny mpifoka rongony sy mpisotro toaka ary mpamono olona. Tsy tonga dia mitsara an-tendrony azy ireo aho. Mino kosa aho hoe matoa aho nahavita niova mba hampifaly an’i Jehovah, dia afaka miova koa ny olon-drehetra na iza izy na iza.

^ feh. 29 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.