Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Maro izao no mijaly. Andriamanitra ve anefa no mahatonga izany?

Inona no Lazain’​ny Baiboly?

Inona no Lazain’​ny Baiboly?

Andriamanitra ve no mahatonga antsika hijaly?

Ahoana ny hevitrao?

  • Eny

  • Tsia

  • Angamba

Izay lazain’ny Baiboly

“Sanatria an’ilay tena Andriamanitra ny hanao ratsy, ary sanatria an’ilay Mahery Indrindra ny hanao ny tsy rariny!” (Joba 34:10) Tsy Andriamanitra mihitsy àry no mahatonga ny zava-dratsy sy ny fijaliana.

Inona koa no lazain’ny Baiboly?

  • I Satana Devoly, “ilay mpitondra an’izao tontolo izao”, no tena mahatonga antsika hijaly.—Jaona 14:30.

  • Misy koa ny zava-dratsy sy ny fijaliana, noho ny safidy ratsy ataon’ny olona sasany. —Jakoba 1:14, 15.

Tsy hijaly intsony ve isika indray andro any?

Misy milaza fa tsy hisy intsony ny fijaliana raha miara-miezaka hanafoana azy io ny olona. Ny hafa indray tsy manantena hoe mbola hihatsara ny fiainana. Ahoana ny hevitrao?

Izay lazain’ny Baiboly

Hanafoana ny fijaliana Andriamanitra. “Tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.”—Apokalypsy 21:3, 4.

Inona koa no lazain’ny Baiboly?

  • I Jesosy no hampiasain’Andriamanitra mba hanafoana ny fijaliana, izay vokatry ny asan’ny Devoly. —1 Jaona 3:8.

  • Hiadana mandrakizay eto an-tany ny olona tsara fanahy.—Salamo 37:9-11, 29.