Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | INONA NO HANAMPY ANAO HO TIA MAMAKY BAIBOLY?

Ahoana no Anombohako Azy?

Ahoana no Anombohako Azy?

Inona no hanampy anao ho tia mamaky Baiboly sy handray soa avy amin’izany? Ireto misy soso-kevitra dimy nanampy olona maro:

Fidio tsara ny toerana hamakiana. Mitadiava toerana mangina. Hifantoka kokoa mantsy ianao raha tsy dia misy manelingelina. Ataovy ampy tsara koa ny hazavana sy ny rivotra.

Manàna toe-tsaina tsara. Avy amin’ilay Raintsika any an-danitra ny Baiboly. Handray soa be dia be àry ianao raha hoatran’ny ankizy iray vonona hianatra avy amin’ny rainy be fitiavana. Esory ao an-tsaina izay mety ho fitsarana an-tendrony momba ny Baiboly. Ho afaka hampianatra anao Andriamanitra amin’izay.—Salamo 25:4.

Mivavaha aloha vao mamaky. Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, ka mila ny fanampiany isika raha te hahazo izay voalaza ao. Milaza izy fa hanome “ny fanahy masina ho an’izay mangataka aminy.” (Lioka 11:13) Io fanahy io no manampy anao hahazo ny hevitr’Andriamanitra. Ho azonao “na dia ny zava-dalin’Andriamanitra aza”, rehefa mandeha ny fotoana.—1 Korintianina 2:10.

Miezaha hahazo izay vakinao. Aza maika hamita fotsiny, fa saintsaino izay vakinao. Eritrereto hoe: ‘Inona avy ny toetran’ilay olona resahina ato amin’ity vakiko ity? Ahoana no hampiharako azy ity eo amin’ny fiainako?’

Manàna tanjona. Miezaha hianatra zavatra tena hahasoa anao. Mety ho azo atao tanjona, ohatra, ny hahalala bebe kokoa an’Andriamanitra, ny ho tsara toetra kokoa, na ny ho lasa vady tsara kokoa. Fidio avy eo izay ampahany ao amin’ny Baiboly hanampy anao hanatratra ny tanjonao. *

Handrisika anao hanomboka hamaky Baiboly ireo soso-kevitra ireo. Ahoana anefa no hahatonga an’ilay vakiteny hahafinaritra kokoa? Misy soso-kevitra ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

^ feh. 8 Ho faly hanampy anao ny Vavolombelon’​i Jehovah, raha tsy hitanao hoe ampahany aiza ao amin’​ny Baiboly no tena hanampy anao.