Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Maninona ve Raha Diso Fandray Hevitra Isika?

Tsy Maninona ve Raha Diso Fandray Hevitra Isika?

Nahita setroka avy tao amin’ny fivoahan-tsetroky ny orinasa iray ny ankizivavikely iray. Lasa toy ny rahona ilay izy, ka nihevitra izy hoe mpanamboatra rahona ilay orinasa. Mihomehy isika rehefa diso hevitra toy izany ny ankizy. Tsy amin-javatra kely hoatr’izany ihany ny olona no diso hevitra fa amin-javatra lehibe koa. Ohatra hoe rehefa diso ny fahazoany ny soratra eo amin’ny boatim-panafody. Mety hampidi-doza izany.

Vao mainka loza anefa raha diso hevitra amin’izay lazain’ny Baiboly isika. Diso fandray ny fampianaran’i Jesosy, ohatra, ny olona sasany. (Jaona 6:48-68) Tsy nanadihady anefa izy ireo, fa tonga dia nolaviny daholo ny fampianaran’i Jesosy. Matiantoka be izy ireo!

Efa tsara raha mamaky Baiboly ianao mba hahazoana tari-dalana. Mety ho diso fandray an’izay vakinao ve anefa ianao? Maro no tratran’izany. Diniho ireto hevi-diso telo ireto:

  • Misy diso fandray an’ilay didy ao amin’ny Baiboly hoe: “Matahora an’Andriamanitra.” Mihorohoro eo anatrehan’Andriamanitra, hono, no dikan’izany. (Mpitoriteny 12:13) Tsy tian’Andriamanitra hahatsapa an’izany anefa ny mpanompony. Hoy izy: “Aza matahotra fa momba anao aho. Aza miherikerika noho ny tahotra, fa izaho no Andriamanitrao. Hanatanjaka anao aho ka hanampy anao.” (Isaia 41:10) Manaja lalina an’Andriamanitra àry no tena dikan’ny hoe matahotra azy.

  • Misy indray mandika vilana an’ilay hoe: “Ny zava-drehetra dia samy misy fotoana voatondro ho azy avy ... Misy fotoana ahaterahana ary misy fotoana ahafatesana.” Efa voalahatr’Andriamanitra, hono, ny fotoana hahafatesan’ny olona tsirairay. (Mpitoriteny 3:1, 2) Miresaka momba ny lalam-piainan’ny zanak’olombelona fotsiny anefa io andininy io, ary anisan’izany ny fahafatesana. Resahin’ny Baiboly koa fa mety hanalava ny androm-piainantsika ny safidy ataontsika. Izao, ohatra, no lazainy: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no mahela velona.” (Ohabolana 10:27; Salamo 90:10; Isaia 55:3) Nahoana? Raha manaraka izay lazain’ny Baiboly isika dia tsy hanao zavatra mety hankarary, ohatra hoe mimamo na maloto fitondran-tena.—1 Korintianina 6:9, 10.

  • Heverin’ny olona sasany fa ara-bakiteny ilay ao amin’ny 2 Petera 3:7 hoe “tehirizina ho amin’ny afo” ny lanitra sy ny tany. Hopotehin’Andriamanitra, hono, ny tany. Efa nilaza anefa Andriamanitra fa tsy havelany ho potika mihitsy izy io. Rehefa nanorina ny tany mantsy izy, dia “nataony mafy orina ny fototra iorenany, ka tsy ho voahozongozona mandrakizay doria.” (Salamo 104:5; Isaia 45:18) Ity tontolo ratsy ity no ho ringana mandrakizay, toy ny hoe ho levon’ny afo, fa tsy ny tany ara-bakiteny. Mety hanondro ny habakabaka, na izao rehetra izao feno kintana, na ny fonenan’Andriamanitra kosa ny lanitra ara-bakiteny. Tsy hisy hopotehina ireo.

NAHOANA NO METY HO DISO FANDRAY AN’IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY NY OLONA?

Hitantsika teo fa matetika ny olona no diso fandray an’izay lazain’ny Baiboly. Nahoana anefa izany no avelan’Andriamanitra hitranga? Mety hisy hieritreritra hoe: ‘Raha hendry sy mahalala ny zava-drehetra Andriamanitra, nahoana no tsy tonga dia nataony mazava tsara daholo izay lazain’ny Baiboly mba ho mora azon’ny rehetra?’ Matetika ny olona no tsy mahazo izay lazain’ny Baiboly noho ireto antony telo ireto:

  1. Ny olona manetry tena sy vonona hianatra ihany no hahazo izay lazain’ny Baiboly. Nivavaka i Jesosy hoe: “Midera anao ampahibemaso aho, Ray ô, Tompon’ny lanitra sy ny tany, satria nataonao tsara afina tamin’ny hendry sy ny mahira-tsaina izany, fa nahariharinao tamin’ny zaza kosa.” (Lioka 10:21) Hita tamin’ny fomba nanoratana ny Baiboly, fa izay manana toe-tsaina tsara ihany no mahazo ny hafatra raketiny. Tsy hahatakatra an’izany kosa ny olona manambony tena, toy ireo mihevi-tena ho ‘hendry sy mahira-tsaina.’ Hahazo tsara izay voalaza ao anefa ny olona manetry tena sy vonona hianatra toy ny “zaza.” Miavaka tokoa ny fomba nampanoratan’Andriamanitra ny Baiboly!

  2. Ny olona mitady ny fanampian’Andriamanitra no hahazo izay lazain’ny Baiboly. Hita amin’ny tenin’i Jesosy fa mila ampiana ny olona vao hahazo tsara ny fampianarany. Hoy mantsy izy: “Ny mpanampy, dia ny fanahy masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, izy io no hampianatra anareo ny zava-drehetra.” (Jaona 14:26) Omen’Andriamanitra fanahy masina, na ny hery ampiasainy, àry ny olona mba hahazo izay lazain’ny Baiboly. Tsy omeny azy io kosa ny olona tsy mitady ny fanampiany, ka lasa tsy azon’izy ireo izay vakiny. Io fanahy io koa no mandrisika ny Kristianina efa mahay kokoa, mba hanampy an’ireo te handalina ny Baiboly.—Asan’ny Apostoly 8:26-35.

  3. Amin’ny fotoana mety vao azon’ny olona ny andinin-teny sasany. Nasaina nanoratra momba ny hoavy, ohatra, i Daniela mpaminany. Hoy ny anjely iray taminy: “Ry Daniela ô, hazòny ho zava-miafina ny teny ary asio tombo-kase ny boky, mandra-pahatongan’ny fotoanan’ny farany.” Betsaka ny olona namaky ny bokin’i Daniela, nandritra ny taonjato maro, fa tsy tena nahazo izay novakiny. Na i Daniela aza tsy nahazo ny zavatra sasany nosoratany. Hoy izy: “Reko izany, nefa tsy azoko ny heviny.” Azon’ny olona ihany ny faminaniany tatỳ aoriana, saingy tamin’ny fotoana nitiavan’Andriamanitra azy. Hoy ilay anjely: “Mandehana, ry Daniela ô, satria nohazonina ho zava-miafina ny teny, sady nasiana tombo-kase mandra-pahatongan’ny fotoanan’ny farany.” Iza no hahazo azy io? “Tsy hisy ratsy fanahy hahazo ny hevitry ny teny, fa izay lalin-tsaina no hahazo.” (Daniela 12:4, 8-10) Amin’ny fotoana mety àry vao ahariharin’Andriamanitra ny hevitry ny andinin-teny sasany.

Efa mba diso fandray an’izay lazain’ny Baiboly ve ny Vavolombelon’i Jehovah? Eny. Nahitsin’izy ireo anefa ny fampianarany, rehefa tonga ny fotoana nampihariharian’Andriamanitra ny tena dikan’ny andinin-teny sasany. Manahaka ny apostolin’i Kristy izy ireo. Nanetry tena mantsy ny apostoly ka vonona hanova ny fomba fiheviny, isaky ny nahitsin’i Jesosy.—Asan’ny Apostoly 1:6, 7.

Tsy dia hisy vokany amin’ilay ankizivavikely, raha diso hevitra mahakasika ny fomba iforonan’ny rahona izy. Misy vokany be amin’ny fiainanao anefa ny fampianaran’ny Baiboly. Tsy ho azonao izay lazainy raha vakinao samirery fotsiny izy io. Mitadiava àry fanampiana. Tadiavo ireo olona manetry tena sy miantehitra amin’ny fanahy masina mba hahazoana izay lazain’ny Baiboly. Manatòna koa an’ireo olona resy lahatra hoe izao isika no tena tian’Andriamanitra hahazo izay lazain’izy io. Miresaha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, na vakio ny voka-pikarohan’izy ireo ao amin’ny tranonkala jw.org. Hoy ny Baiboly: ‘Raha miantsoantso mitady fahiratan-tsaina ianao, dia ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.’—Ohabolana 2:3-5.