Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY TILIKAMBO FIAMBENANA No. 3 2017 | Misy Vokany eo Amin’ny Fiainanao ve Ireo Mpitaingin-tsoavaly Efatra?

AHOANA NY HEVITRAO?

Anisan’ny be mpahalala ny faminaniana momba an’ireo mpitaingin-tsoavaly efatra ao amin’ny Apokalypsy. Misy matahotra an’ilay izy. Ny hafa indray te hahalala misimisy kokoa. Hoy ny Baiboly momba an’ireny faminaniana ireny:

“Sambatra izay mamaky mafy sy mihaino ny tenin’ity faminaniana ity.”​Apokalypsy 1:3.

Hazavain’ity gazety ity fa vaovao tsara ho antsika ny hoe efa tanteraka ilay faminaniana momba an’ireo mpitaingin-tsoavaly efatra.

 

MATOAN-DAHATSORATRA

Misy Vokany eo Amin’ny Fiainanao ve Ireo Mpitaingin-tsoavaly Efatra?

Efatra ireo soavaly: Fotsy, mena, mainty, ary hatsatra. Anisan’ny be mpahalala indrindra amin’ireo zavatra miavaka resahin’ny Apokalypsy izy ireo sy ny mpitaingina azy.

MATOAN-DAHATSORATRA

Iza Ireo Mpitaingin-tsoavaly Efatra?

Fantaro ny dikan’ilay fahitana.

Porofo Kely Fanampiny

Tsy fantatrao angamba hoe iza izany Tatenay izany. Hitan’ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany anefa hoe olona tena nisy izy.

MANOVA OLONA NY BAIBOLY

Adalana Base-ball Aho!

Adalana fanatanjahan-tena i Samuel Hamilton. Niova anefa ny fiainany rehefa nianatra Baiboly izy.

TAHAFO NY FINOAN’IZY IREO

“Vehivavy Tsara Tarehy Ianao”

Hitan’ireo olona ambony tany Ejipta fa tsara tarehy be i Saraha. Mety tsy hampoizinao mihitsy ny zava-nitranga taorian’izay.

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Misy antokon’olona iangaran’Andriamanitra ve? Misy olona tahiny ve ary misy ozoniny?

Zavatra Hafa ato Amin'ny Internet

Inona Marina no Voalaza ao Amin’ny Apokalypsy?

Milaza ny Apokalypsy fa ho sambatra izay mamaky sy mahazo ary mampihatra an’izay voalaza ao.