Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Mbola hanjaka eto an-tany ve ny rariny?

Ahoana ny hevitrao?

  • Eny

  • Tsia

  • Angamba

Izay lazain’ny Baiboly

“Fantatro tsara fa harovan’i Jehovah ny zon’ny ory, ary homeny rariny ny mahantra.” (Salamo 140:12) Hampanjaka ny rariny eto an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra.

Inona koa no lazain’ny Baiboly?

  • Hitan’Andriamanitra ny tsy rariny eto an-tany, ary hanitsy an’izany izy.—Mpitoriteny 5:8.

  • Hanjaka eto an-tany ny fiadanana sy ny filaminana, rehefa hampihatra ny rariny Andriamanitra.—Isaia 32:16-18.

Misy antokon’olona iangaran’Andriamanitra ve?

Misy milaza fa misy antokon’olona tahin’Andriamanitra ary misy ozoniny. Ny hafa indray mihevitra hoe mitovy ny fomba itondran’Andriamanitra ny olon-drehetra. Ahoana ny hevitrao?

Izay lazain’ny Baiboly

“Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Mitovy daholo ny olona eo imason’Andriamanitra.

Inona koa no lazain’ny Baiboly?

  • Misy “vaovao tsara” ho an’ny “firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra” ao amin’ny Baiboly.—Apokalypsy 14:6.