Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | MISY VOKANY EO AMIN’NY FIAINANAO VE IREO MPITAINGIN-TSOAVALY EFATRA?

Misy Vokany eo Amin’ny Fiainanao ve Ireo Mpitaingin-tsoavaly Efatra?

Misy Vokany eo Amin’ny Fiainanao ve Ireo Mpitaingin-tsoavaly Efatra?

Nipoitra tampoka izy ireo sady nirodorodo. Tena mora alaina sary an-tsaina ireo soavaly efatra matanjaka sy ny mpitaingina azy, ka hoatran’ny hitan’ny masonao mihitsy ilay izy! Fotsy ilay soavaly voalohany, ary mpanjaka iray be voninahitra vao nahazo fahefana no mitaingina azy. Misy soavaly iray mena toy ny afo ao aoriany, ary manala ny fandriampahalemana eto an-tany ny mpitaingina azy. Soavaly mainty ngizina ny fahatelo. Mitondra mizana ny mpitaingina azy, ary misy hafatra ambara hoe tsy ho ampy ny sakafo. Soavaly hatsatra ny fahefatra. Famantarana izy io hoe hisy aretina sy loza hafa. Ny Fahafatesana no mitaingina azy io ary manaraka azy akaiky ny Fasana, izay manangona olona faran’izay betsaka!—Apokalypsy 6:1-8.

“Natahotra aho tamin’izaho namaky voalohany ny faminaniana momba an’ireo mpitaingin-tsoavaly efatra. Nihevitra aho hoe efa ho tonga ny Andro Fitsarana, dia tsy ho voavonjy aho satria mbola tsy vonona amin’izany.”—Crystal.

“Nahavariana ahy ireo mpitaingin-tsoavaly efatra mitaingina soavaly samy hafa loko. Rehefa azoko ny dikan’ilay fahitana vao nazava tsara tamiko ny zavatra resahiny.”—Ed.

Hoatran’ny an’i Crystal sa hoatran’ny an’i Ed no tsapanao momba an’ireo mpitaingin-tsoavaly efatra ao amin’ny Apokalypsy? Anisan’ny be mpahalala indrindra io fahitana io amin’ireo zavatra miavaka resahin’ny boky farany ao amin’ny Baiboly. Handray soa ianao raha mahazo ny dikan’ilay izy. Mampanantena mantsy Andriamanitra hoe ho sambatra ianao, rehefa mamaky sy mianatra ary mampihatra an’izay resahin’io boky io.—Apokalypsy 1:1-3.

Misy matahotra an’ilay fahitana momba an’ireo mpitaingin-tsoavaly efatra. Tsy tokony hampahatahotra anefa izy io. An-tapitrisany aza no mahatsapa hoe manatanjaka ny finoany ilay fahitana, ary manampy azy hahita fa ho tsara ny fiainana amin’ny hoavy. Tianao koa ve ny hahatsapa hoatr’izany? Mba vakio àry ny lahatsoratra manaraka.