Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Diabeta Mankasitraka anareo amin’ny foko manontolo aho tamin’ilay andian-dahatsoratra hoe “Ampio Ireo Voan’ny Diabeta.” (8 Mey 2003) Tamin’izaho efa-taona no efa voan’ny diabeta. Nihevitra foana aho hoe tsy ho afaka hanambady na hanao fanompoana manontolo andro mihitsy, nefa nanome fanantenana ahy ireo lahatsoratra ireo. Fito ambin’ny folo taona aho izao, ary ny hanompo manontolo andro no tanjoko, ka hataoko izay hahatratrarana izany.

T. A., Japon

Tena mety, araka ny hevitro, ilay fanipazan-kevitra ho an’ny fianakaviana sy ny namana mba tsy hampirisika ireo voan’ny diabeta hihinana sakafo tsy mety aminy. Mafy izany hoe mahandro sakafo ho an’ny fianakaviana izany, nefa tsy afaka hihinana amin’ilay izy akory avy eo. Mety tsy dia ho zava-dehibe izany ho an’ireo tsy voan’ny diabeta. Tsoriko aminareo anefa fa mafy izany!

V. N., Italia

Sady mpitsabo mpanampy aho no mpampianatra. Hampianatra ny mpianatro momba ny diabeta aho amin’ny fidirana manaraka. Mora azo ilay sary eo amin’ny pejy 8 sy 9, ka hampiasaiko amin’ny fampianarako. Misaotra anareo namoaka lahatsoratra tsotra momba ny loha hevitra ara-pitsaboana.

C. B., Frantsa

Misaotra anareo tamin’ireo lahatsoratra momba ny diabeta. Tsy voan’ny diabeta aho, fa ny rahavaviko 14 taona no voa. Takatro amin’izay izao ny mahazo azy. Marina fa mila mahafoy zavatra sasany aho noho izy, nefa tsy mafy izany raha oharina amin’ny hoe voan’ny diabeta!

E. M., Italia

Efa dimy taona izao ny reniko no voan’ny diabeta. Matetika no mampanahy ahy ny fahasalamany, satria atỳ an-tany lavitra aho no mipetraka. Mieritreritra ny handefa iny gazety iny ho azy aho. Mety hanampy azy izy iny, rehefa tsy eo aho.

R. W., Indonezia

Takaitra Tiako ny namaky an’ilay lahatsoratra hoe “Nanova ny Fiainako ny Takaitra Nahazo Ahy.” (8 Mey 2003) Efa 30 taona mahery izay no nanomboka narary ny lamosiko, ka tena manampy ahy hizaka izany iny lahatsoratra iny. Nihatra tamiko ny maro tamin’ny zavatra nanjo ny Rahalahy Stanley Ombeva. Nampionona ahy ny nahafantatra fa manampy ny olona hiantehitra amin’i Jehovah ny Baiboly.

G. G., Etazonia

Tena nanohina ny foko ny fitantaran’ny Anadahy Ombeva tamim-pahatsorana ny fomba niatrehany ny takaitra nahazo azy. Nanjary takatro fa tena tsy misy dikany ny zava-manahirana ahy raha oharina amin’ny azy. Nanampy ahy hifantoka amin’ireo lafin-javatra tsara eo amin’ny fiainako iny lahatsoratra iny.

S. C., Kanada

Tena tsara! Izany no teny azoko ilazana an’iny lahatsoratra iny. Tsy najanoko ilay izy raha tsy voavakiko hatramin’ny farany. Nampieritreritra ahy ny nahita fa nanjary nisy heviny kokoa tamin’ny Rahalahy Ombeva ny Soratra Masina tamin’ny fotoana tena nilany izany. Nampianatra ahy hahay hiara-miory kokoa amin’ny olon-kafa izany, rehefa manampy azy ireo aho.

R. G., Etazonia

Nampahery ahy ny nahafantatra fa mba tezitra koa ny anti-panahy eo anivon’ny fiangonana, sady miaiky izy ireo fa mila fotoana elaela ny fahaizana miatrika toe-javatra toy ireny. Nilaza ny Anadahy Ombeva fa tsy tapatapaka mihitsy teo amin’ny fanompoana izy, na dia tamin’ny fotoana tena nampaharary azy aza. Tapa-kevitra ny hanao toy izany koa aho.

M. K., Japon

Mijaly aho izao, satria nianjera imbetsaka aho tamin’izaho mbola kely. Manaintaina foana sy sahirana aho rehefa mandeha, ary tena kely hery. Tsy afaka manao fanompoana kristianina betsaka aho, ka mahakivy ahy izany. Nanampy ahy anefa ny namaky ny fomba niatrehan’ny Anadahy Ombeva ny zava-manahirana azy. Misaotra betsaka!

E. E., Etazonia