Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toy ny Mandan’ny Tanàna ny Hoditrao

Toy ny Mandan’ny Tanàna ny Hoditrao

Toy ny Mandan’ny Tanàna ny Hoditrao

Nanorina manda ny olona fahiny, mba hisakanana ny fahavalo tsy hiditra tao an-tanàna. Natao hisakanana ny fahavalo sy hiarovana ny tanàna ny manda. Manana “manda” miaro azy koa ny vatanao, dia ny hoditrao izany. Ahoana no hiarovan’ny hoditrao ny vatanao?

Feno bakteria sy zavamiaina bitika dia bitika eo amin’ny hoditrao. Mety hitondra aretina ny sasany amin’izy ireny. Toa tsy natao hisakana azy ireny fotsiny anefa ny hoditrao, fa natao hiady aminy koa. Mamoaka proteinina mamono mikraoba mantsy ny hoditra. Hita ao amin’ny hoditra foana ny sasany amin’ireo proteinina ireo. Ny hafa kosa tsy miforona, raha tsy rehefa maratra ny hoditra.

Proteinina karazany roa no hitan’ny manam-pahaizana voalohany. Miforona avy hatrany izy ireo rehefa ilaina. Ny sela eo amin’ny sosona ambony indrindra amin’ny hoditra no mamokatra azy ireo, rehefa maratra ianao. Loahan’ireo proteinina ireo ny selan’ny mikraoba, mba hamonoany azy.

Nahita karazana proteinina hafa mamono mikraoba ny ekipana mpikaroka, tany amin’ny Oniversiten’i Tübingen, any Alemaina, tamin’ny 2001. Hita ao amin’ny hoditra foana io proteinina io. Tsy mitovy amin’ireo karazany roa voalohany izy io, satria mamoaka azy io ny hoditra na dia tsy maratra aza. Ny fihary hatsembohana ao amin’ny hoditra no manao izany. Mbola tsy fantatra ny fomba fiasan’io proteinina io. Manampy mba hiadiana amin’ny aretina anefa ny hatsembohana, ka mety ho izany no mahatonga ireo olona misasa matetika loatra, ho mora voan’ny aretin-koditra.

Mitovy amin’ny mandan’ny tanàna fahiny ny hoditra, satria misakana ny mikraoba tsy hiditra ao amin’ny vatantsika izy io. Azo antoka àry fa hanaiky ity tenin’ny mpanao salamo ity ianao: “Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra.”—Salamo 104:24.