Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Hitondra Filaminana ve ny Fifampiraharahana Iraisam-pirenena?

Hitondra Filaminana ve ny Fifampiraharahana Iraisam-pirenena?

TIANAO tsy hisy intsony ve ny ady? Azo antoka fa tsy maintsy hitsahatra ny ady an-trano sy ny ady iraisam-pirenena, raha mahay mifampiraharaha ireo mpifanandrina. Maro ny olona milaza hoe angamba tsy nisy intsony ny ady, raha nahay nifanaraka ny mpitondra teo amin’izao tontolo izao. Azo inoana anefa, fa diso fanantenana tamin’ny vokatry ny fifampiraharahana iraisam-pirenena, natao hatramin’izay, ianao. Nanao sonia fifanekena sy namoaka fanapahan-kevitra ary nandamina fihaonana an-tampony ireo firenena nifampiraharaha, nandritra ny taonjato maro. Vitsy kely anefa ny olana tena voavaha.

Betsaka ny zavatra lazain’ny Baiboly momba ny fifampiraharahana iraisam-pirenena sy ny filaminana. Mamaly ireto fanontaniana ireto, ohatra, izy: Nahoana no tsy mitondra filaminana mihitsy ny fifampiraharahana iraisam-pirenena atao ankehitriny? Tokony handray anjara amin’ireny fifampiraharahana ireny ve ny Kristianina? Ahoana no hisian’ny tena filaminana?

Nahoana no tsy misy ny filaminana?

Asehon’ny fitantarana sasany ao amin’ny Baiboly fa afaka mitondra filaminana ny fifampiraharahana. Hain’i Abigaila tsara, ohatra, ny nandresy lahatra an’i Davida sy ny miaramilany, mba tsy hamaly faty ny ankohonany. (1 Samoela 25:18-35) Nanao fanoharana koa i Jesosy hoe nisy mpanjaka naniraka ambasadaoro hanao raharaham-pihavanana. Izany no hany hevitra hitan’ilay mpanjaka fa nety indrindra. (Lioka 14:31, 32) Hita àry fa miaiky ny Baiboly hoe afaka mandamina ny ady ny fifampiraharahana sasany. Nahoana anefa no tsy misy vokany firy ny fivoriana alamin’ireo firenena, mba hitadiavana filaminana?

Efa nilaza ny Baiboly fa ho sarotra izao fotoana iainantsika izao, ary marina ny voalazany. Noho ny fitaoman-dratsin’i Satana Devoly, dia “tsy ho azo ifanarahana” ny olona, fa ho “masiaka be, tsy ho tia ny tsara, ho mpamadika, ho be di-doha, ho mpieboebo.” (2 Timoty 3:3, 4; Apokalypsy 12:12) Naminany koa i Jesosy fa hisy “ady sy filazana ady” mandritra ny faran’ity tontolo ity. (Marka 13:7, 8) Iza no hilaza fa tsy mihabetsaka hatrany ny ady ankehitriny? Koa satria izany no zava-misy, mahagaga ve raha matetika no very maina ny fiezahan’ireo firenena handamina azy ireny?

Tadidio koa fa na dia mety hiezaka mafy hanao izay tsy hisian’ny ady aza ireo olona hirahina hifampiraharaha, dia ny tombontsoan’ny fireneny no tena tadiaviny. Izany foana no atao mandritra ny fifampiraharahana iraisam-pirenena. Tokony handray anjara amin’izany àry ve ny Kristianina?

Na inona na inona zava-kendren’ny olombelona, dia tsy hahita vahaolana maharitra mihitsy izy ireo, rehefa manao fifampiraharahana iraisam-pirenena

Ny Kristianina sy ny fifampiraharahana iraisam-pirenena

Manoro hevitra ny Baiboly hoe: “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.” (Salamo 146:3) Midika izany fa na inona na inona zava-kendren’ny olombelona, dia tsy hahita vahaolana maharitra mihitsy izy ireo, rehefa manao fifampiraharahana iraisam-pirenena.

Hoy i Jesosy, rehefa notsarain’i Pontio Pilato izy: “Tsy anisan’ity tontolo ity ny fanjakako. Raha anisan’ity tontolo ity ny fanjakako, dia ho niady ny oloko mba tsy ho natolotra tamin’ny Jiosy aho. Tsy avy amin’izany anefa ny fanjakako.” (Jaona 18:36) Sarotra mazàna ny mifampiraharaha, satria mankahala an’ireo tsy mitovy fiaviana aminy ny olona, ary tia tena ny mpanao politika. Koa tsy mandray anjara amin’ny ady sy ny fifampiraharahana iraisam-pirenena eto amin’ity tontolo ity àry ny Kristianina marina.

Midika ve izany fa tsy liana amin’ny zava-mitranga maneran-tany izy ireo? Tsy miraika amin’ny fijalian’ny olombelona ve izy ireo? Tsy izany mihitsy. Lazain’ny Baiboly kosa hoe “misento sy mitaraina” noho ny zava-dratsy mitranga manodidina azy ny tena mpivavaka amin’Andriamanitra. (Ezekiela 9:4) Andriamanitra anefa no inoan’izy ireo fa hitondra filaminana, araka ny nampanantenainy. Ny tsy fisian’ny ady angamba no atao hoe filaminana, aminao. Hanafoana ny ady tokoa ny Fanjakan’Andriamanitra. (Salamo 46:8, 9) Hataon’izy io koa anefa izay hampilamin-tsaina sy hahasambatra tanteraka ny mponina eto an-tany. (Mika 4:3, 4; Apokalypsy 21:3, 4) Tsy hahavita hitondra izany tena filaminana izany mihitsy ny olombelona, na hanao fifampiraharahana iraisam-pirenena sy haniraka miaramila “mpampandry tany” aza.

Mandiso fanantenana fotsiny ny finoana fa hitondra filaminana ny fifampiraharahana iraisam-pirenena. Manaporofo izany ny faminanian’ny Baiboly sy ny zava-nisy hatramin’izay. Hahita ny tena filaminana kosa ireo miantehitra amin’i Jesosy Kristy sy ny Fanjakan’Andriamanitra. Ary tsy filaminana hihelina fotsiny izany, fa haharitra mandrakizay!—Salamo 37:11, 29.