Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tonga eo Amin’ny Tontolo Mangatsiaka!

Tonga eo Amin’ny Tontolo Mangatsiaka!

Tonga eo Amin’ny Tontolo Mangatsiaka!

MANGATSIAKA sy masiaka ary mampikorotan-tsaina ny tontolo vantanin’ny zaza vao teraka. Mety tsy ho afaka hilaza ny ao am-pony izy, nefa mihevitra ny mpahay siansa sasany fa efa mahatsapa ny zava-misy ny zaza, na dia mbola ao am-bohoka aza.

Hoy ny boky hoe Ny Tsy Fantatra Momba ny Zaza any Am-bohoka (anglisy): “Fantatra izao fa mahatsapa ny zava-misy ny zazakely, ary mihetsi-po amin’izay mitranga izy, raha vao enim-bolana an-kibo (na latsaka izany aza).” Tsy tadidin’ilay zaza ny zava-tsarotra nitranga taminy teo am-pahaterahana, nefa mihevitra ny manam-pahaizana sasany fa angamba hisy akony amin’ny fiainany atỳ aoriana izany.

Mihabetsaka ny zavatra tsapany, aorian’ny fahaterahany. Tsy mandeha ho azy intsony ny sakafony, satria tsy eo intsony ny tadim-poitra mba hanome rivotra sy sakafo. Tsy maintsy mifoka rivotra sy mitelina sakafo izy izao mba ho velona. Mila olona anefa izy hanome sakafo sy hikarakara azy.

Tokony hitombo koa ny zaza, eo amin’ny ara-tsaina sy ara-pihetseham-po ary ara-panahy. Mila olona hanome azy izay ilainy àry ilay zaza. Iza no tena tsara toerana hanao izany? Inona no ilain’ny zaza amin’ny ray aman-dreniny? Ary ahoana no tena tsara hanomezana azy izany? Hanampy anao hahita ny valin’ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.